Shina: Hanadio ny aterineto?

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2009)

Araka ny filazan'ny Beijing News sy Mingpao androany, manomana hanadio ny aterineto manontolo noho ny filazana fa fielezan'ny pôrnôgrafia amin'ny fitaovana finday ny Ministeran'ny Indostria sy ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao (MIIT).

Nilaza momba ny fivoriana vao haingana tao amin'ny MIIT ny Beijing News, namintina sy nanazava ny politika anatin'ny fepetra 5 (amin'ny dikanteny Danwei):

1. Set up a blacklist to prevent the owners of domain names found to be in violation from applying for additional domain names.

2. Tighten registration procedures to ensure that all application documents are accurate. Transfer of a domain name

3. Unregistered domain names will not be resolved:

Domestic websites are usually registered with MIIT, but because some of them were in existence before the establishment of the registration system, some websites have not registered. Many foreign domain names have not registered with MIIT. Domain-name resolution may be blocked for these websites, so access from China will be endangered. (Note: DNS hijacking of unregistered websites)

4. Suspension of DNS service to violating websites and to any other domain names in the possession of the same domain name holder.

5. Overhaul of registrars: CNNIC has already taken action against three service providers: Zhengzhou Dahuang Network Development Company, Beijing Xinnet Digital Information Technology Company, and Beijing Blinux Network Technology Company.

1. Mametraka lisitra mainty mba hanakanana ny tompon'ireo anaran-tsehatra hita fa mandika lalàna mba tsy hahazo anaran-tsehatra fanampiny.

2. Manamafy ny dingana fisoratana anarana mba hiantohana fa marina ny antontan-taratasy fangatahana rehetra. Famindrana anaran-tsehatra

3. Tsy ho voavaha ny anaran-tsehara tsy voasoratra anarana:

Matetika voasoratra anarana amin'ny MIIT ireo tranonkala eo an-toerana, saingy efa nisy talohan'ny fametrahana ny rafitra fisoratana anarana ny sasany tamin'izy ireo, ary tsy nisoratra anarana ny sasany tamin'ireo tranonkala. Maro ireo anaran-tsehatra vahiny tsy voasoratra anarana amin'ny MIIT. Mety voasakana ny famahàna anaran-tsehatra amin'ireny tranonkala ireny, ka mety hidiran-doza ny fidirana avy any Shina. (Fanamarihana: Fijirihana DNS amin'ireo tranonkala tsy voasoratra anarana)

4. Fampiatoana ny tolotra DNS ho an'ireo tranonkala mandika lalàna sy ho an'ireo anaran-tsehatra hafa manana anaran-tsehatra mitovy.

5. Fametrahana ny birao fisoratana anarana: efa nandray fepetra tamin'ireo mpanome tolotra telo ny CNNIC: Zhengzhou Dahuang Network Development Company, Beijing Xinnet Digital Information Technology Company, ary ny Beijing Blinux Network Technology Company.

Taloha, dia nikendry ireo tranonkala ampiantranoina ao amin'ny lohamilina eo an-toerana, toy ny tranonkala any ampitan-dranomasina ny rafitra fisoratana anarana tranonkala, nosakanan'ny Great Fire Wall (GFW – fanivanana aterineto) teo ambany rafitra fanivanana na fanivanana voambolana manandanja ireo tranonkala ara-politika saro-pady. Na dia izany aza, mbola afaka miditra amin'izany ireo mpiserasera amin'ny alalan'ny proxy na TOR. Raha hanadio ny aterineto manontolo ny MIIT, dia hamadika ny aterineto Shinoa ho anaty intraneto ary hanimba ny ankamaroan'ny fitaovana fandinganana izany.

Na dia izany aza, tsy mbola mazava tsara raha hiitatra any amin'ny tranonkala vahiny ny rafitra fisoratana anarana. Araka ny antontan-taratasy ofisialin'ny MIIT momba ny hetsika iadiana amin'ny fiparitahan'ny pôrnôgrafia amin'ny fitaovana finday, ny dingana voalohany (Nov-Des 2009) tamin'ny hetsika fanadiovana dia nanomboka tamin'ny fandraràna ny fisoratana anaran'ny tsirairay amin'ny anaran-tsehatra CN. Ny dingana faharoa, izay tafiditra ao anatin'izany ny voalazan'ny Beijing News (fanamafisana ny fisoratana anarana tsy misy filazalazana manokana ho an'ny tranonkala any ivelany), dia hatao eo anelanelan'ny Jan-Sep 2010. Ny dingana farany dia eo anelanelan'ny Oktobra sy Desambra 2010. Ahitana fanarahamaso feno sy fandalinana ny angon-drakitra sy ny loharanom-baovao an-tserasera ireo fepetra mba hamantarana ireo hetsika tsy ara-dalàna sy tsy mahazo fankatoavana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.