- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Misy fitsabahana ara-politika ve ao amin'ny tambajotram-pahitalavitra ho an'ny daholobe ao Timor-Leste?

Sokajy: Azia Atsinanana, Timor Atsinanana, Fahalalahàna miteny, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika
[1]

Onjam-peo sy Fahitalavitra (RTTL) Timor Atsinanana. Sary: Facebook

Namoaka ny olana momba ny fitsabahana ara-politika ao amin'ny tambajotram-pahitalavitra ho an'ny daholobe ao Timor-Leste ireo mpisolovavan'ny fahalalahana an-gazety taorian'ny fanesorana tampoka ny filohan'ilay tambajotra.

Nesorina [2] tamin'ny toerany tamin'ny 9 Janoary 2019 i Gil Da Costa, filohan'ny komity mpitantana ny Onjam-peo sy Televiziona ( RTTL [3]) ao Timor-Leste taorian'ny fanaraha-maso ny kaonty izay niteraka resabe notontosain'ny governemanta. Nosoloina an'i Francisco da Silva izay nitarika ny fanaraha-maso ny kaonty i Da Costa.

Voalaza fa nahitana ny tsy fahatomombanana nandritra ny fitondran'i Da Costa ny fanaraha-maso ny kaonty. Saingy nanambara i Da Costa fa nesorina izy noho ny antony ara-politika, indrindra ny fandàvany ny hamela ny fitsabahana ara-politika tamin'ny famoaham-baovao tao amin'ny RTTL.

There have been several attempts at political interference on me and directly on journalists to try to influence editorial content.

As head of RTTL I always insisted that I wanted it to be an independent institution without political interference. And I’ve tried to do this. And there was a lot of political interference.

Nisy fikasana maromaro hitsabaka ara-politika nanindry tamiko sy tamin'ireo mpanao gazety mivantana mba hitarihan-jotra ny votoatim-baovao.

Amin'ny maha-lehiben'ny RTTL ahy dia nanantitrantitra hatrany aho fa tiako mba ho sehatra mahaleotena tsy misy fitsabahana politika izany. Ary niezaka nanao izany aho. Ary betsaka ny fitsabahana ara-politika niseho.

Ny nanendren'ny antoko politika vitsy an'isa an'i Da Costa no antony iray hafa mety ho nahatonga ny fanesorana azy.

Namoaka [4] fanambarana ny Filankevitry ny Mpanao Gazety ao Timor-Leste manameloka ilay antsoiny hoe ny fitsabahana ara-politika voalohany [5] tao amin'ny efitra famoaham-baovaon'ny RTTL hatramin'ny namerenana tamin'ny laoniny ny fahaleovantenan'ny firenena tamin'ny taona 2002. Notsikerain’ [6]i Virgílio Guterres izay filohan'ny Filankevitry ny Mpanao Gazety ihany koa ny manampahefanan'ny governemanta tamin'ny fidirana tao amin'ny efitra famoaham-baovaon'ny RTTL sy ny fandrahonana [5] mpanao gazety :

It is a crime against journalism as these people have seized the power of the editor-in-chief for exercising their political interests.

The Press Council is concerned about this situation, and would like to take the opportunity to convey our concerns to the public as well also to the government bodies to look into this situation.

Heloka bevava atao amin'ny asa fanaovan-gazety izany satria nanaisotra ny fahefan'ny lehiben'ny toniandahatsoratra ireo olona ireo ho fampiharana ny tombontsoany ara-politika.

Miahiahy momba ity toe-draharaha ity ny Filankevitry ny Mpanao Gazety, ary hanararaotra ny zava-nitranga mba hampahafantarana amin'ny vahoaka ny ahiahinay, sy amin'ny sampan-draharahan'ny governemanta ihany koa mba hijery akaiky ity toe-draharaha ity.

Nanaiky ny handray ireo fitarainana ary nivoady fa hanao “ezaka fanatsarana” ny filohan'ny RTTL vaovao ho setrin'ny ahiahin'ny Filankevitry ny Mpanao Gazety.

Nanoratra [7] tao amin'ny Facebook mikasika ny olan'ny fitsabahana politika amin'ny fampitam-baovao i António Sampaio, mpanao gazetin'ny masoivohom-baovao iray. Ny Pacific Media Center no nanao fandikan-teny [8] ny lahatsorany izay nosoratana tamin'ny teny Portiogey :

Journalists are not just microphones that reproduce, without any contradiction or analysis, what the political leaders say.

Ensuring the independence of public media is even more important. Interference in newsrooms is unacceptable and should always be tackled. Whoever does this is weakening the quality of the Timorese state.

Tsy mikrô fotsiny akory ny mpanao gazety izay mamokatra tsy misy fifanoherana na fandalinana araka ny lazain'ny mpitondra politika.

Mbola zava-dehibe kokoa ny fiantohana ny fahaleovantenan'ny haino aman-jerim-bahoaka. Tsy azo ekena ary tokony hosakanana ny fitsabahana any amin'ny trano famoaham-baovao. Mampihena ny hatsaran'ny fanjakana Timorey Izay rehetra manao izany.

Niroborobo [9] ny sehatra fampahalalam-baovao tao an-toerana tany Timor-Leste indrindra noho ny fanampiana iraisam-pirenena hatramin'ny nahazoany ny fahaleovantenany avy amin'Indonezia tamin'ny taona 2002. Tsy nisy mpanao gazety nogadraina tao Timor-Leste araka ny Reporters Sans Frontières saingy misy ny ahiahy [10] fa manery ny orinasam-pampitam-baovao sasantsasany hampihatra ny fanivanan-tena ny fanerena ara-politika.