(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
Nilaza ny Minisitry ny Atitany ao Malezia, Datuk Seri Syed Hamid Albar araka ny tatitra [1] fa tsy “fanampin'ny fampitam-baovao” ny fampahalalam-baovao amin'ny aterineto satria mihamaro ny Maleziana no mahazo vaovao sy fampahalalam-baovao avy amin'izany .
Nolazainy izany taorian'ny lahateny fampidirana nandritra ny Fihaonambe Akademika momba ny Politikan'ny Fampitam-baovao tao Malezia, izay nokarakarain'ny Ivontoerana Aziatika ho an'ny Fampandrosoana ny Serasera (Aidcom) tany Kuala Lumpur.
Nanamarika ihany koa izy fa nihen-danja ny famakiana gazety raha oharina amin'ireo loharanom-baovao hafa. Araka izany, araka ny voalazan'i Syed Hamid dia niezaka naka tahaka ny fampahalalam-baovao an-tserasera ny gazety mahazatra tamin'ny alàlan'ny fiezahana hitsikera araka izay azo atao mba ho malaza.
Nitondra adihevitra amin'ny hananganana vaomieran'ny fampitam-baovao i Syed Hamid amin'ny hifehezana araka ny lalàna ny gazety. Mbola tsy nilaza indray anefa izy raha toa ka handrindra ny votoaty an-tserasera ity vaomieran'ny fampitam-baovao ity.
Niatrika fitoriana fanalam-baraka [2]imbetsaka ny iray amin'ireo gazety mahazatra Maleziana, Utusan Malezia amin'ny fiteny Malay, sy ny tatitra marobe nataon'ny polisy [2] sy ny fanakianana avy amin'ny gazety hafa [3] momba ny etika ampiasainy amin'ny fanaovan-gazety, izay mety nahatonga ny antso hisian'ny vaomieran'ny fampitam-baovao.
Mandritra izany fotoana izany, niatrika fitsarana ny taona 2008 ireo bilaogera sy ny mpitantana tranonkalam-baovao na dia teo aza ny fanehoan-kevitr'i Syed Hamid, tamin'ny nahitana bilaogera telo izay voalaza fa mety hiatrika (inoana) ho fiampangana fikomiana [4] ary notanana am-ponja tsy misy fitsarana [5] ilay mpitantana ny tranonkalan'ny Malaysia Today.
Nanohitra ny hevitra hananganana vaomieran'ny fampitam-baovao ireo mpikatroka ary tsy hihetsika raha tsy hofoanana ny lalàna mametra ny famoaham-baovao , indrindra ny lalàna fanontana printy sy ny famoaham-baovao, ny lalànan'ny fikomiana, ny lalànan'ny tsiambaratelo ofisialy ary ny lalàna momba ny fiarovana anatiny.