Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Ny fandresena vinavinaina ho lasan'ilay kandidan'ny mpanohitra sangany voampanga ho nanao kolikoly ao Nizeria

Atiku Abubakar [Sary avy amin'ny tranonkala fikarakarana ny fanentanana]

Naminavina ny fitsapan-kevitra nataon'ny Williams and Associates, fikambanana mpikaroka sy mpanadihady ao Etazonia fa handresy amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena ao Nizeria ny 16 Febroary 2019 i Atiku Abubakar, kandidà mpanohitra avy ao amin'ny Antokom-bahoaka Demokratika (PDP). Abubakar sy ny filoha amperinasa Muhammadu Buhari ao amin'ny Kongresin'ny Liam-pandrosoana (APC) no mpifaninana roa lehibe indrindra amin'ilay fifaninanana.

Nanatontosa antsafa miisa 1.550 izay namoaka ny “elanelana 12% amin'ny vatom-pifidianana ho an'i Atiku raha mitaha amin'i Buhari” ny Williams and Associates ny 11 ka hatramin'ny 16 Janoary 2019.

Pikantsarin'ny fitsapan-kevitra tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena. “Fironan'ny safidim-bahoaka tao Nizeria ny 16-22 Aogositra, 2017″ avy amin'ny Williams & Associates

Ireo ekipa sy paikady izay nampiasaina tamin'ny faminavinana marina ny fandresen'i Buhari tamin'ny taona 2015 ihany no nampiasaina tamin'ity fitsapan-kevitra ity . Naneho ny valin'ny fanadihadiana fa 64 isan-jato tamin'ireo olona namaly no nanamafy fa tsy mendrika ny ho voafidy  intsony ny Filoha Buhari noho ny tsy fahombiazan'ny tamin'ny fanomezana asa. Ny 53 isan-jaton'ireo nohadihadiana ihany koa dia somary manahy momba ny hoavin'ny toe-karenan'i Nizeria.

Maro tamin'ireo namaly no nanaiky fa ny tsy fisian'ny asa, ny fahantrana, ny kolikoly, ny tsy fandriampahalemana amin'io filaharany io no hamolavola ny fizotran'ity fifidianana ity. Nahitana fitomboana 11 isanjato tamin'ny isan'ireo olona vonona hifidy amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2019 ihany koa ny valim-pifidianana raha ampitahaina tamin'ny taham-pahavitrihana tamin'ny fifidianana ny taona 2015.

Vakio bebe kokoa ny fitantaranay ny #NizerianoManapakevitra2019:

Vao tsy ela no nitsidika an'i Etazonia i Abubakar (17 sy 18 Janoary 2019) efa ho folo taona lasa taty aoriana. Tafiditra amin'ny raharaha fanodikodinam-bola an -tapitrisany dolara maro nahatafiditra mpikambana iray ao amin'ny Kongresy Amerikana i Abubakar. Niampanga azy ho nanao famotsiam-bola sy nanao kolikoly ihany koa ny Komitin'ny Loholona Amerikana misahana ny fiarovam-pirenena sy ny raharahan'ny governemanta ao Etazonia. Nandeha be ny resaky ny olona maro noho izany fa voarara ny hitsidika an'i Etazonia izy

Nilaza ny Reuters fa “navoakan'ny Departemantam-panjakana Amerikana vonjimaika taorian'ny nikarakaran'ny laobista fanentanana” ity fandraràna an'i Abubakar ity.  Nilaza tamin'ny Reuters ny loharanom-baovao iray tsy mitonona anarana  fa navela hiditra an'i Etazonia i Abubakar satria

… the United States saw little benefit to creating bad blood with the man who might be the next leader of Africa’s most populous nation and the continent’s biggest oil producer.

… tsy mahita tombontsoa firy amin'ny fananganana ady amin'ny lehilahy izay mety ho mpitondra manaraka ny firenena Afrikana be mponina indrindra sy ilay mpamokatra solika lehibe indrindra ao amin'ny kaontinanta i Etazonia .

Nanambara ireo laobista mpanohana an'i Abubakar fa manana adidy handrisika ny demokrasia ao amin'ny firenena be mponina indrindra fahafito manerantany ny tompon'andraikitra ambony Amerikana misahana ny raharaha Afrikana, Sekretera mpanampy Tibor Nagy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.