Shina: Fisaonana ho an'ireo tranonkalan'ny manam-pahaizana

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Marsa 2009)

Tamin'ity herinandro ity, tranonkala roa manan-danja maro no voatery nakatona, ny iray Pauwang (泡網), ny iray hafa Wei-cheng Za-Wan (圍城 雜文).

Anisan'ny iray amin'ireo tantara lavabe amin'ny BBS ao Shina ny Pauwang ary noterena nakatona tamin'ny 12 martsa 2009.

Araka ny filazan'ny Hecaitou, ny BBS dia sehatra ho an'ny mpamoaka lahatsoratra sy ny matihanina. Mifandraika amin'ny klioban'ny sary ao Beijing ny BBS ary vao haingana izy ireo no nikarakara fampirantiana tao Beijng 798. Ampahany ihany tamin'ireo tahiriny no voavonjin'ny tranonkala ary efa nafindra ao amin'ny http://uupage.com vonjimaika.

Mikasika ny lahatsoratr'i Wei-cheng indray, nanoratra fanambarana fanakatonana tamin'ny 10 martsa (via chinagfw) ny webmaster:

本站关闭!

上面讲有害信息太多,需要清理!本站不会再开了,请各位另找去处吧!这么多年来,站长也疲惫了。虽然上面没有说强行关闭此站,但我已经是力不从心了。看到服务商转过来的话,我也没有兴趣再将围城杂文网经营下去了。

其实这是在预料中的事情,因为今年的经济太困难了,如果经济形式好些,本站还可能活一段时间。经济不好,社会问题多,自然言论紧缩。

本站从来就没有收益过。只有付出。

我关站的心情,怎么说了,很平静,至少比平民杂文网站长平静。因为我知道,我在中国办这种网站,会有这么一天的,对于围城杂文网来说,这一天来得还比较晚了,中间,我也曾为我们的国家高兴过,以为进入了“新时代”。

然而,这一切只成了过去。

在中国,这类网站办着太累了。我也早表示有关站的意思,今天,只是一个契机。

谢谢各位的捧场。星期二 2009年3月10日

Hikatona ity tranonkala ity!

Nilaza ny faneriterena avy any ambony fa be loatra ireo vaovao mampidi-doza ao, ka mila manadio izany izahay! Tsy hisokatra intsony ity tranonkala ity, mitadiava sehatra hafa azafady! Efa taona maro izay, reraka ankehitriny ny webmaster. Na dia tsy nilaza aza ny any ambony fa hakatona an-katerena ny tranonkala, dia tsy vitako intsony ny mitantana izany. Nahazo antso an-tariby nafindran'ny mpamatsy tolotra aterineto, tena tsy liana intsony amin'ny fitantanana ity tranonkala ity aho.

Efa nampoiziko izao raha ny tena marina. Tamin'ity taona ity, ratsy loatra ny tontolo ara-toekarena. Raha tsara kokoa izany dia mety ho ela velona ity tranonkala ity. Rehefa ratsy ny toekarena ary miha mitombo ny olana ara-tsosialy, dia hampihena ho azy ny sehatry ny fahalalahana miteny izany.

Tsy mampidi-bola ny tranonkala, fa manome fotsiny izahay.

Ny fahatsapako, ahoana no hilazana azy?Tony kokoa aho, mora milamina noho ny webmastern'ny Pingmin Zawen. Satria efa nampoiziko fa ao Shina, hahazo ny anjarany ny karazana tranonkala tahaka izao. Somary tara ny andro tahaka izao hanandramana ny Wei-cheng. Misy fotoana aho mahatsapa fifaliana ho an'ny firenena, fahatsapana fa niditra tamin'ny “vanim-potoana vaovao” isika.

Saingy tantara izany.

Pingmin Zawen Tranonkala iray hafa koa no noterena hikatona ny 7 Novambra 2008 (na dia talohan'ny Bullog.cn), talohan'ny nanombohan'ny fanentanana anti-smut tamin'ny fomba ofisialy. Ankehitriny, novaina ho tranomboky antserasera ny anaran-tsehatry ny tranonkala.

Ho an'ny rakitsoratra ara-tantara, adikako eto ny ampahany amin'ny fanambaran'ny webmaster (via zjol):

“对于有害信息,是说你有你就有的。凭着站长党务工作者的政治敏锐性、凭着站长对追求的载体(网站)的爱惜,对于审稿,我一直是如履薄冰的。即使这样,有关方面还是善于发现。夫复何言?”

Ilay antsoina hoe vaovao mampidi-doza, dia izay rehetra amaritanao azy. Milaza ianao hoe mampidi-doza izy ireo, dia izay izany. Amin'ny maha-Webmaster sy mpikambana amin'ny antoko manana hevitra ara-politika, amin'ny maha Webmaster mavitrika amin'ity tranonkala ity, dia tena nitandrina tsara aho tamin'ny fitantanana ny tantara noforonina mipoitra amin'ny tranonkala. Na izany aza, mahay mikaroka ny eo amin'ny fitantanana voalaza. Inona koa no holazaiko?

Za Wen, na tantara foronina (雜文) dia karazana haisoratra mifandray amin'ny fanehoan-kevitra ara-politika ao Shina maoderina. Malaza ny lahatsoratr'i Lu Xun noho ny feony manakiana. Ny fanakatonana ny Pingmin (midika hoe olom-pirenena tsotra) Zawen kosa dia nampahatsiahy ny olona ny famotopotorana ny literatiora sy ny famoretana ireo manam-pahizana izay niseho tamin'ny alalan'ny tantara shinoa. Marobe ireo lahatsoratra fiaraha-miory (amin'ny teny Shinoa avokoa) momba ny Pingmin Zawen:

Ho fahatsiarovana ny Pingmin Zawen avy amin'ny Hermit any an-tendrombohitra (山居野士).

Fisaonana ny Pingmin Zawen avy amin'ny kaopin-dite tsara ravaka (靜茶淡雅).

Fombafomba fandevenana ny Pingmin Zawen avy amin'ny pmcs

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.