- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nosivanina tsy araka ny tokony izy ny votoaty LGBT ao Hong Kong

Sokajy: Taiwan (ROC), Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2009)

Nanao fikarohana tao Hong Kong [1] [pdf Shinoa] tamin'ny volana Novambra 2008 tamin'ireo mpanivana ara-barotra sy mpanivana ara-panjakana lehibe ao Hong Kong ny vondrona mpiaro ny LGBT, leslovestudy [2]. Nahita ity fikambanana tsy miankina ity fa voasivana amin'ny ampahany betsaka tao Hong Kong ireo votoaty LGBT marobe, anisan'izany ny vondrom-piarahamonina, ny fahasalamana sy ny tranonkala fianarana, eny fa na dia any amin'ny anjerimanontolo sy ny tranombokim-panjakana aza. Niahiahy ny vondrona fa hiteraka famaizana bebe kokoa eo amin'ny fahalalaham-pitenenana, indrindra eo amin'ireo pelaka sy ny Lesbiana ao Hong Kong ny fanadihadiana nataon'ny governemanta vao haingana momba ny didim-panjakana mifehy ny fanarahamaso ny votoaty vetaveta sy tsy mendrika, [3] miaraka amin'ny volavola hanitarana ny fampiharana ny didim-panjakana any amin'ny aterineto.

Nilaza ny tatitra fa misy karazana fanivanana roa lehibe ao Hong Kong, ny iray dia mifototra amin'ny fanivanana voambolana, ny iray hafa dia mifototra amin'ny lisitra mainty. Ny voalohany dia hanivana ny vaovao akademika sy mahasoa momba ny fanabeazana ara-pananahana sy ara-pahasalamana raha toa ka niharan'ny kianan'ny maro an'isa ilay faharoa, indrindra ho an'ireo vitsy an'isa ara-pananahana (LGBT). Noteren'ny mpamatsy tolotra aterineto eo an-toerana nakatona ny forum lehibe ho an'ny lesbiana, blur-f.com na dia tsy misy na dia sary niboridana iray monja aza ao amin'ny tranonkala.

Mandrisika ny governemanta ny Leslovestudy mba tsy hanatanteraka tolotra fanivanana tsy maintsy atao any amin'ny sehatra mpamatsy tolotra aterineto ary tsy tokony hanome fanampiana ny sehatra tsy miankina amin'ny famolavolana sy famokarana fanivanana ny mpanjifa satria tsy misy fomba hanarahamaso ny fanivanana mihoapampana ataon'ny orinasa tsy miankina.

Nisafidy tranokalan'ny vondrom-piarahamonina LGBT maromaro ao an-toerana sy avy any ivelany, ary koa tranonkala akademika momba ny lohahevitra LGBT sy ara-pananahana ny Leslovestudy mba hanandramana ireo sivana. Ity ambany ity ny vokatr'izany:

 

Mpanivana Filter Tranonkala eo an-toerana (Local websites) Tranonkala any ivelany 
Websense (Tanànan'ny Oniversiten'i Hong Kong) Vondrona fikarohana sy fiarovana ny  LGBT: http://www.leslovestudy.com [4]
ONG mampiroborobo ny firaisana ara-nofo voaaro sy ny fahasalamana eo amin'nyLGBT: http://www.satsanga.org [5]
Forum antserasera ho an'ny vondrom-piarahmonina LGBT: http://www.gaystation.com.hk/bbs/portal.php [6]
Radio antserasera ho an'ny vondrom-piarahamonina LGBT: http://www.gayradio.hk/index1.html [7]
Fantsona podcast ho an'ny vondrom-piarahamonina pelaka: http://www.gaychannel.hk/index [8]
Forum antseraseran'ny lesbiana: http://www.blur-f.com [9]
A gay online forum: http://www.gayhk.com [10]
Forum ahitana sary momba ny LGBT any Taiwan : http://www.tt1069.com [11]
Forum misy ny sarin'ireo pelaka sy lesbiana any tanibe Shina: http://bbs.sou-tong.org [12]
Tranonkalan'ny vondrom-piarahamonina Pelaka any Azia: http://www.fridae.com [13]
Sehatra fivorian'ny namana sy fitantarana tantara momba ny Lesbiana: http://herstory.ws [14]
Tondro momba ny fikarohana mikasika ny lesbiana sy ny pelaka ao amin'ny Oniversite Yale: http://www.library.yale.edu/rsc/gayles/index.html [15]
Site Coach Content Filter (any Macdonald) ONG manome tolotra fanohanana ny LGBT: http://www.horizons.org.hk [16]
Tranonkala Hong Kong IDAHO: http://idahohk.org [17]
Forum antserasera ho an'ny vondrom-piarahamoniana LGBT: http://www.gaystation.com.hk/bbs/portal.php [6]
Radio antserasera ho an'ny vondrom-piarahamonina LGBT: http://www.gayradio.hk/index1.html [7]
Fantsona podcast ho an'ny vondrom-piarahamonina pelaka:   http://www.gaychannel.hk/index [8]

