- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Azerbaijan: Bilaogera, mpanoratra ato amin'ny Global Voices voalaza fa voatazona ao Baku

Sokajy: Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Mey 2009)

Voalaza fa notazonina tao Baku  [1]ny bilaogeran'ny Frontline Club sady mpanoratra ato amin'ny Global Voices Online Ali S. Novruzov [2] satria manomana fihetsiketsehan'ny tanora ny renivohitra Azerbaijaney. Milaza ireo sioka avy amin'ny loharanom-baovao azo antoka fa farafahakeliny, bilaogera iray hafa no voatàna niaraka tamin'ny filohan'ny Ivon-toerana Demokratika Nasionaly ao Azerbaijan [3], kanefa dia nandeha fotsiny teny an-dalana izy ireo [4]. Ao anatin'ny sehatra fanehoan-kevitra amin'ity lahatsoratra ity [5] ireo vaovao farany.

p.s: Azo jerena ao amin'ny RFE/RL amin'ny teny Azeri ny sary sy ny lahatsary misy ny polisy mitàna ireo tanora mpikatroka sy ny mpanao fihetsiketsehana:

http://www.azadliq.org/content/article/1625009.html