Shina: Mandeha dia mikatona ny Youtube

(Lahatsoratra efa tamin'ny volana Marsa 2009)

Vaovao farany: Vao avy nitatitra i Shizhao avy ao amin'ny Twitter fa efa miverina amin'ny laoniny ny youtube ankehitriny (ora ao Beijing, 6 Marsa: 10:40maraina).

Voalaza fa nikatona nandritra ny roa andro (4-5 Marsa) ny Youtube tao Shina. Araka ny filazan'i William Long, tsy tafiditra tao amin'ny tranonkala youtube ny mpiserasera nanomboka ny 4 Marsa tamin'ny 8 hariva. Niverina ny tranonkala ny sasakalin'ny 5 Marsa, saingy araka ny filazan'i Shizhao (tao amin'ny twitter), naharitra 10 minitra ihany no fahazoana niditra tamin'izany.

Jeremy Goldkorn avy ao amin'ny DANWEI nilaza fa mandeha dia mikatona ny youtube, fa tsy nikatona tanteraka (tatitra antsipirihany sy vaovao farany bebe kokoa ao amin'ny zoro fanehoan-kevitra):

The Twitter people are currently talking about Youtube being blocked in China. It's working OK in Beijing though.

Update (JM): Except when it's not: Access has been on again off again today.

Miresaka momba ny Youtube nakatona tao Shina ankehitriny ny olona ao amin'ny Twitter. Mandeha tsara kosa izy ao Beijing.

Vaovao farany (JM): Rehefa tsy mikatona izy: dia tapaka sy mandeha ny fidirana ao aminy.

Araka ny filazan'ny tatitry ny HerdictWeb, tatitra 174 no tsy azo nidirana manerantany ary avy ao Shina ny 140

Nanamarika i William Long fa taloha, dia nisy ny fanakanana vetivety ny tranokala: toy ny tamin'ny 18 oktobra 2007 sy 15 marsa 2008 noho ny antony tsy mazava.

Tamin'ity indray mitoraka ity, nifanindry tamin'ny fivorian'ny parlemanta NPC sy CPPCC ny fanakatonana, izay fotoana saro-pady ara-politika. Na dia izany aza, Isaac (tamin'ny twitter) nanamarika fa vokatry ny fahombiazana lehibe tamin'ny lahatsary Grass Mud Horse tao amin'ny youtube ny fanakanana:

i guess http://tinyurl.com/d6rxf7 now in GFW blacklist, causing whole youtube automatically blocked in China after midnight cache flushing

Mihevitra aho fa ao anatin'ny lisitra mainty GFW ny http://tinyurl.com/d6rxf7 amin'izao fotoana izao, ka mahatonga ny youtube manontolo ho voasakana any Shina aorian'ny misasakalina

Raha misy ifandraisany amin'ireo antony voalaza etsy ambony ny fanakanana, dia ho vonjimaika izany.

Uptmd mandrakitra ny fahadisoana famindrana tahiry ao amin'ny bilaoginy:

The DNS I am using is 202.106.0.20.

C:Documents and SettingsAdministrator>nslookup www.youtube.com
Server: gjjline.bta.net.cn
Address: 202.106.0.20

Non-authoritative answer:
Name: youtube.l.google.com
Address: 208.117.236.73
Aliases: www.youtube.com

No problem in ping:

C:Documents and SettingsAdministrator>ping www.youtube.com

Pinging www.youtube.com [208.65.153.253] with 32 bytes of data:

Reply from 208.65.153.253: bytes=32 time=218ms TTL=232
Reply from 208.65.153.253: bytes=32 time=229ms TTL=232
Reply from 208.65.153.253: bytes=32 time=217ms TTL=232
Reply from 208.65.153.253: bytes=32 time=215ms TTL=232

Ping statistics for 208.65.153.253:
Packets: Sent = 4, Received = 4, Lost = 0 (0% loss),
Approximate round trip times in milli-seconds:
Minimum = 215ms, Maximum = 229ms, Average = 219ms

telnet connection to http:

telnet www.youtube.com 80

HTTP/1.1 500 Server Error
Content-Length:65
Connection: close

Http/1.1 Internal Server Error

Lost contact with the server… GFW is getting stronger and stronger.

Ny DNS ampiasaiko dia 202.106.0.20.

C:Documents sy SettingsAdministrator>nslookup www.youtube.com
Lohamilina: gjjline.bta.net.cn
Adiresy: 202.106.0.20

Valinteny tsy mahazo alalana:
Anarana: youtube.l.google.com
Adiresy: 208.117.236.73
Alias: www.youtube.com

Tsy misy olana ny ping:

C:Documents and SettingsAdministrator>ping www.youtube.com

Pinging www.youtube.com [208.65.153.253] with 32 bytes of data:

Valiny avy amin'ny 208.65.153.253: bytes=32 time=218ms TTL=232
Valiny avy amin'ny 208.65.153.253: bytes=32 time=229ms TTL=232
Valiny avy amin'ny 208.65.153.253: bytes=32 time=217ms TTL=232
Valiny avy amin'ny 208.65.153.253: bytes=32 time=215ms TTL=232

Antontan'isa Ping ho an'ny 208.65.153.253:
Fonosana: Nalefa = 4, Voaray = 4, Very = 0 (0% loss),
Tomban'ny faharetan'ny dia amin'ny milli-sekondra:
Farafahakeliny = 215ms, Farafahabetsany = 229ms, Antonony = 219ms

telnet connection to http:

telnet www.youtube.com 80

HTTP/1.1 500 Server Error
Content-Length:65
Connection: close

Http/1.1 Internal Server Error

Tsy tafaray intsony amin'ny lohamilina… miha-mafy hatrany ny GFW.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.