- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogera Ejiptiana nosamborina efa hatramin'ny volana Jolay

Sokajy: Ejipta, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
Mohamed Refaat

Nigadra efa ho 2 volana nanomboka ny volana Jolay 2008 ny Tanora Ejipsiana bilaogera Mohamed Refaat [1] kanefa efa nodidiana hivoaka ity toniandahatsoratry ny bilaogy Matabbat [1] ity. Nitatitra tao anatin'ny fanambarana ny Tambajotra Arabo ho an'ny Vaovaon'ny Zon'olombelona sy ny Foiben'ny Lalana Hesham Mubarak:

The state security apparatus had raided Mohamed Refaat’s home early in the morning on 21st of July 2008 in his absence, and seized his PC, and many of his books, and when Mohamed Refaat approached the officer “ Hisham Tawfik” in the morning in the state security offices, he shocked by the fabricated charges of “inciting to strike on the occasion of 23rd July”, he was then referred to the state security prosecution office in the case no. 1143 for the year 2008

Nanafika ny tranon'i Mohamed Refaat vao maraina ny 21 jolay 2008 ny fiarovam-panjakana tamin'ny tsy naha tao azy, ary naka ny solosainy, sy ny bokiny maro izy ireo, ary rehefa nanatona ny manampahefana “Hisham Tawfik” i Mohamed Refaat ny maraina tany amin'ny birao misahana ny fiarovam-pirenena dia taitra izy noho ny fiampangana noforonina tamin'ny “fanentanana hanao fitokonana tamin'ny fotoanan'ny 23 Jolay”, avy eo izy dia nalefa tany amin'ny biraon'ny mpampanoa lalàna momba ny fiarovam-panjakana tamin'ny raharaha laharana faha 1143 ho an'ny taona 2008

Niampanga an'i Refaat ho niantso fihetsiketsehana nandritra ny fankalazana ny tsingerintaonan'ny Revolisiona 23 Jolay [2] ny mpampanoa lalàna sy ho nizara trakta manohitra ny fitondrana, ankoatra ny fiampangana hafa, toy ny fidirana tao amin'ny vondrona voararan'ny lalana Mpirahalahy Miozolomana [3] sy ny antso fihetsiketsehana manoloana ny toeram-pivavahana sy ny kianja malalaka hanome vahana ny Vondrona

Tsy niresaka momba ity fitokonana lazaina ity ny bilaogin'i Mohamed Refaat. Nanoratra ny diariny ilay bilaogera Ejiptiana voatazona, ary namoaka lahatsoratra mikasika ny fitiavana, ny fiainana any Kairo ary ny zavatra manokana momba azy. Voampanga ho ” nanafintohina ny andrim-panjakana i Refaat , nanozongozona ny filaminam-bahoaka, ary nitarika fihetsiketsehana sy fitokonana tamin'ny alàlan'ny aterineto ” ary tsy mila porofo ireo fiampangana ireo.

Nanapa-kevitra ny hamotsotra azy ny fiarovam-panjakana ny 17 Aogositra 2008, saingy mbola nitondra azy indray nankany amin'ny foiben'ny fiarovam-panjakana misahana ny famotorana izy ireo, ary nitazona azy nandritra ny herinandro, mandra-pahatongan'ny famoahana ny baiko fampisamborana azy avy amin'ny lalànan'ny hamehana ao amin'ny fanjakana.

Nanao hetsi-panoherana teo anoloan'ny biraon'ny mpampanoa lalàna ao Cairo ny 29 Aogositra 2008, ireo Mpikambana ao amin'ny Hetsiky ny Tanora 6 Aprily [4], ny Antoko Ghad, ny Fihaonambe Nasserite ary ny Fihaonam-ben'ny tanora Arabo, ary nitaky ny famotsorana ilay bilaogera voatazona araka ny fanapahan-kevitry ny mpampanoa lalàna misahana ny fiarovam-panjakana .

Refaat Bayoumi, a Nasserite key figure, said his son Mohamed, an activist on ’Facebook’, was transported to Wadi el-Natroun Prison.Arab Reform Initiative web page (http://www.arab-reform.net), quoted the Mohamed's father:

Nilaza i Refaat Bayoumi, Nasserite malaza fa nafindra tao amin'ny fonjan'ny Wadi el-Natroun ny zanany lahy Mohamed, izay mpikatroka mafàna fo ao amin'ny ‘Facebook’, toy izao no nolazain'ny rain'i Mohamed araka ny tranonkalan'ny.Arab Reform Initiative (http://www.arab-reform.net) :

It is illogical that Mohamed is detained under the emergency law although the State Security Prosecution has released him. My son is not a terrorist or a drug dealer.

Tsy lojika no nitanana an'i Mohamed araka ny lalànan'ny hamehana, na dia namotsotra azy aza ny Mpampanoa Lalanan'ny Fiarovam-panjakana.  Tsy mpampihorohoro na mpivarotra zava-mahadomelina ny zanako lahy.

Nanao fitarainana tany amin'ny Mpampanoa Lalàna, nitaky ny firotsahany an-tsehatra mba hamotsorana an'i Refaat ny delegasiona nisolo tena ny fianakavian'i Refaat sy ireo mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona .

Nanatri-maso ny fisamborana ireo mpikambana ao aminy ny tontolon'ny bilaogy Ejipsiana, izay matetika tsy noho ny lahatsorany tao amin'ny bilaoginy, fa noho ny fikatrohany ara-politika. Saingy taorian'ny antso nataon'ireo mpiserasera aterineto nitaky fitokonana faobe tamin'ny volana Aprily 2008, tamin'ny alàlan'ny vondrona Facebook iray antsoina hoe 6 aprily dia nosamborina efa ho herinandro maromaro  ny mpanorina sady mpitantana ny vondrona Israa Abdel Tawwab ary niharan'ny fampijaliana i Ahmad Maher.