Bilaogera Ejipsiana roa nosamborina sy nogadraina tamin'ny toerana tsy fantatra nandritra ny iray volana latsaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Marsa 2009)

Bilaogera iray sy mpikatroka Facebook iray no voasambotra

Mpikatroka Facebook iray ao Ejipta no nalain'ireo polisy an-keriny, izay nanafika ny tranony tamin'ny 3:30 maraina, fotoana fohy alohan'ny hihiratan'ny andro. Nentina tany amin'ny toerana tsy fantatra efa ho roa andro i Rami El- Swaisi, 21 taona, raha niditra an-keriny tao an-tranony tao Giza ireo manamboninahitra sy polisy mitam-piadiana ary naka ny fananany manokana, anisan'izany ny findainy, ny solosaina finday ary ny valizy.

Mianatra any amin'ny toeram-pianarana fiteny i Rami al-Swisi ary mpikatroka tamin'ny hetsiky ny tanora 6 Aprily. Manana kaonty Facebook antsoina hoe Mahtag Akoud Hakky  (mila ny zoko hiverina aho) izy izay anaovany ny fikatrohany antserasera.

Nilaza tamin'ny Tambajotra Arabo momba ny zon'olombelona i Ahmed Maher, mpikatroka tamin'ny hetsika 6 Aprily fa nahazo antso avy amin'ny manampahefana misahana ny filaminana i Rami, mangataka aminy mba hiseho eo anoloan'izy ireo. Rehefa tsy nety izy, dia norahonana imbetsaka  tamin'ny fikasana hanery azy hiala amin'ny hetsika 6 Aprily izy.

Namoaka fanambarana manameloka ny fakàna an-keriny ny mpikambana ao aminy ny hetsika 6 Aprily, manamafy fa:

Everyday our corrupt regime shows us how weak it is and how scared of any word we say about injustice and our calls upon freedom and safe life.

Mampiseho amintsika isan'andro ny fahalemeny sy ny tahony amin'ny teny izay lazaintsika momba ny tsy rariny sy ny antso ataontsika ho an'ny fahalalahana sy ny fiainana azo antoka ity fitondrana feno kolikoly ity.

Nitranga iray volana taorian'ilay fakàna an-keriny bilaogera iray hafa tamin'ny 6 febroary izany, raha nisambotra an'i Dia’ Eddin Gad ny polisy efatra ary nidaroka azy teo anoloan'ny tranony tao Kattour, faritany Garbeiyah alohan'ny nitondrana azy tao anaty fiaran'ny polisy mankany amin'ny toerana tsy fantatra.

Mpanoratra ao amin'ny bilaogy Sawt Ghadib (Feo tezitra) i Dia’ Eddin Gad. Tsy namoaka ny anton'ny fisamborana azy na ny toerana nitazonana azy ny polisy.

Milaza ny ANHRI fa mazava ny tsy fisian'ny fanasaziana ny polisy noho ny heloka bevava fakàna an-keriny an'i Philip Rizk sy Dia Eddin Gad tamin'ny 6 febroary, ka namporisika azy ireo hanao heloka bevava toy izany fanintelony indray tao anatin'ny iray volana latsaka. Nanampy tamin'ny fanambarana ny ANHRI hoe:

We have to press hard on the prosecution to bring these officers to court, especially because we know the number of the car plate that kidnapped him.

Tsy maintsy miezaka mafy hitondra ireo polisy ireo eny amin'ny fitsarana isika, satria fantatsika indrindra ny laharan'ny takelaky ny fiara izay naka an-keriny azy.

Manohy ny fitokonany tsy hihinan-kanina ilay bilaogera Ejipsiana, Muhammad Adel

maeitManohy ny fitokonany tsy hihinan-kanina ilay bilaogera voafonja Muhammad Adel, manohitra ny fametrahana azy amin'ny toerana mitokana sy ny fampijaliana ataon'ny manampahefanan'ny fonja aminy, izay tsy mamela azy hiala ao amin'ny efitra misy azy, ka mampidi-doza ny ainy. Nanomboka ny fihetsiketsehany nanomboka tamin'ny faha-28 febroary tao amin'ny fonjan'i Tora Farm i Adel, ary hatramin'izao, tsy nisy ny fanadihadiana natao mba hiarovana ny ainy amin'ny loza aterak'izany.

Taorian'ny nanombohan'ity bilaogera ity ny fitokonany tsy hihinan-kanina. Nandefa tatitra tany amin'ny fampanoavana ny tambajotra Arabo ho an'ny vaovaon'ny zon'olombelona (ANHRI), mangataka fanadihadiana tsy misy hatak'andro amin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina ataon'i Adel. Nangataka ihany koa izy ireo mba hanokafan'ny fitsarana fanadihadiana amin'ny fampijaliana rehetra ataon'ny fitantanan'ny fonja amin'ilay bilaogera.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.