Ambaran'ny Lingua rosiana ny fiasany miaraka amin'ny “It Gets Better” Rosia

Fangon'ny It Gets Better Rosia.

Faly ny Global Voices amin'ny teny rosiana manambara ny fanombohan'ny fiasana miaraka amin'ny tetikasa It Gets Better Rosia. Hetsika iraisampirenena iray sady tetikasam-panohanana ny tanora LGBTQ+ ny It Gets Better; anisan'ny mpandray anjara ao aminy hatramin'ny taona 2010 ry Lady Gaga, Ellen DeGeneres ary ry Barack Obama, ary hatramin'izay dia mihoatra ny 60000 ny lahatsary vita avy amin'ny firenena mihoatra ny 20 mandray anjara.

Ao Rosia, efa niasa hatramin'ny taona 2017 ny fiasana miaraka amin'ny It Gets Better amin'ny fomba ofisialy. Ataon'ireo ekipa mpirotsaka ao Rosia ny famokarana lahatsary ôrizinaly ahitana ny tantaran'ny mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina  LGBTQ+ izay mba nihatsara kokoa ny tontolony ka manoratra sy mandika teny ireo loharanom-baovao momba ny pelaka, lesbiana, tia lahy sy vavy, nanova fitaovam-pananahana ary ireo “hafahafa”.

Ankehitriny ao anatin'ny fiaraha-miasa amin'ny Lingua Rosiana sy ny It Gets Better Rosia, izay dikan-dahatsoratra rehetra mifandraika amin'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ dia hivoaka indray ao amin'ny pejin'ny IGB ao amin'ny sehatra media sosialy VKontakte. Ankoatra izany, manantena izahay fa hanamora fifanakalozana fizàran-draharaha ara-pandikanteny sy fanoratan-dahatsoratra eo amin'ny tetikasa roa tonta izay fiasana miaraka izao. Araka ny teny fanevan'ny mpiara-miasa amintsika vaovao izao hoe, «It gets better. Gradually, step by step. Day by day. Join us!» [Mihatsara kokoa, tsikelikely, isan-dingana, isan'andro, miaraha aminay!]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.