- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Paragoay: Fanehoankevitra hafa an'ireo Bilaogera manoloana ny Fandresen'i Lugo

Sokajy: Amerika Latina, Karaiba, Bahamas, Barbady, Goiana, Haiti, Jamaika, Kiobà, Paragoay, Saint Lucia, Trinite sy Tobago, Fampandrosoana, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Sakafo, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aprily 2008)

Vao haingana izay, voafidy ho Filohan'i Paragoay i Fernando Lugo, ilay eveka Katolika teo aloha nirotsaka avy amin'ny Alianza Patriotica Para el Cambio (Firaisan'ny Tia Tanindrazana ho an'ny Fiovàna), nandritra ny fifidianana natao ny 20 Aprily, izay nahazoany ny 40.8% an'ireo vato [1]. Nanaraka azy i Blanca Ovelar izay nahazo ny 30.8% ary i Lino Oviedo izay nahazo ny 21.9%, namarana izany taty aoriana be i Pedro Fadul miaraka amin'ny 2.3% an'ireo vato. Nandray anjara mavitrika tanatin'ny fifidianana ny olom-pirenena tao Paragoay miaraka amin'ny taham-pandraisana anjara 68% an'ireo olona nizotra tany amin'ny toeram-pifidianana, izay avo raha oharina amin'ireo fifaninanana taloha, rehefa teo amin'ny 30-40% teo no nifidy tanatin'ireo fifidianana teo aloha.


lugo2.jpg
Ny Filoha voafidy Fernando Lugo tao amin'ny Gazety ABC Color [2]. Sary avy amin'ny hetsipanentanan'i Fernando Lugo ary nampiasaina teo ambany fahazoandàlana Creative Commons.

Ho fanampin'izay, toa nandeha tsara avokoa ny zava-drehetra, tsy nisy tatitra nilaza herisetra na sakoroka. Mazava ho azy fa tsy hampangina ireo bilaogera Paragoaiana ny vaovao goavana tahaka izao, indrindra rehefa io no fotoana voalohany indrindra tanatin'ny 60 taona mahery nandresenà antoko iray hafa ny fifidianana filoham-pirenena. Ambonin'izay rehetra izay, eveka teo aloha no mpandresy, fa tsy mpanao politika nandritra ny androm-piainany. Ireto misy fanehoankevitra hafa avy amin'ireo bilaogy ao Paragoay.

Milaza i Juan Carlos Rojas anatin'ny bilaoginy antsoina hoe Oasis Liberario [es] fa tsy manantena be loatra momba ireo fiovàna vaovao ireo izy [3]:

No soy tan optimista de que las cosas cambiarán en cinco años de forma radical y para mejor; pero si soy optimista en el sentido de que si Lugo tiene en mente seguir el modelo Chavista, las cosas no le irán tan bien, puesto que el Congreso está conformado por los sectores más conservadores de la sociedad y es por donde deben pasar los proyectos del monseñor – presidente.

Tsy dia manantena loatra aho fa hiova tanteraka ho amin'ny tsara ny zava-misy anatin'ny dimy taona ho avy, saingy manam-pinoana kosa aho fa raha mihevitra hanaraka ny nataon'i (Hugo) Chávez i Lugo, dia tsy handeha tsara ny zava-misy, indrindra satria ahitàna ireo sehatry ny fiarahamonina tena mitàna ny fomban-drazana ny Kaongresy ary tsy maintsy mandefa ny lalàny amin'ireo ilay Eveka Filoha.

Miresaka momba ny fanantenany i Luz anatin'ny bilaoginy antsoina hoe Relatos y Sueños [es] fa mahafantatra ny andrasan'ny vahoaka aminy sy ny governemantany ny filoha vaovao: fanaovana ny marina sy fomba iray hampiakarana indray ny hambom-pon'ireo Paragoaiana. Manantena ihany koa izy fa hihena ireo mafana fo tafahoatra ary hitombo ireo asa ho an'ny fiarahamonina mba hampiakarana ny fahatokisan-tenan'ny Paragoaiana maro any ivelany, mba hahafahan-dry zareo mody an-tanindrazana.

