- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Voaisotra sy voasakana ireo tranonkala tsy nahazo alalana

Sokajy: Shina, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Marsa 2009)

Vao haingana ny Minisiteran'ny Indostria sy ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao (MIIT) [1] no namoaka filazana mikasika ny hetsika manokana momba ny fahazoan-dàlan'ny tranonkala ary nangataka tamin'ireo mpamatsy tolotra aterineto (FAI) rehetra mba hanakatona ireo tranonkala tsy manana fahazoan-dalana hamatsy votoaty amin'ny aterineto (ICP) alohan'ny 24 febroary 2009 amin'ny 4 ora hariva. Nangataka tamin'ireo FAI ihany koa ny tamin'ny filazana mba hampiantrano ireo tranonkala voasoratra anarana tsara amin'ny ho avy raha tsy izany dia mety iharan'ny sazy mavesatra izy ireo.

Ireo tranonkala voatery natao sesitany

Araka ny filazan'ny dupola [2], tranonkala an'arivony no voatery nakatona noho ny politika vaovao ary efa voasoratra anarana tamin'ny MIIT teo aloha ny sasany tamin'izy ireo. Nanazava ny Dupola fa raha mahita marika votoaty “tsy mendrika” ao amin'ny lohamilina ny manampahefana, dia azo inoana fa ho akatona ny lohamilina manontolo, ary hisy fiantraikany amin'ny tranonkala hafa rehetra tsy misy votoaty tsy mendrika. Fa mbola ratsy kokoa,  miadana be ny MIIT amin'ny famoahana fahazoan-dàlana ho an'ny tranonkala, misy ireo tranga izay mahatratra efa-bolana vao mahazo fahazoan-dàlana.

Tranonkala marobe no nanapa-kevitra ny hiala ao amin'ny firenena. Na dia izany aza, mihisatra be ireo tranonkala any ampitan-dranomasina, ary matetika tsy voasokajy ao amin'ny milina fikarohana ao an-toerana ary mety ho sakanan'ny Rindrin'Afo Lehibe (GFW).

Nakatona ny Globalvoices Shinoa 

Raha ny tena marina, manodidina ny faran'ny volana febroary, nakaton'ny GFW ny endrika Shinoa nentim-paharazana [3] sy notsorina [4] amin'ny globalvoices.

Manana toro-hevitra maro ho an'ny bilaogera i Dupola:

1. 尽快将域名转出到国外注册机构(Godaddy、DreamHost 等),无论你是否决定使用国内主机
如果有可能,将主机或服务器也迁移到国外
2. 不要仅仅盯着那点网页流量,多用一下社会化媒体。
无论是经营性网站还是个人 Blog,社会化媒体除了在一定程度上可以抵消“速度慢”等问题带来的不良影响外,可能还会给你带去不少意外惊喜
3. 国外IDC也要谨慎选择,先搜索对比一下,价格、速度、配置等
4. 肚破惊天的域名和主机都放在 DreamHost
5. 同时推荐国内主机 Meyu,他们在国外也有服务器,并且提供迁移服务
6. 如果你是 Blogger,还可以看看数字游牧计划是否适合你

1. Afindrao any amin'ny orinasa fisoratana anaran-tsehatra any ivelany ny DNS anao, toy ny orinasa Godaddy sy DreamHost, tsy maninona raha te-hitàna ny tranonkalanao ao amin'ny lohamilina eo an-toerana ianao. Raha azo atao dia afindrao any ivelany ny lohamilina
2. Raha tokony hifantoka amin'ny tahan'ny lazan'ny tranonkalanao, mampiasà tranonkala media sosialy bebe kokoa mba hamoahana ny votoatinao. Afaka manampy amin'ny fandresena ny olana amin'ny fihisaran'ny fivezivezen'ny angon-drakitra ireo media sosialy ireo.
3. Mitandrema amin'ny fisafidianana ny tolotra IDC any ivelany, ampitahao tsara ny vidiny, ny hafainganana sy ny tolotra fanampiana.
4. Ny DNS sy ny lohamilina ao amin'ny Dupola.com dia ampiatranoan'ny DreamHost.
5. Manoro hevitra amin'ny fampiantranoana lohamilina eo an-toerana, Meyu ihany koa aho, manana lohamilina any ivelany izy ireo ary manana tolotra famindrana.                                                                                                                                                                                       6.Raha bilaogera ianao, dia afaka mijery ao amin'ny tetikasa Digital Nomads [5].

Ho an'ireo izay te-hahazo fahazoan-dalana ICP, afaka mijery ato: [6]