Etazonia: Adihevitra momba ny fahalalaham-pitenenana antserasera

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Marsa 2009)

Tokony afaka manakana ny lahateny antserasera ataon'ny mpianatra ve ny sekoly iray satria hita ao amin'ny faritry ny fianarana ny votoaty? Nametraka ohatra amin'ny fiarovana ny lahateny antserasera ivelan'ny toby fianarana ataon'ny mpianatra ny tranga iray tao amin'ny Fitsarana Ambony faha-3 ao Etazonia.

Araka ny filazan'ny ThinkFree

“In 2005, while a high school senior in the Hermitage School District in western Pennsylvania, 17-year-old Justin Layshock created a fake Facebook profile parodying the high school principal. He was suspended for 10 days and, with help from the American Civil Liberties Union, sued the school district.

In 2007, a federal judge sided with Layshock and ruled that school districts cannot discipline students for off-campus speech.”

“Tamin'ny taona 2005, raha namorona kaonty Facebook hosoka maka tahaka amin'ny fomba maneso ny talen'ny sekoly ambaratonga faharoa ny mpianatra iray, Justin Layshock 17 taona ao amin'ny sekoly ambaratonga faharoa ao amin'ny sekoly Hermitage ao amin'ny distrika Andrefan'i Pennsylvania. Naato nandritra ny 10 andro izy, saingy noho ny fanampiana avy amin'ny Sendikàn'ny Fahalalahana Sivily Amerikana, dia notoriana ny distrikan'ny sekoly. Tamin'ny taona 2007, nanohana an'i Layshock mpitsara federaly iray ary nanapa-kevitra fa tsy afaka manasazy mpianatra noho ny kabary ivelan'ny toby fianarana ny distrikan'ny sekoly. “

Saingy tsy ahitana fironana ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Ambony faha-3. Niombon-kevitra tamin'ny maro an'isa tamin'ny fanapahan-kevitra ny mpitsara ao amin'ny Fitsarana Fara-tampony Judge Sonia Sotomayor (Fitsarana ambony faha-2) notendren'ny filoham-pirenena Obama ary nilaza fa:

“schools had the authority to regulate off-campus online speech because that speech can disrupt the functioning of the school”

“manana fahefana hifehy ny lahateny antserasera ivelan'ny toby fianarana ny sekoly satria mety hanakorontana ny asan'ny sekoly izany lahateny izany”

Niresaka momba ny fahalalan'ny lahateny antserasera ataon'ny mpianatra ny oniversiten'i Nevada, gazetin'ny mpianatra ao Las Vegas, The Rebel Yell, manonona ohatra izay nikendrena ireo mpianatra eny amin'ny anjerimanontolo Amerikana isan-karazany amin'ny hetsika fifehezana izay zavatra lazain'izy ireo amin'ny aterineto.

“In 2007, T. Hayden Barnes, a former student at Valdosta State University in Georgia, campaigned against the planned construction of two parking garages on the university’s campus.

Part of his opposition was a collage he posted on his Facebook page called the “Zaccari Memorial Parking Garage” — named after and featuring the university’s then-President Ronald Zaccari.

The school viewed it as a threat, and the student was expelled.”

“Tamin'ny taona 2007, nanao fanentanana manohitra ny fikasana hanamboatra garazy fijanonan'ny fiara ao amin'ny tobin'ny fianarana i T. Hayden Barnes, mpianatra taloha tao amin'ny Oniversiten'i Valdosta any Zeorzia.

Anisan'ny fanoherana nataony ny sary namboarina nalefany tao amin'ny pejiny Facebook antsoina hoe “Zaccari Memorial Parking Garage”  – nomena ny anarana sy mampiseho ny filohan'ny oniversite tamin'izany Ronald Zaccari.

Noraisin'ny sekoly ho fandrahonana io, ary voaroaka ilay mpianatra avy eo. “

Taorian'ny fitoriana, nanaisotra ny fanapahan-keviny ny oniversite.

Satria mihamitombo ny tontolon'ny fifandraisana, dia miova ihany koa ny adihevitra momba ny hita ao amin'ny First Amendment (Fanitsiana Voalohany amin'ny Lalampanorenana) ka lasa ahitana momba ny tambajotra sosialy sy tranonkala toy ny Twitter. Miresaka momba ny Twitter sy ny fahalalahana miteny antserasera, notoriana noho ny sioka nalefany ny vehivavy Chicago iray satria nolazain'ny  tompon-tranony fa manala baraka.

“Horizon Group Management sued Amanda Bonnen Monday for publishing a false and defamatory tweet on Twitter May 12.
According to the suit filed Monday in Cook County Circuit Court Bonnen wrote an update that said “Who said sleeping in a moldy apartment was bad for you? Horizon realty thinks it's okay.”

“Nitory an'i Amanda Bonnen Monday ny Horizon Group Management noho ny famoahana sioka diso sy manala baraka tamin'ny 12 Mey.
Araka ny hita tamin'ny fitoriana an'i Monday tao amin'ny Fitsarana Cook County Circuit, nanoratra vaovao farany i Bonnen izay nilaza hoe “Iza no nilaza fa ratsy ho anao ny matory ao anaty trano bobongolo? Mieritreritra tokoa ny Horizon fa tsara izany.” /

Miresaka ny fahalalahana miteny antserasera ao amin'ity lahatsary ity ny PBS, izay mahakasika ny tranonkala tambajotra sosialy tahaka ny Facebook sy ny sehatra famahanana bilaogy bitika tahaka ny Twitter.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.