Azerbaijan: Bilaogera, mpanoratra ato amin'ny Global Voices voalaza fa voatazona ao Baku

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Mey 2009)

Voalaza fa notazonina tao Baku ny bilaogeran'ny Frontline Club sady mpanoratra ato amin'ny Global Voices Online Ali S. Novruzov satria manomana fihetsiketsehan'ny tanora ny renivohitra Azerbaijaney. Milaza ireo sioka avy amin'ny loharanom-baovao azo antoka fa farafahakeliny, bilaogera iray hafa no voatàna niaraka tamin'ny filohan'ny Ivon-toerana Demokratika Nasionaly ao Azerbaijan, kanefa dia nandeha fotsiny teny an-dalana izy ireo. Ao anatin'ny sehatra fanehoan-kevitra amin'ity lahatsoratra ity ireo vaovao farany.

p.s: Azo jerena ao amin'ny RFE/RL amin'ny teny Azeri ny sary sy ny lahatsary misy ny polisy mitàna ireo tanora mpikatroka sy ny mpanao fihetsiketsehana:

http://www.azadliq.org/content/article/1625009.html

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.