- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Bilaogera iray tao anisan'ny mpitokona tsy nihinan-kanina

Sokajy: Iràna, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny 8 Aogositra 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Iray tamin'ireo gadra politika Iraniana miisa 17 izay nanomboka [1] ny fitokonany tsy nihinan-kanina tamin'ny faran'ny volana Jolay 2010 ho fanoherana ny fepetra henjana iainana any am-ponja, ny fihetsik'ireo manampahefanan'ny fonja, ary ny fandraràna ny fitsidihana i Kouhyar Goodarzi, mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona sady bilaogera.