Voafetra ve ny asa fanaovan-gazety any Taiwan ?

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2011 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nilaza ny tatitra fa mametra ny asa fanaovan-gazety i Taiwan ary nahemotry ny Freedom House ny laharan'ity firenena nosy ity tao amin'ny tatitra momba ny fahalalahana an-gazety manerantany isan-taona. Araka ny The Christian Science Monitor

“Freedom of speech and press are among the most lauded achievements of Taiwan’s democratic transition since martial law was lifted more than two decades ago. Yet many observers say that the glitter of the island republic’s free press has been overrated, especially in a highly commercialized news culture that is both deeply partisan and prey to political favors. For the past two years Freedom House has downgraded Taiwan’s rating in its annual report on global press freedom.”

” Anisan'ireo zava-bita tsara indrindra tamin'ny tetezamita demokratika tany Taiwan ny fahalalaham-pitenenana sy ny fahalalahana an-gazety taorian'ny nanesorana ny lalàna miaramila roapolo taona lasa izay. Maro anefa ny mpanara-maso no nilaza fa tsy voatrandraka araka ny tokony ho izy ny taratry ny fahalalahana an-gazety ao amin'ny nosy repoblika, indrindra indrindra ao anatin'ny kolontsaim-baovao ara-barotra izay sady tena mpanohana ny fitondrana no fitaovana ho amin'ny fanohanana ara-politika. Nandritra ny roa taona lasa izay dia nahemotry ny Freedom House ny laharan'i Taiwan tamin'ny tatitra nataony isan-taona momba ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety manerantany. “

Nilaza ilay bilaogera Shu Flies, mpifindra monina Taiwaney Amerikana mipetraka any Taipei fa voafetra amin'ny alàlan'ny lalàna samihafa ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao amin'ny firenena. Nanoratra momba ny Lalànan'ny Fiarovana ny Zaza sy ny Tanora izy ary ny voka-dratsin'izany izay mety hahatonga ny mpanao gazety iray manao ny asany ara-dalana hisedra olana.

Nanakiana ny “Fitsikilovana mena” noho ny fitomboan'ny famerana atao amin'ny fampitam-baovao Taiwaney ilay mpanoratra He Qinglian, tao amin'ny lahatsoratra fanehoan-kevitra iray nosoratany tao amin'ny The Epoch Times

“Unfortunately, under the Chinese Communist Party’s (CCP’s) “red” infiltration, some of Taiwan’s mainstream media have not only failed to support Taiwan’s political independence, but have become cheerleaders for Beijing.

One prominent example is Taiwan’s media giant China Times Group. In 2008 it was taken over by Tsai Eng Meng, chairman of Want Want Group, who previously invested billions of dollars in China. Now China Times only covers positive news about China and almost never cover negative news, such as the CCP’s human rights violations.”

“Mampalahelo fa tsy nahavita nanohana ny fahaleovantena politikan'i Taiwan, fa sady nanjary mpanohana mahafatra-po an'i Beijing ny sasany tamin'ireo fampitam-baovao mahazatra ao Taiwan tratran'ny fitsofohan'ny “mena ” Antoko Komonista Shinoa (CCP).

Ny fampitam-baovao goavana ao Taiwan China Times Group no ohatra iray tena goavana. Tamin'ny taona 2008 dia nalain'i Tsai Eng Meng, lehiben'ny Want Want Group, izay nampiasa vola amina miliara dôlara tany Shina teo aloha izany. Ankehitriny, mitantara vaovao mahaliana momba an'i Shina ihany sisa no ataon'ny China Times ary zara raha mitatitra vaovao miiba toy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ataon'ny CCP. “

Na dia iakaran'ny adihevitra aza ny fanaraha-maso ataon'i Beijing amin'ny sehatry ny fampitam-baovao any Taiwan ary mety tsy ho voavaly mihitsy dia tsy azo tsinontsinoavina ny andraikitry ny governemanta Taiwan na dia toa mety tsara aza ny manilika ny tsiny rehetra ho an'i Shina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.