- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Nogadraina sy norahonana ireo mpanoratra antserasera ary an-tapitrisany ireo tranonkala nakatona

Sokajy: Iràna, Lalàna, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Mey 2009)

Miatrika fotoan-tsarotra ireo mpanoratra antserasera Iraniana. Fintinintsika amin'ny teny telo ny zava-misy ankehitriny ao Iran: Fonja, Sivana sy Fandrahonana.

Mpanoratra antserasera any am-ponja

Nogadrain'ny manampahefana Iraniana ny mpanoratra antserasera roa. Nitatitra [1] momba ny fisamborana ilay mpanao gazety Shahnaz Gholami tao an-tranony tao Tehran tamin'ny 9 Novambra ny Reporters Sans Frontières ao Paris. Tonian'ny bilaogy Azarzan [2]izy. Nitatitra koa ny RSF fa nosamborina tamin'ny 8 Oktobra ilay teôlôjiana sady mpanao gazety antserasera Mojtaba Lotfi noho ny famoahana [3] tao amin'ny aterineto ny toriteny nataon'ilay mpanohitra fanta-daza an'i Ali Khamenei [4], mpitarika ambony Ayatollah .

Tamin'ny faran'ny volana Oktobra, nanoratra [5] i Mojtaba Saminejad, bilaogera voafonja teo taloha fa nandrahona ny vadiny sy ny tenany manokana ny mpitandro ny filaminana noho ny bilaoginy sy ny heviny ara-politika. Nilaza koa ilay bilaogera fa niharan'ny faneren'ny mpitandro filaminana ny vadiny mba hanohitra azy. Tsy nanavao ny blaoginy izy hatramin'ny 29 Oktobra.

Tranonkala dimy tapitrisa mahery no voasivana

Mandritra izany, nanambara ny manampahefana Iraniana fa tranonkala maherin'ny dimy tapitrisa no voasivana. Nilaza  [6]i Abdolsamad Khoramabadi, mpiasam-panjakana ambony ao amin'ny fitsarana fa miezaka manimba ny mampiavaka ny fivavahantsika amin'ny alalan'ny aterineto ireo fahavalo. Nilaza [7] ny No-filter [8], tranonkala miady amin'ny sivana fa niresaka momba ny fanivanana ireo tranokala 10 tapitrisa ny mpitondra Iraniana roa taona lasa izay. Indrisy fa tsy dia mazava loatra ny manampahefana Iraniana momba ny isan'ireo tranonkala marobe efa voasivana nandritra ireo volana sy taona teo aloha ary tsy misy fampahafantarana tena izy momba ny votoatin'izy ireo.

Fandrahonana

Toa tsy ampy ny sivana raha ho an'ireo manampahefana Iraniana. Araka ny filazan'ny BBC Persian [9], namoaka lahatsoratra momba ny aterineto ao Iran ny Sobh Sadegh, gazety ofisialin'ny Mpiambina Revolisionera.

Nilaza ny Sobeh Sadegh fa manampy amin'ny fametrahana tranonkala tsy miankina ao Iran ny governemanta vahiny. Ampiasaina ireo tranonkala ireo, hoy izy ireo, mba hamadihana ny aterineto ho fitaovana ho an'ny “revolisiona volory [10]“.

Araka ny loharanom-baovao io ihany, namoaka “fikarohana” momba ireo tranonkala sy bilaogy mahaleotena ny Parlemantan'ny Repoblika Islamika  izay lazainy fa natokana ho “fanonganana miadana” ny fanjakana islamika.

Toa adinon'ny manampahefana Iraniana fa nanangana ny tranokalany amin'ny fiteny samihafa ihany koa ny tranonkala Iraniana ofisialy, ofisialy amin'ny ampahany sy islamista. Tranonkala ofisialy amin'ny ampahany Farsnews [11] mamoaka lahatsoratra amin'ny teny Arabo, Anglisy ary Tiorka. Sajjad [12], tranonkala Islamista mitantara momba ny ady, manana tranonkala amin'ny teny Anglisy [13] ary iray amin'ny teny Hebreo [14].

Sary: Filkr > Overig [15]