- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ireo Syriana mialokaloka ao Libanona miatrika tafiotran-dranomandry mahery vaika sy fepetra tsy manaja ny mahaolona any an-toby

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Libanona, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Voina, Zon'olombelona

Ny toby Arsal ao Libanona novelesin'ny ranomandry nandritra ny tafiotra “Norma”, 6 Janoary 2019. Sary nifampizarana fatratra ao amin'ny media sosialy, nahazoana alalana ho ampiasaina indray.

Miatrika tondradrano sy hatsiaka mamanala anatin'ny andian-tadio antsoina hoe “Norma” izay nandona tamin'ny 6 janoary 2019 ny Syriana mialokaloka ao Libanona. Nitondra orana nikija nandritra ny dimy andro izany tany amoron-dranomasin'i Libanona ary ranomandry tany an-tendrombohitra Libanona sy tany amin'ny lemak'i Bekaa. Niteraka fahasimbana goavana tao Libanona ny tadio, nahatondraka ireo lalambe [1] ary nanakatona sekoly nandritra ny roa andro tany amin'ny faritra sasany tao amin'ny firenena.

Tsy maintsy miaritra ny tadio tao anaty toby tsizarizary ny Syriana mpialokaloka, noho ny tsy famelan'ny [2] manampahefana Libaney ny fananganana rafitrano maharitra. Araka ny tatitra nataon'ny Sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny Mpialokaloka (UNHCR) [3] nivoaka tamin'ny 9 Janoary, “mpifindramonina miisa 70.000 monina amin'ny fanorenana vonjimaika miisa 850 no mety ho tratran'ny tondradrano, orampanala matevina na hatsiaka faratampony”.

Lahatsoratra [4] iray hafa an'ny UNHCR no nanondro fa mpifindramonina mihoatra ny 11.300 no tratra: tondraky ny rano tanteraka ny toby any Dalhamiya any amin'ny Lemak'i Bekaa.

Mpialokaloka iray antsoina hoe Juriya Ramadan nilaza tamin'ny UNHCR hoe:

People are sick. Everywhere there is water. We cannot sleep at night. It has been three days like this. All night we sit and watch the kids and we cannot do anything for them. Their situation is very bad.

Marary ny olona. Feno rano na aiza na aiza. Tsy afa-matory izahay amin'ny alina. Efa toy izany telo andro izay. Mipetraka izahay amin'ny alina, manaramaso ny ankizy nefa tsy afa-manao na inona na inona ho azy ireo. Tena ratsy ny toe-draharaha.

Mpialokaloka iray enimpolo taona antsoina hoe Amina al Darak niteny hoe:

We’ve never experienced such a situation before. The mattresses and the duvets got wet. We didn’t sleep all night. I had to put blankets on wooden boards and lie there. I can’t even make myself a cup of tea because of the flooding.

Tsy mbola niaina zavatra toy izao mihitsy izahay. Kotsa ny kidoro sy ny lambam-pandriana. Tsy matory amin'ny alina. tsy maintsy nametraka bodofotsy maromaro tamin'ny takelakazo aho dia nitsilailay teo. Tsy afa-nikarakara na dia tasin-dite iray monja aza aho noho ny tondradrano.

Araka ny Associated Press [5], dibo-drano nandritra ny tafiotra ny fitobian'ny mpialokaloka tao Bar Elias tao amin'ny lemak'i Bekaa, manakaiky an'i Litani, renirano lava indrindra ao Libanona. Ao no fitobian'ny mpialokaloka miisa 420, ka ankizy ny 100 amin'izany.

Notaterin'ny AP ihany koa fa zazavavy Syriana iray no namoy ny ainy dobo nandritra ny fiakaran'ny renirano tao avaratr'i Libanona.

Ankoatra izany, nilaza ny Vokovoko Mena Libaney [6] fa olona 200 no noterena hafindra toerana avy ao amin'ny tobin-dry zareo ao avaratr'i Libanona mifanolo-tsisintany amin'i Syria rehefa nihoatra ny morony ny renirano ao an-toerana.

