Voampanga ho nidaroka sy nampijaly tovolahy iray tany Kashmir tantanan'ny Indiana ny lehiben'ny tafika Indiana rehefa nampanantsoina ity tanora ity noho ny antony tsy fantatra ho any amin'ny toby 44 Rashtriya Rifles, izay tafika miady amin'ny mpiady anaty akata ao amin'ny tafika Indiana any amin'ny tananakelin'i Shadimarg ao amin'ny distrikan'i Pulwama, fanjakan'i Jammu sy Kashmir .
Indian army Major Rohit Shukla has beaten a student in army camp in Pulwama and forced him to pose with a gun to label him as a militant and kill him in a fake encounter. #kashmir #IndianArmySponsoredTerrorism pic.twitter.com/JM3GLcejNU
— Fahaid Rehman (@FahaidR) February 6, 2019
Nidaroka mpianatra tao amin'ny toby miaramilan'i Pulwama ny Lehiben'ny Tafika indiana Rohit Shukla ary nanery azy haka sary miaraka amin'ny basy mba hilazana azy ho milisy ary hamono azy amin'ny fifandonana hosoka.
Nilaza i Tawseef Ahmad Wani, izay manaraka fitsaboana ao amin'ny hopitaly ao Srinagar fa nodarohan'ilay Mazaoro Rohit Shukla mafy izy. Manamboninahitra nomena mari-boninahitra ambony, nahazo ny Shaurya Chakra, ny loka miaramila Indiana fahatelo ambony indrindra amin'ny fotoanan'ny fandriampahalemana avy amin'ny Filohan'i India i Mazaoro Shukla, noho ny anjara asany tamin'ny hetsika nanohitra ny milisy tamin'ny taona 2018.
Nanambara i Wani fa nangataka azy mba “haka sary miaraka amin'ny basy na hivonona ho faty ao anatin'ny fifandonana” ilay Mazaoro- izany hoe nitaky an'i Wani hamoaka ny sariny hitafy toy ny mpitolona mitam-piadiana ao amin'ny Facebook izy.
Brave so called Indian Army and Major Shukla. Tawseef Was beaten up ‘mercilessly’, by Indian army admitted in SHMS hospital ,also asked him to ‘pick up arms’, threatens to ‘kidnap his sister’#KashmirSolidarityDay pic.twitter.com/aRI0WHqQvA
— AllAboutKashmir (@powerofkashmir) February 5, 2019
Ilay antsoina hoe Tafika Indiana sy Mazaoro Shukla be herimpo . Nodarohan'ny tafika indiana ‘tsy misy antra’ i Tawseef, naiditra tao amin'ny hopitaly SHMS, nangataka azy ihany koa izy ireo mba ‘haka fitaovam-piadiana’, ary nandrahona ny ‘haka an-keriny ny anabaviny.
Na dia nanambara aza ny tafika fa ” propagandy ataon'ireo mpampihorohoro izany, rehefa midaroka olona izy ireo ary miezaka manome tsiny ny tafika, mba hanerena ny mpitandro filaminana.”
*✅Army never did anything wrong in Kashmir: Kavinder Gupta over Major Shukla*
…
⭕?SRINAGAR, FEB 06:Former deputy chief minister of the state and Senior BJP leader Kavinder Gupta said that Army never did anything wrong in Kashmir with Kashmiri pic.twitter.com/vPzO3d6wco— Asian News Hub (@dar_rare) February 6, 2019
✅ Tsy nanao ratsy mihitsy ny tafika tao Kashmir: Kavinder Gupta miaro an'i Mazaoro Shukla *
…
⭕?SRINAGAR, 06 FEBROARY: Nilaza ny lehiben'ny minisitra lefitra teo aloha sady mpitarika ambony ao amin'ny BJP, Kavinder Gupta, fa tsy nanao ratsy ny Kashmirita mihitsy ny tafika tany Kashmir
Manao fanompoana ao amin'ny tafika Indiana ny rahalahin'i Wani ary voalaza fa nanjavona izy ary novonoin'ny milisy ny rainy araka ny tatitra hafa .
Nivadika resaka politika ilay olana raha nitsidika ity lehilahy naratra ity tany amin'ny hopitaly ny lehiben'ny minisitra teo aloha ao amin'ny fanjakana Jammu sy Kashmir, Mehbooba Mufti ary nitaky ny handraisana fepetra ho an'ilay mazaoro .
Mehbooba Mufti visits SMHS to inquire health of Injured boy allegedly beaten by Major Shukla In Pulwama South Kashmir pic.twitter.com/fTePiZOpR2
— Bhat Nisar (@BhatNis02010632) February 6, 2019
Nitsidika ny SMHS i Mehbooba Mufti mba hanontany ny momba ny fahasalaman'ilay ankizilahy naratra izay nolazaina fa nodarohan'ny Mazaoro Shukla tany Pulwama Atsimon'i Kashmir
[Ao anatin'ny bolabolan-dresaka:
Mehbooba Mufti: Teny fangorahana
Tawsif Ahmad Wani: Ho fanajana ny fifidianana]
Niteraka tsikera henjana avy amin'ny olona tao amin'ny tambajotra sosialy nanomboka teo ny zava-nitranga:
How #India makes militants in #Kashmir
A psychopath army major is forcing a civilian to join militancy, threatens to kill him in a fake encounter if he doesn’t. https://t.co/k2yQtIwzpp
— kashmir (@mykashmirmylife) February 5, 2019
Ahoana no hanaovan'i India ny milisy ao Kashmir
Nanery olon-tsotra hanatevin-daharana ny milisy ilay lehiben'ny tafika marary saina, nandrahona ny hamono azy tamin'ny fifandonana hosoka raha tsy manao izany izy.
Why Major Shukla Target youths without any reason?
— Yasir (@Yasir58390794) February 6, 2019
Nahoana ny Mazaoro Shukla no mikendry ny tanora tsy misy antony?
Major Shukla:
“Pose with a gun and post the photograph by tomorrow; if not, I will kill you in an encounter in the coming days.”
.
.
And then they say why Kashmiri's hate Indian force.#Kashmir— Encrypted Layman!! (@FreddieFaizan) February 5, 2019
Mazaoro Shukla:
“Makà sary miaraka amin'ny basy ary alefaso rahampitso ilay sary; raha tsy izany, ho vonoiko ianao rehefa amin'ny fifandonana amin'ny andro manaraka. “
.
.
Ary nilaza izy ireo avy eo hoe nahoana ny Kashmirita no mankahala ny tafika Indiana .