Gresy: Niteraka fanovana ny herisetran'ny polisy amin'ireo vehivavy mpifindra monina

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Novambra 2009)

Nikorontana noho ny fanagadrana mpifindra monina fahatany sy ny tolotra am-bava karamain'ny governemanta sosialista vaovao hatramin'izao mba hanaja ny fahavononany hanavao ny polisy i Gresy. Roa andro talohan'ny Andro Iraisam-pirenena ho Fanafoanana ny Herisetra Mihatra amin'ny Vehivavy, nisy tranganà herisetra nataon'ny polisy tamin'ny renim-pianakaviana mpifindra monina sy ny zanany tao Athena izay niteraka fahatezerana ary nahatonga ny fampanantenan'ny governemanta vaovao hanavao ny polisy.

Mpanao gazety mpaka sary sady bilaogera, Craig Wherlock nandika ny tatitra tao amin'ny media Grika:

a 35 year old Armenian woman was beaten, handcuffed and detained in front of her two year old child [..] in Athens last Thursday [..] When she went to get the pushchair carrying her child they grabbed her, pushed her to the ground, kicking and punching her in the belief she was resisting arrest. The hapless mother was handcuffed and taken with her child to the Aghios Panteleimonos police department where she was kept for four hours.

Vehivavy Armeniana 35 taona no nodarohana, nofatorana rojo vy ny tanana ary nogadraina teo imason'ny zanany roa taona [..] tany Athena ny alakamisy lasa teo [..] Raha nandeha naka ny seza fanosehana ny zanany izy dia nosamborin'izy ireo, natosik'izy ireo tamin'ny tany, nodakàna ary nidaroka azy no sady nilaza fa manohitra ny fisamborana izy. Nofatorana vy ny tanan'ilay renim-pianakaviana tsy afa-nihetsika ary nentina niaraka tamin'ny zanany tao amin'ny departemantan'ny polisy Aghios Panteleimonos izay nitazonana azy nandritra ny adiny efatra.

Vetivety dia navoakan'ny Cyberela tao amin'ny Twitter ny vaovao :

«Νταήδες» αστυνομικοί ξυλοκόπησαν 35χρονη http://www.enet.gr/104685 (via @enetgr) @chrisochoidis Τί θα κάνετε γι αυτό;

Niherisetra tamin'ny vehivavy 35 taona ny polisy mpampijaly olona(via @enetgr) @chrisochoidis. Inona no ho ataonao manoloana izany? Police

Nahazo fitakiana marobe mba handray andraikitra ny minisitry ny fiarovana ny olom-pirenena, Michalis Chrisochoidis. Tao amin'ny Twitter, nilaza i vivian_e hoe:

@chrisochoides Υπουργέ, δεν πάει άλλο η κατάσταση με την αστυνομική βία. Πρέπει να υπάρξουν παραδειγματικές τιμωρίες. Άμεσα

@chrisochoides Atoa minisitra, tafahoatra ny herisetran'ny polisy. Tokony horaisina ny sazy sahaza. Tsy misy hatak'andro @chrisochoides

Atsasakadiny taorian'ny sioka voalohany, sambany namaly mivantana ny olom-pirenena tao amin'ny Twitter ny biraon'ny minisitra.

@Cyberela @diakoptis @teacherdude @asteris @magicasland μετά την καταγγελία της 36χρονης η ΓΑΔΑ διέταξε Ένορκη Διοικητική Εξέταση

@Cyberela @diakoptis @teacherdude @asteris @magicasland taorian'ny fiampangana ilay ramatoa 36 taona, nampanao fanadihadiana ataon'ny mpitsara ny foiben'ny polisy

… vivian_e namaly hoe:

@chrisochoidis Θα σας ρωτάμε κάθε μέρα για την πορεία της ΕΔΕ.

@chrisochoidis hanontany anareo mikasika ny fivoaran'ny fanadihadiana isan'andro izahay

Taty aoriana, nanambara ny minisitra fa horoahina ireo polisy nahavita ilay heloka, ary nanomboka fakà-kevi-bahoaka ho fananganana birao manokana hanaramaso ireo tranganà herisetra ataon'ny polisy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.