- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nosamborina ny mpanorina ny Uighurbiz.cn

Sokajy: Shina, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tao amin'ny twitter, marobe ny sioka niverina nilaza fa notazonina i IIham Tohti, mpampianatra Uighur ao amin'ny Oniversite Minzu ao Shina sady mpanorina ny Uighurbiz.cn.

Araka ny fanambarana an-gazety nataon'ny Governoran'i Xinjiang Nur Bekri [1], notarihan'ireo Uighur sesitany tamin'ny alàlan'ny Aterineto ny rotaka tao Urumqi : “Niresaka an-telefonina tamin'ny mponina tany Shina i Rebiya ny 5 Jolay 2009 mba hanao fanentanana, ary nampiasaina mba hanelezana izany sy hanaparitahana propagandy ny tranonkala toy ny Uighurbiz.cn sy ny Diyarim.com. “

Natsangana tany ho any amin'ny taona 2005 tany ny Uighurbiz.cn ary lasa vondrom-piarahamonina an-tserasera goavana indrindra ho an'ireo tanora Uyghur sy Han ao Xinjiang izay maniry ny hiresaka ny olan'ny zon'olombelona sy ny olana ara-poko izany. Tamin'ny fahavaratry ny taona 2008, noterena hikatona vonjimaika ny tranonkala noho ny rotaka tao Tibet  no inoana nahatonga izany. [2]

Noho ny rotaka tao Urumqi tamin'izany fotoana izany sy ny teorian'ny firaisana tsikombakomba nataon'ny governemanta dia voasakana ny Uighurbiz.cn ny 5 Jolay ary tapaka ny tolotra aterineto tao Urumqi. Ankoatra izay, voasakana ihany koa ny fidirana tamin'ny twitter sy ny facebook [3] ny 6 Jolay ary tsy nahitana fanavaozam-baovao ny fanfou (mitovy amin'ny twitter amin'ny endrika Shinoa ) hatramin'ny ny alin'ny 7 Jolay.

Nohadihadian'ny “manampahefana tompon'andraikitra [1]” i IIham Tohti momba ny tranonkalany sy ny hetsika an-tserasera nataony ary nanoratra valinteny ho an'ny daholobe [4] ho an'i Nur Bekri tao amin'ny sehatra fifanakalozan-kevitra Uighurbiz.cn izy ny 7 Jolay. Nanamafy izy fa ny tolona natao nanohitra ny ekipan'ny orinasa Shaoguang ny 26 Jona dia tokony hiadian-kevitra sy hosaintsainina ary vonona izy ny hiatrika fitsarana mba hiaro ny zony. Na izany aza, nanamafy izy fa hanendry ny mpisolovavany ary handà izay tendrin'ny governemanta.

Ao amin'ny bilaogin'i Iham Tohti ao Shina, nofafana ny lahatsoratra maromaro momba ny raharaha Shaoguang [5]  tamin'ny 26 Jona sy ny tamin'ny 7 Jolay koa.

Nofaritan'ny andininy faha-105 (2) ao amin'ny fehezan-dalàna famaizana ao Shina ho “mandrisika ny hafa amin'ny fampielezana tsaho na hampiasa fanendrikendrehana na fomba hafa hanonganam-panjakana na hanonganana ny rafitra sosialista” ny heloka bevavan'ny  “fandrisihana fanakorontanana”. Amin'ny toe-draharaha mahazatra, dimy taona an-tranomaizina ny sazy lehibe indrindra ho an'ny fandrisihana fanakorontanana. Sazy an-tranomaizina dimy taona no sazy farafahakeliny (ao amin'ny bilaogin'ny mpampianatra lalàna Shinoa [6] ) ho an'ny “lehiben'ny jiolahy” na mikasika ny “raharaha lehibe” (fitsipika izay tsy misy masontsivana mazava),