- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta : Niakatra tribonaly miaramila ilay mpisera Facebook

Sokajy: Ejipta, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
[1]

Pikantsarin'ny pejy Facebook.

(Marihina fa tamin'ny volana Novambra 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Gaga sy tafintohina ny ankamaroan’ireo mpisera Facebook Ejipsiana rehefa niakatra tribonaly miaramila ny iray tamin’izy ireo; iray amin’ireo Ejipsiana miisa 2,4 tapitrisa ao amin’ny Facebook [2] i Ahmad Hassan Bassiouny [3]; ary noho ny nananganany vondrona iray tao anatin’ity tambajotra sosialy [1] ity dia voampanga ho ‘’namoaka ny tsiambaratelo miaramila tao amin’ny Aterineto izy’’, ary notsaraina teo anoloan’ny tribonaly miaramila.

Nantsoina hoe ny Fomba fitantanana amin’ny fiantsoana miaramila sy fanentsehana [1] ilay vondrona izay nantsangan’i Bassiouny, izay hilazana ny fahefana miaramila mandray sy manondro izay izorany. Marihina fa tsy maintsy manatontosa ny raharaha miaramila [4] ny lehilahy any Ejipta. Na izany aza anefa dia tsy maintsy manao izany na manatanteraka izany any aoriana izy ireo araka ny fepetra sasany sy araka ny toe-javatra misy, kanefa tsy maintsy mametraka ny satany ara-miaramila ao amin’ity fitantanan-draharaha ity ny Ejiptiana rehetra na inona na inona toe-javatra misy.

Ao amin’ity vondrona ity dia ahitana ireo fampahafantarana momba ireo fepetra ilaina amin’ny raharaha miaramila, ireo antontan-taratasy ilaina ho an’ny fandraisana, ireo daty fidirana, ireo fe-potoana sy ireo fepetra hafa arahana. Hita ao amin’ny gazety avokoa ireo fampahafantarana rehetra ireo ary ny sasany aza efa hita amin’ny Aterineto. Niezaka fotsiny ny hanamora kokoa ny fiainan’ireo namany i Bassiouny tamin’ny fanangonana ireo fampahafantarana ireo tao anatin’ny pejy iray. Misy mpikambana miisa eo amin’ny 1.800 eo ny vondrona. Nofaritana mazava fa tsy ofisialy ny vondrona ary nataon’ny mpilatsaka an-tsitrapo.

Nizara ny vaovao ny mpikambana tao amin’ilay vondrona, rehefa voampanga ilay mpanangana azy, izay niteraka ireo fanehoan-kevitra feno fahatafintohinana. Hita avy amin’ireo fikambanana Ejiptiana mpiaro ny zon’olombelona ihany koa ireo fanehoan-kevitra ireo, indrindra rehefa fantatra fa nofaritana ho tanora maodelin’ny fireneny tao amin’ny onjam-peo nasionaly i Bassiouny, tamin’ny fananganana ny vondrona toy izany.

Samy nanameloka ny fanamelohana azy avokoa ny tambajotra Arabo ho an’ny Fiarovana ny Zon’olombelona (ANHRI), ny foibe fiarovana ny zo Hisham Mubarak, ary ny Fikambanana ho amin’ny Fahalalahana misaina sy maneho hevitra natsangan’ny fiaraha-mientana ho fiarovana an’i Bassiouny:

C'est une grosse erreur que de traduire devant une cour martiale un jeune qui a l'amour de son pays. Nous ne voyons pas le moindre délit dont on peut accuser ce jeune homme. Son action n'est due qu'à sa bonne volonté et s'il a fait une erreur en prenant cette initiative, les cours martiales ne sont pas la bonne manière de réagir à la création d'un groupe sur Facebook.

Fahadisoana lehibe ny mitsara ny tanora tia tanindrazana any amin’ny tribonaly miaramila. Tsy hitanay mihitsy izay heloka tokony hiampangana io tovolahy io. Ny finiavany no nahatonga azy nanao izany ary raha nanao hadisoana izy tamin’ny nanaovany ity hetsika ity dia tsy ny tribonaly miaramila no tokony namaliana ny fanehoan-kevitry ny vondrona tao amin’ny Facebook.

Tao amin’ny fanambarany [5], nanambara ny vondrona fa tsy vao voalohany izao no nisy Ejiptiana niakatra tribonaly miaramila tao Ejipta noho ny lahatsorany tamin’ny Aterineto, ary nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fihetsiketseham-piraisankina amin’ny tranga toy izany izy ireo :

Ahmed Hassan Bassiouny n'est pas le premier militant à devoir comparaitre devant un tribunal militaire. En mars 2010, Ahmed Mostafa a aussi été traduit devant une cour  martiale pour ses écrits sur Internet. Immédiatement après, et grâce à la pression des associations pour les droits humains, le gouvernement a suspendu la procédure pour ne pas ruiner la carrière du jeune homme.

Tsy i Ahmed Hassan Bassiouny no mpikatroka voalohany tsy maintsy niakatra tribonaly miaramila. Niakatra tribonaly miaramila ihany koa i Ahmed Mostafa tamin’ny volana Martsa 2010, noho ny lahatsorany tao amin’ny Aterineto. Fotoana fohy taorian’izay dia nampiato ny raharaha aloha ny governemanta mba tsy hanimba ny asan’ilay tovolahy , noho ny tsindry avy amin’ny fikambanana mpiaro ny zon’olombelona.

Hita tao amin’ny Twitter ihany koa ny firaisankina, indrindra satria notsaraina tamin’ny herinandro nitsarana an’i Michael Nabil [6] i Bassiouny, mpanoratra tao amin’ny vondrona Facebook manohitra ny raharaha miaramila tsy maintsy atao [7]  ary navotsotra. Izany no nitarika an’i Gue3bara hanontany tena [8] hoe:

Gue3bara_tweet.jpg

Comment travaille l'armée ? Au cours de la même semaine Nabil a été relaxé tandis que Baddiouny est condamné ?

Ahoana ny fomba fiasan‘ny tafika? Nandritra io herinandro io ihany dia navotsotra i Nabil raha voaheloka kosa i Baddiouny ?