17 Febroary 2019

Tantara tamin'ny 17 Febroary 2019

Ejipta: Fihaonambe ho an'ny famoahana ilay bilaogera; Notanana tany amin'ny toby miaramila ny iray hafa 

GV Mpisolovava

Nivory Kairo tamin'ny 4 desambra 2008 ireo mpikatroka an-tserasera Ejiptiana mba hanaovana antso ho famotsorana ilay bilaogera Ejiptiana Mohamed Adel .  Nokarakarain'ny Komitin'ny Fahalalahana ao amin'ny sendikà ity hetsika natao tao amin'ny Press Syndicate ity ary nantenaina hahasarika bilaogera maromaro, mpikatroka politika sy olo-malaza.

17 Febroary 2019

Kazakhstan: Mihitatra ny fanivanana bilaogy

GV Mpisolovava

Lasa lasibatra faharoa amin'ny hetsika fanakanana ao Kazakhstan taorian'ny LiveJournal ny bilaogy ao amin'ny mail.ru - vavahadin-tserasera Rosiana malaza ahitana vaovao, fialamboly ary mailaka. Ho an'ny bilaogy ihany ny fandavana fidirana avy amin'ny tolotra fifandraisandavitra nasionaly, mandeha tsara kosa ny tolotra hafa ao amin'ny vavahadin-tserasera.

17 Febroary 2019