Nahazo fanakianana ny politika Saodiana amin'ny famahanana bilaogy

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2011 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Niatrika fanakianana sy fanaraha-maso efa hatry ny ela i Arabia Saodita noho ny tsy namelany ny haino aman-jery ao amin'ny firenena sy ny vahoaka haneho ny heviny tsy misy tahotra fanenjehana. Azo inoana fa hitombo ankehitriny ny fitsikerana satria nanapa-kevitra hitaky amin'ny bilaogera sy ny tranokalam-baovao mba haka ny fahazoan-dàlana mialoha ny hanombohany ny governemanta .

Araka ny The Economic Times ,

“According to the new conditions by country's Culture and Information Ministry, anyone who wants to open a blog, an online newspaper, or any similar forms of e-publishing must be of Saudi nationality, over 20 years in age, and must have a high school or higher qualification.

The applicant must be with a good record of appropriate behaviour conduct, and should have a license from the Ministry, Al Arabiya said.

All license holders will now have to display their license information on their websites.”

“Araka ny fepetra vaovao avy amin'ny Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny Serasera, izay rehetra maniry ny hanokatra bilaogy, gazety an-tserasera, na endrika mitovy amin'ny famoaham-baovao an-tserasera dia tsy maintsy manana ny zom-pirenena Saodiana, mihoatra ny 20 taona ary tsy maintsy manana dipaloma ambony na mari-pahaizana ambony kokoa.

Tsy maintsy madio ara-pitondran-tena ny mpangataka  ary manana fahazoan-dàlana avy amin'ny Minisitera, hoy Al Arabiya.

Tsy maintsy mampiseho ny momba ny lisansa-ny ao amin'ny vohikalany ny tompon'ny fahazoan-dàlana rehetra. “

Nanao fanangonan-tsonia tamin'ny alàlan'ny Change.org i Eman Al Nafjan, bilaogera Saodiana, nangataka ireo manampahefana Saodiana mba “hampitsahatra ny fanakanana ny fahalalaham-pitenenana an-tserasera”.

Ny Saudi Jeans, angamba ilay bilaogy malaza indrindra mitantara ny fiainana sy ny fotoana ao amin'ny firenena dia nanakiana ny lalàna vaovao ary nilaza fa tsy hisoratra anarana ao amin'ny governemanta izy ireo.

“I have no plan to register my blog with MOCI(Saudi ministry of culture and information), but if you are considering that choice you probably want to know that not anyone can do this as they please.”

“Tsy mana-pikasana hanoratra ny bilaogiko ao amin'ny MOCI ( Minisiteran'ny kolontsaina sy ny serasera Saodiana ) aho, saingy raha mieritreritra izany safidy izany ianao dia inoana tokoa fa te-hahafantatra ianao fa tsy ny olona rehetra akory no afaka manao izany araka izay tiany.”

Looks like the Saudi authorities will hear strong internal criticism about their policy this time, perhaps a signal that things are changing in the country.

Toa handre ny tsikera henjana anatiny momba ny politikany tamin'ity indray mitoraka ity ny manampahefana Saodiana izay mety ho famantarana angamba fa niova ny fandehan-javatra tao amin'ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.