- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Malezia: Nohalavaina ny fanafahana vonjimaika an'ilay bilaogera

Sokajy: Malezia, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nitarina hatramin'ny 21 novambra 2008 ny fanafahana vonjimaika (tamin'ny fandoavana antoka) nomena an'ilay bilaogera kickdefella izay nosamborina noho ny fikatsahana ny vahoaka handefa ny sainam-pirenena Maleziana mitsimbadika. Nosamborina [1] ny 17 Septambra 2008 i Kickdefella [2], na Syed Azidi Syed Abdul Aziz, ary nafahan'ny polisy vonjimaika andro vitsivitsy taorian'izay rehefa nandoa antoka.

Nampanantsoin'ny foiben-toeram-panadihadiana ho an'ny heloka bevava ara-barotra (CCID) ao Kuala Lumpur izy mba hahazo ny fanalavana ny fanafahana azy vonjimaika ny omalin'iny. Nilaza tamin'ireo mpanao gazety [3] i Syed Azidi fa mila fotoana lavalava kokoa ny polisy hanaovana fanadihadiana, ary hanamafy, ny fotoana hahataperan'ny fahafahany vonjimaika, raha toa ka voampanga izy na tsia. Hoy i Syed Azidi hoe:

I don't know why they have to extend the bail, everything they need to know is there in my posting. It is quite unnecessary… This is definitely politically motivated. However the police are just doing their job and follow instructions and I don't blame them… It's their superior that is doing this. They are trying to place a psychological hindrance…

Tsy fantatro ny antony nanitaran'izy ireo ilay fahafahana vonjimaika, ao amin'ny lahatsoratra navoakako ny zavatra rehetra tian'izy ireo ho fantatra. Tena tsy ilaina izany … Tena noho ny antony ara-politika no nahatonga izany. Na dia nanao ny asany fotsiny aza ny polisy sy nanaraka ny torolàlana dia tsy manome tsiny azy ireo aho … Ny lehibeny no anton'izany. Miezaka ny hametraka hakiviana ara-tsaina izy ireo …

Nanamafy kosa ilay bilaogera fa tsy nisy olana ny fomba nitazonana azy tany am-ponja ary nitaky ny fangatahany fanafody sy ny karipetra hivavahany ny polisy.

Iray tamin'ireo bilaogera nosamborina vao haingana (Oktobra 2008) i Syed Azidi. Ireto ny rohy ahitana ireo tantara hafa:

Tsindrio eto [7] hijery ny lahatsarin'i Syed Azidi araka izay notaterin'ny Malaysiakini.