Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

11 Febroary 2019

Tantara tamin'ny 11 Febroary 2019

Kimeltuwe indray no mampiatrano ny kaonty Twitter @ActLenguas manomboka ny 11 ka hatramin'ny 17 Febroary 2019

Rising Voices

Ity indray ny lahatsoratra milaza ny mombamomba ny ekipa ao ambadiky ny kaontin'ny Kimeltuwe (@Kimeltuwe) sy izay kinasan-dry zareo mandritra ny herinandro maha-mpampiatrano azy ireo.

Shina: Mandeha dia mikatona ny Youtube

GV Mpisolovava

Voalaza fa nikatona nandritra ny roa andro (4-5 Marsa) ny Youtube tao Shina. Araka ny filazan'i William Long, tsy tafiditra tao amin'ny tranonkala youtube ny mpiserasera nanomboka ny 4 Marsa tamin'ny 8 hariva. Niverina ny tranonkala ny sasakalin'ny 5 Marsa, saingy araka ny filazan'i Shizhao (tao amin'ny twitter), naharitra 10 minitra ihany...

Bilaogera Ejipsiana roa nosamborina sy nogadraina tamin'ny toerana tsy fantatra nandritra ny iray volana latsaka

GV Mpisolovava

Mpikatroka Facebook iray ao Ejipta no nalain'ireo polisy an-keriny, izay nanafika ny tranony tamin'ny 3:30 maraina, fotoana fohy alohan'ny hihiratan'ny andro. Nentina tany amin'ny toerana tsy fantatra efa ho roa andro i Rami El- Swaisi, 21 taona.

Shina: Miantso an'i Guo Baofeng hiverina hody hisakafo hariva!

GV Mpisolovava

Notazonin'ny polisy Mawei ao Fujian nandritra ny herinandro mahery ilay bilaogera Peter Guo Baofeng. Araka ny tatitry ny twitter (efa voasakana), Nangataka tamin'ireo enina notazonina mba hanasonia fiaiken-keloka sy hiaiky fa nanao heloka bevava amin'ny fanalam-baraka sy fanaparitahana tsaho ho takalon'ny famotsorana azy ireo ny polisy ao Mawei.

Malezia: Niaiky ny Minisitry ny Atitany fa ny vaovao an-tserasera no mahazatra ankehitriny

GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nilaza ny Minisitry ny Atitany ao Malezia, Datuk Seri Syed Hamid Albar araka ny tatitra fa tsy “fanampin'ny fampitam-baovao” ny fampahalalam-baovao amin'ny aterineto satria mihamaro ny Maleziana no mahazo vaovao sy fampahalalam-baovao avy amin'izany . Nolazainy izany taorian'ny lahateny...

Thailandy: Fikasana hanakana ny tranonkala manohitra ny fanjakana

GV Mpisolovava

Nikasa ny hanangana rindrin'afo ny governemanta Thailandey mba hanakanana ireo tranonkala heverina ho maniratsira ny fitondram-panjaka ao amin'ny firenena, sy ny votoaty hafa amin'ny aterineto izay heverina ho tsy mendrika.