Miala tsiny. TOT Plc., amin'ny maha-fikambanana ho an'ny vahoaka Thailandey azy, dia nametra ny fidirana amin'ity tranonkala ity satria misy votoaty, lahatsoratra, ary/na sary tsy mendrika ka misy fiantraikany amin'ny sain'ny vahoaka Thailandey manerana ny firenena izany ka tsy azo ekena. “
( Loharanon-tsary: National Blockpages Gallery tao amin'ny Prachatai.com | Global Voices Advocacy Blog )
Ny 22 Aogositra 2007, nosakanan'ny TOT (Manampahefan'ny Fifandraisandavitra) ny fidirana tamin'ny sehatra famahanana bilaogy wordpress.com ka tsy nahafahan'ny mpisera Aterineto Thailandey hiditra tamin'ny WordPress Thailandey sy ny bilaogy rehetra miantrano ao amin'ny wordpress.com . “ Nisy fanamarihana miseho rehefa miezaka ny miditra amin'ny pejy WordPress: ” Miala tsiny. TOT Plc., amin'ny maha-fikambanana ho an'ny vahoaka Thailandy azy, dia nametra ny fidirana amin'ity tranonkala ity satria misy votoaty, lahatsoratra, ary/na sary tsy mendrika ka misy fiantraikany amin'ny sain'ny vahoaka Thailandey manerana ny firenena izany ka tsy azo ekena. “
Nanamafy ny Fahalalahana Manohitra ny Sivana ao Thailandy (FACT) fa “ mbola tsy azo nidirana ny WordPress.com tao amin'ny tolotra TOT hatramin'ny alin'ny zoma 24 Aogositra 2007. Tsy misy hamantarana izany mihitsy satria indraindray azo nidirana indraindray tsy azo nidirana izany. “
Ny 17 Aogositra 2007, nanakana ny fidirana tamin'ny sehatra wordpress.com iray manontolo ny fitsarana sivily Fatih faharoa ambaratonga voalohany Tiorka taorian'ilay voalaza fa fanalam-baraka an'ilay mpandala ny famoronana Islamika Tiorka, Adnan Oktar, fantatra amin'ny anarana hoe Harun Yahya .