- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Misalasala hankato na tsia ny maha-filohan'i Venezoelà an'i Guaidó ireo firenena ao Karaiba

Sokajy: Amerika Latina, Karaiba, Goiana, Trinite sy Tobago, Venezoela, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana
[1]

Sarintanin'i Amerika Afovoany sy Karaiba, Sehatra ho an'ny daholobe tao amin'ny Wikimedia Commons.

Ny 10 Janoary 2019, andro nametrahana amin'ny toerana maha-filohan'i Venezoelà an'i Nicolas Maduro hitondra anaty fepotoana faharoa indray, nandray fanapahankevitra iray ny Filankevitra maharitry ny Fikambanan'ireo Firenena ao Amerika [2] (OEA), nandritra ny fivoriana iray natao tao Pero, nanambaràny ny tsy maha-ara-dalàna ny fahalanian'i Maduro no sady nitakiany ny hanasaziana azy.

Mampizarazara ireo firenena karaibiàna mampiasa sy miteny anglisy mikambana ao anatin'ny OEA ilay fifidianana, ny OEA izay ahitàna fanjakàna dimy manaiky (Bahamas, Jamaïka, Sainte-Lucie, Goiana ary Haïti) ; telo mitsipaka (Saint Vincent-et-Grenadines, Dominique ary Suriname) ; ary dimy tsy milaza ny heviny  (St Kitts-et-Nevis, Trinité-sy-Tobago, Antigua-sy-Barbuda, Barbade sy Belize).

Betsaka tamin'ireny firenena ireny anefa no nandefa solontena nanatrika ny fanandratana an'i Maduro ho filoha. Nisolo tena an'i St-Kitts-et-Nevis ny praiministrany, ary Trinité-et-Tobago, Antigua-sy-Barbuda ary i Suriname samy nandefa ministra manana ny maha-izy azy avy.

Ny tsy fitsabahana amin'ny raharahan'ireo Fanjakàna manana ny fiandrianany dia fotokevitra iray manandanja ao anatin'ny fifanarahan'i Chaguaramas, lahatsoratra fototra iorenan'ny Vondrom-piarahamonina Karaibiàna [3] (CARICOM), fomba fijery naverin'ireo firenena 15 mpikambana ao anatin'ny CARICOM nohamafisina indray [4] tamin'ny Martsa 2018, narahan'ny fandàvana izay hevitra rehetra mety hitsabatsabahan'ny vahiny amin'ireo raharaha ao Venezoelà, nandritra ny fivoriana antenantenam-potoana tao Haïti.

Saingy vantany vao nisora-tena ho filoha vonjimaika [5] ao Venezoelà ilay mpitarika ny mpanohitra, Juan Guaidó, omaly, nankatoavin'i Etazonia, ny Fanjakàna Mitambatra, Kanadà ary ny ankamaroan'ireo firenena ao Amerika Latina, dia tsy maintsy misafidy izay hisy azy ireo Fanjakana ireo.

Sisintany sy helodrano tery

Tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity, firenena roa ihany ao Karaiba amin'ireo miteny sy mampiasa ny teny anglisy no nandefa fanambaràna momba io resaka io, ary raha ny hita dia ireo izay mahita tombontsoa ao anatin'izany: i Goiana, ary i Trinité-sy-Tobago.

Ny 24 Janoary,  ny minisitry ny raharaha ivelany ao Goiana, iray amin'ireo firenena roa mpikambana ao amin'ny CARICOM ary ao anatin'ny kaontinanta amerika atsimo, dia nandefa fanambaràna iray feno fitandremana [6] tao amin'ny Facebooktokony ho tamin'ny mitataovovonana (UTC-4), nilazàny hoe ny governemanta ao Goiana dia :

“…gravely concerned at the deepening of the political crisis in the Bolivarian Republic of Venezuela and supports calls made at both the regional and international levels for immediate dialogue involving all political and social actors, with a view to the preservation of the democratic process and a return to normalcy.”

“…tena velom-panahiana tanteraka momba ny halalin'ny olana ao amin'ilay Repoblika Bolivariàna ao Venezoelà, ary manohana ireo antso nalefa tao amin'ny faritra sy teo amin'ny sehatra iraisampirenena mba hisian'ny fifanakalozana hevitra mivantana ifanaovan'ireo mpisehatra politika sy sôsialy, mba hiarovana ny dingana demaokratika sy hiverenana amin'ny laoniny.”

Manana ny rariny tsara i Goiana hitenenany hoe “velom-panahiana tanteraka”. Mifampizara sisintany amin'i Venezoelà ity firenena ity, izay efa ho an-jato taona no ifandiran [7]‘izy ireo mikasika ny famerana ny faritry ny tsirairay…. : efa ho 40 isanjato amin'ny haben'i Goiana ny ampahana faritany takian'i Venezoelà, ary mbola niakatra indray aza ny adivarotra taorian'ny  nahitàna tahirin-tsolika any amin'ireo morontsirak'i Goiana [8]. Tamin'ny Desambra 2018, nosamborin [9]‘ny tafika an-dranomasina venezoeliàna ny sambo an'ny Exxon-Mobil nanao asa fitsirihana teny amin'ny fari-dranomasin'i Goiana.

Raha nanoratra tao amin'ny Facebook androany (25/01/19), nilaza io fanapahankevitra io [10] ho toy ny “valinkafatra mendrika tsara sy mavesatra” i Orin Gordon, tamin'ny fanampiana hoe :

The Rowley govt is getting heat from some quarters in [Trinidad and Tobago] for not recognising Guaido as president (interim or not), but Guyana is also stopping short of that explosive move. There's way too much machismo and bellicosity around this issue. Many of the countries giving implied support to regime change don't share a border (or narrow straits) with a country that could unravel socially, even more than it has recently.

