Shina: Mpiserasera voasambotra noho ny tantara fanolanana tao Fujian

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jolay 2009)

Omaly (16 Jolay) vao maraina, nandefa hafatra antserasera tao amin'ny twitter hoe: “nosamborin'ny polisin'i Mawei aho, SOS” ilay mpisera twitter amoiist. Ary ny hafatra faharoa dia: “ampio aho azafady, azoko ny telefônina nandritra ny torimason'ny polisy“. Nanomboka teo dia tsy nisy intsony ny vaovao farany tao amin'ny twitter-ny.

Ny fisamborana azy dia heverina fa misy ifandraisany amin'ny tantara ratsy momba ny fanolanana nataonà andian-jiolahy izay ezahin'ny manampahefana ao Fujian hafenina. Noresahana voalohany tao amin'ny forum Kaidi tamin'ny faran'ny volana jona ity tantara ratsy ara-piraisana ara-nofo, mitondra ny lohateny hoe “Yan Xiaoling (嚴曉 ¬) mampalahelo kokoa noho i Deng Yujiao (鄧玉嬌)” ity, ary naparitaka tamin'ny  forum lehibe antserasera maro. Mitantara an'i Yan Xiaoling, 25 taona, izay niharan'ny fanolanana faobe sy novonoin'ny fikambanan-jiolahy miafina eo an-toerana, tompon'ny KTV, tamin'ny volana febroary tamin'ity taona (2009) ity izany. Nilaza ihany koa ilay lahatsoratra fa nifandray tamin'ny manampahefana ao an-toerana ao amin'ny faritanin'i Minxin ny tompon'ny KTV.

Satria nisarika ny sain'ireo mpiondana aterineto an-tapitrisany ny lahatsoratra dia nanao fanambarana ampahibemaso ny manampahefana eo an-toerana, manazava fa maty noho ny dòna niteraka fahaverezan-drà vokatry ny fandehanan-drà noho ny vohoka ivelan'ny tranon-jaza i Yan.

Na izany aza, nilaza ny reniny fa niteny taminy ny mpiasan'ny hopitaly fa mety ho voaolan'olona dimy farafahakeliny ny zanany vavy. Rehefa nentina tany amin'ny toeram-pitsaboana ny vatany, dia tsy tao intsony ny atin'akanjony ary rovitra sy rotidrotika ny tranon-jazany.

Ny 24 Jona, nampiantso valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ny polisy ao Fuzhou ary nilaza fa tsaho ny vaovao rehetra momba an'i Yan. Ankoatra an'i Amoiist, mpiserasera 6 hafa no nosamborina noho ny famoahany ilay vaovao. Nilaza ny polisy tao an-tanànan'i Fuzhou fa ahiahiana noho ny “fanalam-baraka” izy ireo saingy mbola fantarina kosa hoe iza no nalain'izy ireo baraka.

Tamin'ny 15 jolay, niezaka ireo mpisolovava telo misahana ny zon'olombelona, Lin Zhong (林忠), Lin Hungnan (林洪פּינג) ary Liu Xiaoyuan (劉曉 原) hitsidika ny telo tamin'ireo mpiserasera nosamborina Fan Yinqiong, You Jingyou tao amin'ny paositry ny polisy tao Mawei saingy nolavina. Novaina ho voarohirohy amin'ny “famoahana ny tsiambaratelom-panjakana” ny fiampangàna ” ahiahy fanalam-baraka”.

amoiist

Ny tena anaran'i Amoiist dia Guo Baofeng na Peter Guo (郭宝峰), mpandika teny matihanina monina any Xiamen, faritanin'i Fujian. Ny bilaoginy mahazatra dia amoiist.com. Vao haingana izy no nampakatra ny resadresaka nifanaovana tamin'ny renin'i Yan Xiaoling izay nanazava fa eo ambany fandrahonan'ny fikambanan-jiolahy eo an-toerana ny zanany vavy ary miezaka manafina izany ny manampahefana ao an-toerana:

Ny alina lasa teo, nanontany ny mpiandraikitra an'i Guo ny polisin'i Mawei ary nilaza fa voaheloka higadra i Guo. Mpanao gazety maro no niantso ny biraon'ny polisy mba hanamarina ireo tranga 6 momba ny fisamborana saingy namaly ny polisy hoe: tsy manana zo hanamarina ity tranga ity ny mpanangom-baovao! Nanohy namoaka ny vaovao tamin'ny twitter ny naman'i Guo: @amoiist sy #amoiist.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.