Libanona : Fihetsehana noho ny fisamborana ireo mpisera Aterineto miisa telo tamin'ny hafatra nalefany tao amin’ny Facebook

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ity lahatsoratra ity dia navoakan’i Layal Al Khatib tamin’ny teny Anglisy tato amin’ny tranonkalan’ny Global Voices advocacy.

Nanomboka ny fiandohan’ny taona 2010 dia nanao ny famoretany (volana vitsivitsy talohan’izay no nitranga ny raharaha voalohany) tamin’ny fisamborana an’i Naim George Hanna, 27 taona, Antoine Youssef Ramya, 29 taona, ary i Shebel Rajeh Qassab, 27 taona, ny governemanta Libaney, noho ny famoahana hafatra tao amin’ny Facebook izay nanohitra ny Filoha Michel Suleiman. Ary niampy ny adihevitra momba ilay volavolan-dalàna vaovao momba ny varotra an-tserasera dia tezitra tamin’ny fanafihana ny sehatra an-tserasera ampiasain’izy ireo ny vondrom-piarahamonin’ny mpisera Libaney:

Nanoratra ilay bilaogera sady mpanao gazety Lbaney Hanibaael tao amin’ny lahatsorany mitondra ny lohateny hoe “So you won't be next!! Move!“ [ Tsy te ho lasibatra manaraka ianao !! Mietseha ary]:

لن يستطيع حكم الديناصورات قمع الحريات العامة، ولن تستطيع أية جهة إن كانت سياسيّة أم امنيّة من منع أي كان من التعبير عن رأيه بما يشاء. وكي لا يتحوّل لبنان إلى سجن عربي جديد، ستستمر الاحتجاجات ضد القمع. هذه اولى الخطوات.. وتحركاتنا ستتصاعد طالما الحريات تنتهك!
Tsy mahavita manafoana ny fahalalahan’ny vahoaka ny lalànan’ny dinôzaoro. Ary tsy misy fahefana politika na fahefam-piarovana afaka misakana ny olona tsy haneho ny heviny araka izay tiany. Ary hitohy ny fihetsiketsehana manohitra ny famoretana mba tsy hahatonga an’i Libanona ho lasa fonja Arabo. Ity no dingana voalohany- ary hitombo hatrany ny hetsika ataonay raha mbola voahitsakitsaka ny fahalalahana.
Naneho hevitra tamin’ny fisamborana ary nanoratra ilay bilaogera Libaney Tony hoe :
وأخيراً، بغضّ النظر عن كل النقاشات الفرعية حول هذه المسألة، يجب على كل الناشطين الحقوقيين والسياسيين والمدنيين أن يدركوا أهمية الرفض التام لإخضاع الفضاء الالكتروني لأي نوع من أنواع الرقابة والملاحقة فيما يتعلّق بحرية التعبير. الفضاء الالكتروني هو مساحة خاصة، عالمية وحرّة غير خاضعة لسلطات الدول ولا لأهواء الديناصورات الآتية من القرون الماضية، وهو أيضاً أحد أفعل الأدوات اليوم في بناء الوعي الثقافي والاجتماعي والسياسي للمواطنين، لذلك يجب الحفاظ عليه خالٍ من حكم الديناصورات.
Farany, na dia teo aza ny adihevitra madinika izay mety nisy amin'ity lohahevitra ity dia tokony ho fantatry ny mpikatroka mpiaro ny zon’olombelona, ny zo ara-politika sy ny zo sivily ny maha-zava-dehibe ny fandavana ny sehatry ny serasera tsy ho eo ambanin’ny sivana na fanenjehana ara-pitsarana rehefa miresaka fahalalahana maneho hevitra. Toerana manokana, manerantany sy malalaka ny sehatry ny serasera ary tsy eo ambanin’ny manampahefana ao amin’ny firenena na ireo dinôzôro avy any amin’ny taonjato lasa. Ankoatra izany, iray amin’ireo fitaovana tsara indrindra ankehitriny ihany koa izy mba hananganana ny tsikalakalam-pieritreretana ara-kolontsaina, ara-tsosialy ary ara-politikan’ireo olom-pirenena. Noho izany dia tokony ho harovana manoloana lalànan’ireo dinôzaoro izy.

Nanoratra taratasy ho an’ny Filoha ilay bilaogera Libaney Finkployd, mba hanontany azy mikasika ireo olana hafa misy ao amin’ny firenena :

Monsieur le Président,
Il est malheureux, sous plusieurs aspect, que plus de trois personnes aient été arrêtées pour vous avoir insulté sur Facebook.

Et que le Ministre de la justice M. Ibrahim Najjar ait justifié et encouragé ces arrestations.

Et que la réaction des médias ait été tiède.

Et que vous ne soyez pas intervenu pour redresser les torts commis.