Rangitin'ny sasany [ao Trinité-sy-Tobago] ny governemantan'i Rowley noho izy tsy nankato ny maha-filoha an'i Guaido (na vonjimaika na tsia), saingy niato talohan'io fanapahankevitra mitera-doza io i Goiana. Feno fanambaniana loatra sy fitiavana mila ady ao anatin'ity raharaha ity. Marobe amin'ireo firenena naneho ankolaka ny fanohanany ny fiovàm-pitantanana no tsy miray sisintany (na helodrano tery) aminà firenena iray izay mety higoragora ny fiarahamonina ao aminy, mihoatra lavitra noho izay efa nisy tao tsy ela akory izay.

Ilay “helodrano tery” resahan'i Gordon, dia ireo ranomasina mirefy 11 kim manasaraka ny nosy Trinité amin'ny morontsiraka venezoeliàna. Manana fifamatorana lalina ara-tantara ny firenena roa tonta, ary ry zareo Venezoeliàna dia mivezivezy avy ao amin'ny fireneny mankany Trinité, efa ho taompolo marobe.

Ny alok'i Venezoelà tazana avy eo amin'ny Macqueripe Bay, morontsiraka avaratra ao Trinité. Sary: Georgia Popplewell. (CC BY SA)

Tsy afa-bela amin'ny Mpiandry Sisintany malaza venezoeliàna  noho ny resaka fanitsakitsahana ny fari-dranomasina ireo trinidadiàna mpanjono, ary nanomboka tamin'ny folo taona lasa, tsy mitsahatra mitombo ny fitobak’ [11]ireo Venezoeliàna raisin'i Trinité, mandositra ny fiharatsian'ny toekarena sy politika ao amin'ny firenen'izy ireo, izay marobe amin-dry zareo no tonga an-tsokosoko [12], ary ho an'ny sasany, mangataka amin'ny fomba ofisialy mba hialokaloka ao [13]. Ny tombana ofisialy momba ny isan'ireo Venezoeliàna monina ao Trinité dia manodidina ny 60.000, manome maherin'ny 4 isanjaton'ny mponina.

Manana fifamatorana akaiky ara-toekarena ihany koa ireo firenena roa tonta ireo. Tamin'ny Aogositra 2018, ny praiminisitra [trinidadiàna] Keith Rowley dia nanasonia fifanarahana iray [14] hamatsiana entona natoraly avy any Venezoelà, ary ireo mpanakiana kosa mahita hoe ny fisalasalàn'i Trinité-sy-Tobago hanondro ireo Venezoeilàna miditra ao amin'ny firenena ho toy ny mpialokaloka dia toy ny fandambolamboana an'i Maduro.

Nandritra ilay antsafa ho an'ny mpanao gazety tamin'ny 23 Janoary, nanambara i Stuart Young, minisitra trinidadiàna misahana ny fiaraovam-pirenena, hoe efa nivonona hanome ny fanomezan-tànana na ny fanelanelanany amin'ny raharaha venezoeliàna i Trinité-sy-Tobago, saingy sady tsy manohana no tsy manameloka an'i Guaidó. Araka [15] ny voalazan'ilay gazety mpiseho isanandro  ao an-toerana, Newsday, “nanitrikitrika i Young fa ny politika ivelan'ny firenena dia mijanona hatrany ho tsy mitsabaka amin'ny raharahan'ireo firenena manana ny fiandrianany.”

Notaterin'ireo gazety ao amin'ny nosy fa  misy vondrona venezoeliàna monina ao Trinité nifamory, omaly, teo anoloan'ny masoivoho venezoeliàna ao amin'ny Seranan'i Espaina (Port of Spain) mba haneho ny fanohanan-dry zareo an'i Guaidó.

“Ny Sasany amintsika izay mifanerasera…”

Firenena maro hafa ao amin'ny faritra Karaiba miteny sy mampiasa ny teny anglisy no misitraka ny fifandraisana akaiky sy tsara iarahany amin'i Venezoelà. Na eo aza ny hirifiriny manokana, nalala-tànana ity firenena iray ao amerika atsimo ity tamin'ny fitondrana fanampiana ho an'ireo tratry ny rivodoza [16], ary marobe ireo firenena tao Karaiba nisitraka  fifanarahana ara-tsolika tamin'ny vidiny mirary avy amin'ny PetroCaribe, [17] ilay fifanarahana angovo najoron'ny filoha venezoeliàna efa nodimandry Hugo Chavéz.

Araka izay nomarihan'i [18] Orin Gordon omaly hoe :

The tide would seem to be against Maduro. But what you get when you endorse regime change, is civil war. If the regional powers break Venezuela, guess who picks up the pieces? Neighbouring countries, that's who. Maduro is a dictator, in power through a fraudulent election. That does not make this a good move for those of us who rub shoulders [with] that country.

Toa manohitra an'i Maduro ny onja. Saingy izay azonao rehefa manohana fanovàna fitondràna, dia ny ady an-trano. Raha toa hamoritra an'i Venezoelà ireo hery ao amin'ny faritra, alaivo sary ao an-tsaina hoe iza no hizaka ny vokany ? Ireo firenena mpifanolo-bodirindrina. Mpanao jadona i Maduro, tonga teo amin'ny fitondrana noho ny fifidianana feno hosoka. Izany dia mahatonga azy io tsy ho fanapahankevitra tsara ho an'ny sasany amintsika izay mifanerasera amin'io firenena io.