- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Fanorisorenana ara-politika mihatra amin'ireo bilaogera mitaky ny famotsorana an'i Ilham Tohti

Sokajy: Shina, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jolay 2009)

Nanjavona nandritra ny roa herinandro mahery [1] ilay Profesora Uighur ao amin'ny Oniversite Minzu ao Shina sady mpanorina ny Uighurbiz, IIham Tohti.

Mihoatra ny 374 ireo sonia voaangona mitaky amin'ny governemanta Shinoa mba hamotsotra azy. Niharan'ny fanorisorenana sy nohadihadian'ny polisy ny sasany tamin'ireo olona nanao sonia ilay fanambarana, anisan'izany ilay mpanoratra Tibetana, Woeser [2] sy mpanoratra Miozolomana, Ismael An [3].

Araka ny tatitry ny RFA [4], natombok'i Woeser ny fanentanana fanangonan-tsonia ary nasaina “nisotrosotro dité” niaraka tamin'ny polisy izy ary haraha-maso mafy amin'izao fotoana izao.

Iray amin'ireo mpanasonia ny fanambarana ho famotsorana an'i Iham Tohti i Ismael. Vokatr'izany, dia nandondona tao am-baravarany ny polisy teo an-toerana. Talohan'ny nialany tao an-trano handeha hisotro dite, dia namoaka ny sariny tao amin'ny bilaoginy izy ary nanoratra tamin'ny teny Anglisy momba ny “fanasana hisotrosotro dite” avy amin'ny polisy [5]:

My name is ismael.Hui muslim,Freelance writer,Blogger in china.

It’s a first time to release my picture on the net,maybe last time.

I will be investigated questioned in connection with Xinjiang Muslim by chinese police this afternoon in Jinan.

Xinjiang muslim includes Uighur,Kazak,Hui minority.I belong to Hui muslim.Uighur is my brother and sister in the religious.A long period time Uighurs put up with unfair treatment,and I heared in my hometown and witnessed a number of things through travel.Later I began to write some articles to call for protecting mulims in Xinjiang. Since Uighur riots in Urumqi on July 5,I try to defend those oppressed people on chinese website.So chinese police telephoned my father to stop me.Try to shut me up.My words exposed the lies and let some han chinese be unhappy.

The people who can speak for chinese muslim were in silence,especially Arabian. Hui said to be descendants of the ancient Arabs.I am disappointed very much because Arabian muslims already forgot us.When I defended palestine in chinese website and wrote poems for palestinian fighters,I never thought your silence.In many chinese ‘eyes’,we are terrorists and extremists becaust we want to maintain our own faith and cultural traditions. We wouldn't accept the assimilation.

This is perhaps last words.This is the only blog in English by me.My English is bad.

My friends and brothers were still silence,please.I wish you and your families are happy,healthy.

Bye!

Rahman!

Salamalaikum!

Ismael no anarako. Miozolomana Hui, mpanoratra mahaleo tena, bilaogera ao Shina.

Sambany aho namoaka ny sariko ato anaty aterineto, angamba koa sady farany.

Hohadihadian'ny polisy Shinoa ao Jinan aho androany, hanontaniana momba ny fifandraisana amin'ny Miozolomana ao Xinjiang.

Anisan'ireo miozolomana Xinjiang ny Uighur, Kazak, ny Hui vitsy an'isa. Ao anatin'ny miozolomana Hui aho. Rahalahiko sy anabaviko amin'ny fivavahana ny Uighur. Fotoana naharitra ela no niaretan'ny Uighurs ny fampijaliana, ary nandre sy nanatri-maso tranga maro tamin'ny alalan'ny dia tao an-tanindrazako aho. Taty aoriana aho nanomboka namoaka lahatsoratra mba hitaky ny fiarovana ny miozolomana ao Xinjiang. Hatramin'ny fitroaran'ny Uighur tao Urumqi tamin'ny 5 Jolay, niezaka niaro ireo olona nampijaliana tao amin'ny tranonkala shinoa aho. Ka niantso ny raiko ny polisy shinoa mba hanakana ahy. Miezaka manampim-bava ahy. Nampibaribary ny lainga ny teniko ary nahatonga ireo Shinoa sasany tsy faly.

Tsy miloa-bava ireo olona afaka miteny ho an'ny silamo Shinoa, indrindra fa ny Arabo. Nilaza ny Hui fa taranak'ireo Arabo fahiny. Tena diso fanantenana aho satria efa nanadino antsika ny silamo Arabo. Rehefa niaro an'i palestine tao amin'ny tranonkala shinoa aho ary nanoratra tononkalo ho an'ireo mpiady palestinianina, dia tsy nieritreritra mihitsy ny fahanginanao. Amin'ny fijerin'ny “shinoa” marobe, dia mpampihorohoro sy extremista izahay satria te-hitàna ny finoana sy ny fomban-drazanay ara-kolontsaina manokana. Tsy manaiky ny sarintsariny izahay.

Ity angamba no teny farany. Ity no bilaogiko farany hany amin'ny teny anglisy. Tsy mahay teny anglisy tsara aho.

Mbola mangina ihany ireo namako sy rahalahiko, azafady. Irariako mba ho faly sy salama ianao sy ny fianakavianao

Veloma!

Rahman!

Salamalaikum!

Soa ihany fa tsy nitazona azy ny polisy saingy nampitandremana izy mba tsy hanome fanehoan-kevitra betsaka mikasika ny resaka Xinjiang. Naneho ny fihetseham-pony izy tamin'ny alalan'ny tononkalo sinoa iray, Having tea (misotro dité) [6], tao amin'ny lahatsorany bilaogy farany.