#AfahoAmade: mpanao gazety nosamborina sy nampijaliana taorian'ny nitaterany ny herisetra tany avaratr'i Mozambika

Ireo sisa velona izay namoy havana sy trano, tsy manan-kialofana taorian'ny ny fanafihana tamin'ny 5 Jona 2018 tao amin'ny tanànakelin'i Naunde ao Cabo Delgado, Mozambika. Saripikan'i Borges Nhamire, nahazoana alalana.

Nosamborina tamin'ny 5 Janoary teo ilay Mozambikana mpanao gazety Amade Abubacar, raha nitatitra momba ny fironana fanafihana mahery vaika tany amin'ireo tanànakely any amin'ny faritanin'i Mozambika ao Cabo Delgado.

Manankarena harena ankibon'ny tany ny avaratr'i Mozambika ao Cabo Delgado toy ny vatosoa mena, saribao ary etona voajanahary hita ao amin'ny Lemaka Rovuma. Nilaza ny mpandinika sasany fa nikasa ny hanomboka hanodikodina ireo loharanon-karena ireo ny vondrona izay nikarakara ity fanafihana ity.

Nanomboka hatramin'ny volana Oktobra 2017, fanafihana maro samihafa no natao tao amin'ireo distrika samihafa ao Cabo Delgado ireo izay avy amin'ity vondron-jiolahimboto ity ihany. Maro ny fampitam-baovao no nitatitra ny fanafihana, saingy tsy vonona ny haneho hevitra na hanamafy porofo tamin'izany raharaha izany ireo manampahefa-panjakana.

Tamin'ny taona 2018, maherin'ny zato ny olona nenjehina noho ireo heloka bevava ireo. Tokony hifarana amin'ity taona ity ny fitsarana azy ireo.

#AfahoAmade: fanentanana hanafahana ilay mpanao gazety Mozambikana

Miara-miasa amin'ny Ivontoerana ho an'ny Serasera Ara-tsosialy Mozambikana i Amade Abubacar ary mpanao gazety miaraka amin'ny tranokalam-baovao Zitamar sy ny onjam-peo ao an-toerana, Nacedje.

Nosamborin'ny polisy federaly Mozambikana ity mpanao gazety ity tamin'ny 5 Janoary, raha naka sary ireo sisa velona tamin'ny fanafihana tany Cabo Delgado.

Nentina tany amin'ny foiben'ny tafika ao amin'ny Fiarovam-pirenena ao Mozambika ao amin'ny distrikan'i Mueda i Amade, na dia tsy mpikambana ao amin'ny tafika mitam-piadiana aza izy. Rehefa afaka herinandro vitsivitsy dia nafindra tany amin'ny fonjam-pirenena sivily izy mba ho ara-dalana ny fitazonana azy tany Pemba, renivohitr'i Cabo Delgado.

Rehefa tonga tao amin'ny fonjam-pirenena sivily i Amade dia niantso ny Holafitry ny Mpisolovava Mozambikana ary nitatitra fa nampijalian'ny tafika mitam-piadiana Mozambikana, izay nolazainy fa nidaroka azy ary tsy nanome azy sakafo.

Maro ny olona sy ny vondrona mpiaro ny fahalalahana an-gazety no naneho hevitra tamin'ny fiarovana an'i Abubacar, ary nilaza fa nandrahona ny fampiharana ny fanehoan-kevitra malalaka ny fisamborana sy ny fitazonana azy.

Nanohitra mafy ny fitazonana an'i Amade ny Ivontoerana ho an'ny Fampitam-baovao any Atsimon'i Afrika, izay manara-maso ny zo sy ny hetsika fampahalalam-baovao amin'ny faritra:

Abubacar’s prolonged detention by the military is a violation of his rights as well as his arrest under unconfirmed charges. The Mozambican government is setting a bad precedent in the violation of free expression and access to information in the region.

Ny fitazonana maharitra an'i Abubacar  sy ny fisamborana azy noho ny fiampangana tsy voamarina ataon'ny miaramila dia fanitsakitsahana ny zony. Nametraka tantara ratsy tamin'ny fanitsakitsahana ny fahalalaham-pitenenana sy ny fidirana amin'ny vaovao ao amin'ny faritra ny governemanta Mozambikana.

Namoaka fanambarana ihany koa ny Amnesty International :

Amade Abubacar é um respeitado jornalista que estava a gravar depoimentos de pessoas que fugiram de ataques mortais em Cabo Delgado quando foi preso pela polícia. Esta é a mais recente demonstração de desprezo pela liberdade de expressão e liberdade de imprensa por parte das autoridades moçambicanas, que veem os jornalistas como uma ameaça e os tratam como criminosos.

Mpanao gazety hajaina i Amade Abubacar izay nanoratra fijoroana vavolombelona avy amin'ireo olona nandositra ny fanafihana nahafatesan'olona tao Cabo Delgado rehefa nosamborin'ny polisy izy. Ity no fihetsiketsehana tsy rariny farany avy amin'ny manampahefana Mozambikana ary nampiharina tamin'ny fahalalaham-pitenenana sy tamin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety … mahita ny mpanao gazety ho toy ny loza mitatao ireo [manampahefana] ary [noho izany] izy ireo dia atao toy ny jiolahy.

Niparitaka tao amin'ny Twitter ihany koa ny fanentanana, niaraka tamin'ny famoronana tenirohy toy ny #AfahoAmade mba hisoloana vava amin'ny hanafahana an'i Amade.

Mitaky ny famotsorana tsy misy hatak'andro ilay mpanao gazety #AmadeAbubacar
ny mpiaro ny zon'olombelona ao amin'ny Firenena Mikambana. Tsy ampy azy ireo intsony ny fitazonana tsy ara-dalàna, fa tsy maintsy nampijalijaly azy izy ireo, nampatoriana niaraka tamin'ny rojovy tao amin'ny toby miaramila sady tsy nomena sakafo . Mampalahelo izany.

Nanome tsiny ny filohan'i Mozambika i Angela Quintal, mpandrindra ny fandaharan'asan'i Afrika ho an'ny Komity Miaro ny Mpanao gazety:

#Mozambika: Androany, 30 Janoary no andro faha 25 nitazomana maina an'ilay mpanao gazety #AmadeAbubacar noho ny nanatontosany ny asany. Azo heverina fa manana ny ampy ny filoha @FNyusi ka tsy tokony handany loharanon-karena amin'ny fanagadrana ny lehilahy iray tsy manan-tsiny

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.