Ao amin'ny bilaoginy Macondo News [es], maneho ny fihetsehampony amintsika i Luis Bareiro momba ny fahatsapàna ny fandavozana ny “fahavalo”.

ary milaza fa ny hatanorany rehetra dia notaperiny niadiana ho an'ny hoavy miaraka tamin'ireo maro teo anilany saingy tsy nahomby ry zareo taloha, kanefa nanohy niady satria fantany fa handresy izy amin'ny farany ary indray andro mbola ho resy izany… amin'ny teniny manokana: Nandresy Izahay, nandresy Izahay, nandresy Izahay, androm-boninahitro androany…minoa ahy fa mankafy izany toy ny olona kely nandresy rapeto ratsy fitondran-tena sy feno habibiana aho ….

Mi juventud pasó, luchando por el futuro, con muchos otros al lado, no lo logramos antes, cuando tendría que merecidamente haber sido en su tiempo y momento. Algunos abandonaron el esfuerzo, otros más empecinados y tercos, nos mantuvimos, no tuvimos las armas con las cuales tu hasta te ufanabas que apelabas con tanto descaro, las más ruines, las más sucias, las más perversas, pero a pesar de ello, lo único que lograste fue que el esfuerzo se fortaleciera, soñando quimeras tantas veces burladas por tus perversas acciones, pero “ingenuamente” como juzgabas por nuestro proceder, nosotros si sabíamos, que algún día ibas a ser derrotado. Te vencimos, te vencimos, te vencimos, hoy es mi día de gloria… No lo dudes que lo estoy disfrutando, como un pequeño que ha tumbado a un monstruo gigante, perverso e inhumano.

Nandany ny hatanorako niady ho an'ny hoavy aho, miaraka amin'ireo hafa teo anilako, tsy nahavita na inona na inona izahay tamin'izany fotoana, rehefa tokony niseho tamin'ny fotoana sy toerana nisy azy izany. Nilavo lefona ny sasany tamin'izy ireo, ny hafa kosa vonona sy mafy loha kokoa, niziriziry izahay, tsy nanana ny fitaovam-piadiana naderaderanareo izahay, ilay maloto indrindra, ilay ratsy indrindra, kanefa na dia teo aza izany rehetra izany, ny hany mba vitanareo dia ny nanamafy ny ezaka, miaraka aminà nofinofy narabianareo tamin'ireo hetsikareo feno faharatsiana, kanefa na “tsotra” toy ny inona aza no nitsaratsaranareo ny antom-pihetsehanay, fantatray fa indray andro any mbola ho resy ianareo, resinay ianareo, resinay ianareo, androm-boninahitro androany…Minoa ahy fa androany aho dia hankafy izany, toy ny olona kely iray nandresy rapeto, rapeto izay ratsy fitondran-tena sy feno habibiana.

Farany, resahan'ny Blog Sacoleiro [es] ny momba ny “maha roa” ny filoha teo aloha, Nicanor Duarte, milaza fa hotsaraina toy ny filoha nahitàna soritraretina fananana maha-izy azy roa samy hafa izy. Amin'ny hoavy, ho tsaroina kokoa noho ny soa nataony i Nicanor nóho ny tsy fahombiazany, fa indrindra indrindra ho tsaroina noho ny filazàny ho manana maha-izy azy roa samy hafa ny tenany. Anatin'ny tenin'ilay bilaogera, milaza izy fa: “Androany isika dia mankalaza ireo fandrosoana sy ady hanitsiana ireo tsy fahombiazana, miroso amin'izay zavatra nampihemotra antsika taloha, miady ho an'ny fanavaozana ny governemanta sy ho an'ny famaranana ny kiantranoantrano izay nandratra ny maro tamintsika.” [4]