- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Nividy ny tolotra Green Dam ny Google.cn?

Sokajy: Shina, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2009)

Nitatitra ilay bilaogera mandihy miaraka amin'ny G, nanonona loharanom-baovao avy amin'ny Google.cn [1]fa nandany vola be tsy toko tsy forohana hividianana ny tolotra Green Dam ny orinasa mba hanatsarana ny fikarohana votoaty vetaveta. Araka ny filazan'ilay bilaogera, ny fanapahan-kevitry ny google.cn dia ny hanao fihavanana amin'ny manampahefana shinoa.

Fanampin'izany, nanaisotra ny sasany tamin'ireo asany momba ny fikarohana ny Google.cn, anisan'izany ny fikarohana ho an'ny votoaty any am-pitandranomasina sy ny fikarohana voambolana mifandraika amin'izany. Ireto ambany ireto ny pikantsary mampiseho ny fahasamihafana misy eo amin'ny pejin'ny fikarohana taloha sy ny ankehitriny ao amin'ny google.cn. (via google.org.cn) [2]

google-china-past

google-china-now

Na dia miaro ny asa fitadiavana ao amin'ny google.cn manoloana ny hetsika fampielezan-kevitry ny CCTV [3] aza ny mpiserasera, miha-maro ireo tranonkala vavahadin-tserasera sy tranonkalam-baovao namoaka fanehoan-kevitra sy tantara mitsikera ny google.cn ho “manapoizina” ny tanora amin'ny votoaty vetaveta. Ohatra, China Youth Daily Online nilaza betsaka momba ny fehin-kevitra tamin'ny tafatafan'ny CCTV  [4]ary nitsikera ny google.cn ho tsy tompon'andraikitra amin'ny fiarahamonina.