- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nosivanin'i Pakistan ireo sarin'ny governora – satria mampidi-doza amin'ny famendrehan'ny firenena

Sokajy: Pakistana, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2009)

Namoaka torolàlana ho an'ireo mpamatsy tolotra aterineto ny Pakistan Telecommunication Authority [1] (PTA), sampana mpanaramaso ny aterineto ao Pakistan mba hanakana ireo tranonkala enina noho izy ireo “mampidi-doza ho an'ny fahamendrehan'ny firenena”.

PTA Notification to block the websites.JPG

Ny torolàlana URL Level block avy amin'ny PTA dia setrin'ny fanapahan-kevitra noraisin'ny Komity iraisan'ny minisitera izay manana andraikitra manaramaso sy manakana ireo tranonkala anti-Pakistan, mamoaka fitenenan-dratsy sy sary mamoafady. Ny URL resahana manokana dia ahitana andian-tsarin'Atoa Salman Taseer, governoran'i Punjab. Nivezivezy teny amin'ireo lisitra mailaka marobe manerana an'i Pakistan ireo sary ireo volana vitsy lasa izay, izay maneso ny fetibe manetriketrika nokarakarain'ny governora Taseer tao amin'ny Lapan'ny Governora kanefa matin'ny hanoanana eny an-dàlambe ny vahoakany.

ERROR_ The requested URL could not be retrieved thumb.jpg

Efa noahiahiana fa toa nalaina tamin'ny raki-tsary tamin'ny facebook-n'ny iray tamin'ny fianakavian'i Taseer ireo sary ireo ary azo heverina fa fiainana manokana raha ny endriny, saingy manontany tena tokoa ny olona hoe ahoana no fomba nisafidianan'ny Komity iraisan'ny minisitera hanasokajy azy ireo ho “mampidi-doza ho an'ny fahamendrehan'ny firenena”

Urooj Zia from The News manoratra hoe: [2]

Three of the six webpages on the list issued by the PTA, however, are from dictatorshipwatch.com, a website set up after November 3, 2007, when then-President Gen (Retd) Pervez Musharraf implemented a state of emergency in the country. One webpage is from makepakistanbetter.com, a social and political discussion forum. The fifth page is from friendskorner.com, a general discussion forum, while the sixth webpage is a node from buzzvines.com. Most of the blocked webpages contained articles which claimed to provide information about Punjab Governor Salman Taseer’s “history”; others had pictures of members of Taseer’s family at lavish parties thrown recently at the Punjab Governor House.

None had blasphemous material, or anything which could even remotely be construed as “anti-Pakistan,” unless criticism of one person is considered an act of treason

Ny telo tamin'ireo tranonkala enina tao amin'ny lisitra navoakan'ny PTA, na izany aza, dia avy amin'ny dictatorshipwatch.com, tranonkala natsangana taorian'ny 3 Novambra 2007, rehefa nametraka ny firenena latsaka an-katerena ny Filoha Gen (Retd) Pervez Musharraf. Pejy habaka iray no avy amin'ny tranonkala makepakistanbetter.com, sehatra fifanakalozan-kevitra ara-tsosialy sy ara-politika. Ny pejy fahadimy dia avy amin'ny friendskorner.com, seha-pifanakalozan-kevitra ankapobeny, raha ny tranonkala fahenina kosa dia avy amin'ny buzzvines.com. Ny ankamaroan'ireo tranonkala voasakana dia nahitana lahatsoratra milaza fa manome vaovao momba ny “tantaran'ny governoran'i Punjab, Salman Taseer”; ny hafa indray nahitana ny sarin'ireo mpikambana ao amin'ny fianakavian'i Taseer tamin'ny fetibe manetriketrika nokarakaraina vao haingana tao amin'ny Lapan'ny Governoran'i Punjab.

Tsy nahitana fitenenan-dratsy ireo na zavatra mety heverina ho “anti-Pakistan”, raha tsy hoe raisina toy ny fihetsika famitahana ny fanakianana olona iray.

Teeth Maestro nanoratra tao amin'ny bilaoginy: [3]

Though I still choose not to share those pictures [4] myself but some common sense needs to be knocked into PTA and our Governor that its nearly impossible to totally block / censor content on the Internet as even now a simple Google search will list a dozen more websites which are also sharing the same images

Na dia mbola misafidy ny tsy hizara ireo sary ireo aza aho manokana, [4]dia misy ny fahatsapana fa mila fohazina ny PTA sy ny Governorantsika fa tsy ho vita mihitsy ny fanakanana/fanivanana tanteraka voatoaty amin'ny aterineto satria na dia fikarohana tsotra ao amin'ny Google aza dia hahitana tranonkala am-polony hafa izay mizara izany sary izany ihany koa.

Ireto manaraka ireto ny URL enina (6) izay heverina fa voasakana ao Pakistana

  1. http://www.dictatorshipwatch.com/2008/11/08/governer-punjab-salman-taseer-%E2%80%93%-history.html [5]
  2. http://www.dictatorshipwatch.com/2008/11/06/leaders-of-a-nation-half-of-which-sleep-hungry.html [6]
  3. http://www. dictatorshipwatch.com/taseer/taseer.swf [7]
  4. http://www.makepakistanbetter.com/why_how_what_forum.asp?GroupID=5&Group_title=Pakistan%ArticalID=4297 [8]
  5. http://www.friendskorner.com/forum/f137/governer-punjab-salman-taseer-his-family-77872/ [9]
  6. http://www.buzzvines.com/node/3347 [10]