Forum antseraseran'ny lesbiana: http://www.blur-f.com [9]
Sehatra fivorian'ny namana sy fitantarana tantara momba ny Lesbiana: http://herstory.ws [14]
Foibe momba ny firaisana ara-nofo ao amin'ny onivesitem-panjakana foibe ao Taiwan: http://sex.ncu.edu.tw [18]
Foibe fianarana momba ny firaisana ara-nofo ao amin'ny departemantan'ny sôsiôlôjia ao amin'ny Oniversiten'i Remin  ao Shina: http://www.sexstudy.org/index.php [19]
Tranonkala gazetin'ny pelaka sy lesbiana an'ny Oniversite Duke: http://glq.dukejournals.org [20]
PCCW Web Content Filtering System (tranom-pivarotana lehibe) Forum antserasera ho an'ny vondrom-piarahamonina LGBT: http://www.gaystation.com.hk/bbs/portal.php [6]
Radio antserasera ho an'ny vondrom-piarahamonina LGBT: http://www.gayradio.hk/index1.html [7]
Fantsona podcast ho an'ny vondrom-piarahamonina pelaka:  http://www.gaychannel.hk/index [8]
Bilaogy momba ny vaovaon'ny LGBT:  http://gay-bulletin.blogspot.com [21]
Forum misy ny sarin'ny LGBT any Taiwan: http://www.tt1069.com [11]
Tranonkalam-baovaon'ny LGBT Shinoa: http://www.365gay.com [22]
Foibe fianarana momba ny firaisana ara-nofo ao amin'ny oniversitem-panjakana foibe ao Taiwan: http://sex.ncu.edu.tw [18]
Foibe fianarana momba ny firaisana ara-nofo ao amin'ny departemantan'ny sôsiôlôjia ao amin'ny Oniversiten'i Remin  ao Shina: http://www.sexstudy.org/index.php [19]
Torolalana fikarohana momba ny fahapelahana ao amin'ny tranombokim-panjakana ao New York: http://nypl.org/research/chss/grd/resguides/gay/index.html [23]
Fikarohana momba ny pelaka sy ny Lesbiana ao amin'ny Onivesiten'i Chicago
: http://www.lib.uchicago.edu/e/su/gaylesb [24]
Tondro momba ny fikarohana mikasika ny lesbiana sy ny pelaka ao amin'ny Oniversite Yale: http://www.library.yale.edu/rsc/gayles/index.html [15]
Government Wi-Fi Filter Forum antserasera ho an'ny vondrom-piarahamonina LGBT: http://www.gaystation.com.hk/bbs/portal.php [6]
Fantsona podcast ho an'ny vondrom-piarahamonina pelaka: http://www.gaychannel.hk/index [8]
Forum misy ny sary LGBT any Taiwan: http://www.tt1069.com [11]
Forum misy ny sarin'ireo pelaka sy lesbiana any tanibe Shina: http://bbs.sou-tong.org [12]
Tranonkalan'ny vondrom-piarahamonina Pelaka any Azia: http://www.fridae.com [13]

Sehatra fivorian'ny namana sy fitantarana tantara momba ny Lesbiana: http://herstory.ws [14]
Tondro momba ny fikarohana mikasika ny lesbiana sy ny pelaka ao amin'ny Oniversite Yale: http://www.library.yale.edu/rsc/gayles/index.html [15]
Pornography (Hospital Authority) Fahitalavitra antserasera LGBT ho an'ny fiarovana ny fitovian-jo: http://www.gdottv.com [25]
Fikambanan'ny Lesbiana ao Hong Kong: http://geocities.com/wcofhk [26]
no info