C'est ce qui a eu lieu, alors que :

- les feux de forets font rage
– l'ensevelissement sous les ordures de Saida augmente
– les avions israéliens continuent de bourdonner
– les espions israéliens se déchainent
– les victimes de la circulation augmentent
[…]

Andriamatoa Filoha,
Mampalahelo, amin’ny sehatra maro, fa olona maherin’ny telo no voasambotra noho ny faniratsirany anao tao amin’ny Facebook.
Ary manamarina sy mandrisika ireo fisamborana ireo ihany koa ny Minisitry ny fitsarana Atoa. Ibrahim Najjar.
Ary toa mangatsiatsiaka ny fanehoankevitr’ireo fampahalalam-baovao.
Ary tsy niditra an-tsehatra ianao mba hanitsy ny hadisoana natao.
Toy izany no nitranga raha :
– Mirongatra ny doro tanety
– Mitombo ny fisavovonan'ny fako ao Saida
– Mbola mitohy ny firaondraonan’ny fiaramanidina Israeliana
– Tsy voafehy ireo mpitsikilo Israeliana
– Mitombo ireo iharan’ny lozam-pifamoivoizana
[…]

Samihafa avokoa ireo fanehoan-kevitra tamin’ity taratasy ity. Namadika ilay taratasy ho fanangonan-tsonia an-tserasera ho an’ny vondrom-piarahamonina amin’ny Aterineto ny iray tamin’ireo mpamaky ary ny iray hafa kosa nilaza fotsiny hoe :

Vous ne pouvez pas insulter les gens impunément.

Tsy azonao atao ny manompa olona tsy misy fanasaziana.

Nanontany tena ilay bilaogera Mustapha izay nanoratra tao amin’ny bilaogy Beirut Spring raha tonga tany amin’ny Filoha ilay taratasy kanefa nahomby ny ‘’fanevatevana’’ tao amin’ny Facebook. Hoy izy hoe :

[…] qu'est-ce qui vous pousse à penser que les mêmes courtisans vont transmettre vos lettres au Président ?

[…] Inona no mahatonga anao hieritreritra fa handefa ny taratasinao any amin’ny Filoha ireo mpisolelaka ireo?

Nahatalanjona ny rehetra ny mpitantana ny pejy Facebook-n’ny Filoha Libaney, namoaka ny hafatra momba ny zava-nitranga, nilaza hoe : ‘’ Misy fahasamihafana lehibe eo amin’ny fahalalam-pitenenana sy ny fahalalahana manivaiva ny Filoha’’ :

والاخطر هو التضليل الإعلامي الذي تقوم به محطة تلفزيونية وبعض النواب، عندما يظهرون صور صفحة فيسبوك أخرى، ويدعون أنهم أولاد، بينما أنهم راشدون واحدهم له سابق إجرامي، ويقولون أنهم قاموا فقط بإعطاء نصائح للرئيس. هل هي نصيحة عندما تقول عن أي شخص (وبالأخص إن كان رئيس بلدنا العزيز، هو المعروف بالتسامح ورحب صدره وطيبته، وعدم الرد على مهاجميه) “بتسوى اجري” و “يا واطي” و “يا عنصري” ويا حية” ؟؟؟
Ankoatra izay, ny famoahana ny vaovao mamitaka amin’ny alalan’ny Fahitalavitra sy amin’ireo mpikambana ao amin’ny Parlemanta no tena mampidi-doza indrindra, izay naneho ny sarin’ireo vondrona hafa tao amin’ny Facebook, nilaza fa tanora izy ireo kanefa olon-dehibe izy ireo ary manana dosie maloto any amin’ny fitsarana ny iray tamin’izy ireo. Nilaza izy ireo fa manome toro-hevitra ho an’ny Filoha fotsiny. Moa ve manome toro-hevitra ny filazana ny olona iray (indrindra raha izy no Filoham-pirenena Malala ao amin’ny firenena, fantatra amin’ny fandeferany, ny hatsaram-panahiny ary tsy mihetsika amin’ny famelezana azy) hoe ‘’Tsy misy ilàna anao’’, ‘’olona ambany ianao’’ ‘’mpanavakavaka ianao’’ ary ‘toy ny bibilava ianao’’ ?

Navoaka ireo lehilahy telo ireo, ary namoaka lahatsoratra tamin’ny antsipiriany momba ilay raharaha ny bilaogera Assaad. Mihevitra ny fanafahana azy ireo ho fandresena ho an’ny vondrona sivily izy:

تمّ إخلاء سبيل الشباب الثلاثة على أن يمثلوا أمام محكمة في الأيام القادمة. إعتبر المجتمع المدني أنّه قد نجح في صد النظام المخابراتي من التوغل في العمق الإلكتروني وكم مفاتيح الكومبيوتر الناطقة بآراء الشباب.
Noafahana ireo tovolahy telo ary naseho teo anoloan’ny mpitsara ny andro manaraka. Nihevitra ireo fiarahamonim-pirenena fa io fanafahana io dia fandresena manoloana ny rafitry ny tsiambaratelon’ny polisy, izay miezaka manao famoretana ny sehatry ny Aterineto mba hanakanana ny tanora tsy haneho ny heviny.
Mety ho fandresena vonjimaika ihany izany ho an’ireo mpisera aterineto Libaney. Moa ve nefa haharitra izany? Moa ve i Libanona hahita ny famoretana mihamatanjaka amin’ny famoahan-kevitra antserasera ?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.