Tratran'ny orampanala matevina ny tobin'i Arsal any amin'ny tangoron-tendrombohitra Anti-Libanona ka nisy ny fahasimbàna vokatr'izany, ary nifampizarana betsaka tao amin'ny media sosialy ny lahatsarin'ny toby :

Mitaraina amin'ny fepetra mahafadiranovana mihatra amin'ny fiainandry zareo ny mpikatroka Syriana sy mpisera Twitter sasany, sady toy ny akotry an-daona voavely fanoto ihany ry zareo. Raha lazaina amin'ny teny hafa dia hoe voatery anelanelan'ny fiainana mahafadiranovana ao Libanona sy ny fahasahisahiam-poana ara-pilaminana ao Syria voafehin'i Assad raha miverina any ry zareo.

Fantatrareo ve hoe maninona no mbola eto hatrany ny olona ?
Ny valiny dia hoe satria mbola eo amin'ny toerany hatrany i Assad.

Tapitra ny fangirifiriany rehetra lasa i Assad.

Mitsikera ny tsi-firaharahian'ny manampahefana ao Bekaa ny Syriana mpifindramonina sasantsasany. Nilaza tamin'i Al Jazeera [2] ohatra i Hussam Mansour fa efa imbetsaka izy no niantso ny fiadidiana ny tanànan'i Ghazze ao Bekaa mba hampakarana ny haavon'ny toerana ametrahana ny tranolay, fa tsy nisy niraharaha.

Mbola hiatrika tafiotra vaovao manana hery mihoatra ny 100km/ora sy haavon'onja mihoatra ny 5 metatra ny Syriana mpialokaloka. Hahatratra ny faratampony ilay tafiotra nomena anarana hoe Miriam amin'ny talata 15 janoary.

Nanambara ny UNCHR [10] fa efa nofenoina hitsinjovana ny fisian'ny toetrandro ratsy ny tahiry hanaovana vonjy taitra sy fanadiovana.

Na dia eo aza ny fahasahiranana zakain'ny Syriana mpialokaloka manerana ny firenena, Nilaza ny filoha Libaney Joseph Aoun [11] fa “mavesatra eo amin'ny toekarena, fiarahamonina ary filaminan'i Libanona ny krizin'ny mpialokaloka” ary tokony hiverina any Syria ny mpialokaloka mba ahafahany miaina “ao anatin'ny fahamendrehana”.

Mifanaraka indrindra amin'ny fomba fiteny mankahala mpialokaloka [12] ataon'ny antokony, Ny Hetsika Mandatehezana Tia Tanindrazana (FPM) nandritra ny taona maro izany, ary indrindra ny fanaon'ny vinantolahiny sady minisitry ny raharaham-bahiny, Gebran Bassil, izay mpitarika ny FPM ihany koa.

Vakio: Nahoana no matahotra hiverina any Syria fehezin'i Assad ny Syriana mpialokaloka [13]

Teren'i Aoun, mpiara-dia amin'ny vondrona milisy Hezbollah pro-Assad, ny firaisamonina iraisampirenena hamerina hody ny Syriana mpialokaloka [14] any amin'ny lazaina ho ‘faritra tsara aro’ ao Syria. Melohin'ny minisitra sasany ao amin'ny governemanta Libaney izany tosika izany ka nolazainy fa [15] mpialokaloka am-polony nody an-tanindrazana no maty nisy namono.

Efa ela, indrindra tao anatin'ny roa taona, no nanalokaloka ambonin'ireo faribolana anti-Assad ny tantaran'ireo mpialokaloka miatrika fanagadrana, tsy maintsy idirana hanao miaramila na miatrika fahafatesana.

Wessal al Mustafa, mpialokaloka iray ao Libanona no niteny tamin'ny Aljazeera [2] fa “tsy misy na inona na inona tokony iverenana any”.

Mpialokaloka iray hafa, Sleiman Ahmad, 25 taona, no nilaza tamin'ny Independent fa: [6] “Raha miverina any aho dia na misoratra anarana ho miaramila na samborina, [..] Manan-janaka vavikely aho. Inona no hitranga aminy?”