- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nipariaka nanerana ny firenena iray manontolo ny fihetsiketsehana tao Belgrade manohitra ny Filoha Serba Aleksander Vučić

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Serbia, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana
One in five million protest in Belgrade, Serbia, view from above. [1]

Mpanao fihetsiketsehana teny an-dalamben’i Belgrade, Serbia, ny 29 Desambra 2018. Mpanoratra tsy fantatra anarana, sary niparitaka [2] tao amin’ny tambajotra sosialy.

Niditra ny herinandro fahadimy ahitana olona an’arivony nanatevin-daharana azy ireo avy amin’ireo tanàndehibe miisa dimy ao Serbia ankoatra ny ao an-drenivohitra Belgrade ny fihetsiketseham-bahoaka manohitra ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona ataon’ny governemantan’i Aleksandar Vučić.

Nanomboka ny fihetsiketsehana rehefa tafavoaka velona tamin’ny fikasana ny famonoana [3] azy tamin’ny 23 Novambra (2018) i Borko Stéfanovic, izay filohan’ny antoko politika elatra Ankavia Serba, sady mpanorina ny fiaraha-mitantan’ny mpanohitra ho an’i Serbia, raha novelesin’ireo jiolahimboto niaraka tamin’ny bara vy izy, niaraka tamin’ireo mpikatroka roa hafa avy amin’ny elatra Ankavia Serba, tao an- tanàndehiben’i Krusevac tao Serbia Afovoany.

Nitombo ihany ny fihetsiketseham-panoherana taorian’ny fikasana famonoana hafa an’ilay mpanao gazety [4] Milan Jovanovic ny 11 Desambra (2018).

Isaky ny Asabotsy nanomboka ny faran’ny volana Novambra (2018), olona an’arivony no niaritra ny hatsiaka mamirifiry mba hidina an-dalamben’i Belgrade niaraka tamin’ny teny filamatra hoe ‘’hajanony ny fanosoran-dra ny fitafiana ’’ (#STOPkrvavimkošuljama [5]). Teraka taorian’ny valan-dresaka an- gazety ity teny filamatra ity, izay nanehoan’i Sefanovic ny akanjony tasin’ny rà nandritra ny famoriam-bahoaka taorian’ny fanafihana tamin’ny 23 Novambra(2018). Tamin’ny 5 Janoary (2019) dia nisy fihetsiketsehana lehibe natao voalohany tao Novi Sad, Niš sy Kragujevac, izay tanandehibe telo lehibe ao Serbia, ary tany Kursumilija sy Pozega, izay kely kokoa ihany koa.

Teny filamatry ny fihetsiketsehana iray hafa ‘’iray amin’ny dimy tapitrisa’’ (#1od5miliona [6]) dia natao hilazana ny fanambarana nataon’i M. Vučić vao haingana fa tsy hamaly ny fangatahana rehetra izy na dia olona dimy tapitrisa aza no hiverina eny an-dalambe indray. Miisa eo amin’ny enina tapitrisa eo ho eo ny mponina ao Serbia.

Ry namana malala, nanomboka tany Niš ihany koa izany. # 1 amin’ny 5 tapitrisa

Tamin’ny famoriam-bahoaka tao Belgrade androany alina manohitra ny filoha Serba Aleksandar Vucic, nanapoaka tsipoapoaka ireo mpanao fihetsiketsehana, sady nitondra sora-baventy ary nanoratra tamin’ny ranomandry mihitsy aza hoe’’ Vucic mpangalatra’’ tamin’ny feon’ireo kiriorioka.

Nahasarika olona an’arivony androany alina ny fihetsiketsehana tao Kragujevac any Serbia Afovoany, ho firaisankina amin’ireo olona an’arivony nivory tao Belgrade mba hihiaka ny hatezerany amin’ny Filoha Vucic- izay nampangainy ho nanao didy jadona lehibe.

Tahaka ny rivotry ny taona 1990

Sambany hatramin’ny taomoplo 1990, no niaraka tamin’ny hetsi-panoherana ireo mpanohitra ny governemanta amin’izao fotoana izao avy amin’ny elatra havia sy havanana, tao anatin’ny tahotra iombonana amin’ny fironan’ny fitondrana mankany amin’ny jadona sy ny fasisma.

Tsaroan’ny maro ny fitovian’ireo zava-nitranga tamin’ny nahatonga ny fialan’i Slobodan Milošević [15] teo amin’ny fahefana (izay i Vucic, elatra havanana hiringiriny no Minisitry ny Serasera) tamin’ny taona 2000, anisan’ny nahatsiaro izany i Biljana Stepanovic, mpanao gazety izay nisioka sary roa mifanila :

Tokony hihomehy ve isika sa hitomany ? Roa amby roapolo taona lasa izay, tamin’izany, nitondra ny zanako vavy tamin’ny fihetsiketsehana nanohitra an’i Milosevic aho. Ankehitriny, tonga eto Belgrade izy ary izy indray amin’izao no nitondra ahy amin’ny fihetsiketsehana manohitra an’i Vučić.

Ny teny filamatra hafa sady hita tao amin’ny gazety sy ny tambajotra sosialy dia ny hoe ‘’ny fiandohana’’ (#počeloJe [18]), kiaky ny fanantenana fa mitombo ny hetsi-panoherana amin’ny hetsi-bahoaka manerana ny firenena rehetra nitovy tamin’ny faran’ny taompolo 1990.

Nandritra ny folo taona, nanome ny sary endriky ny fanavaozana ny politika afovoany mpanelanelana i Aleksandar Vučić tamin’ny filazana imolotra ny fampidirana an’i Serbia tao amin’ny Vondrona Eoraopeana, izay nolazain’ny mpanohitra azy ho fanafenany ny fironany mankany amin’ny fitondrana didy jadona anatiny sy ny fanompoany mitodika any Kremlin.

Tsy dia niraharaha firy ireo fihetsiketsehana ireo izy, hatramin'izao. Raha niezaka ny hampihena ny habehany sy ny maha-zava-dehibe izany ny fampahalalam-baovaom-panjakana [19], i Vučić kosa tetsy andanin’izany dia nandrangitra ireo mpanohitra azy tamin’ny filazana ny fifidianana tsy ampoizina izay eo ambany fifehezan'ny antoko eo amin’ny Fanjakana tanteraka ka tsy afa-manao afa-tsy ny nanome azy fandresena. Nilaza ireo mpitarika ny mpanohitra fa hanao ankivy [20] izany fanapahan-kevitra izany izy ireo.

Tao anatin’ny antsafa niarahana tamin’i Balkan Insight [21], nilaza ny mpikarakara ny fihetsiketsehana fa ny ‘’hampifoha ny tanora Serba hiala amin’ny tsy firaharahiany’’ no tombotsoany lehibe kanefa tsy nanao fanentanana mivantana ny hakan’ny mpanohitra ny toeran’ny governemanta ankehitriny. Somary mangingina tamin’ny fihetsiketsehana ny mpanohitra noho ny tahotra hivadihan’ireo olom-pirenena tsy miresaka politika na ireo mpikatroka mafana fo amin’ny fiarahamonim-pirenena.

Nandritra izany fotoana izany, navadiky ny vahoaka ho fanesoana ny fanodikodinam-baovao [19] nataon’ireo fampahalalam-baovaom-panjakana. Niaraka tamin’ny fahazoana miditra amin’ny Aterineto dia afaka nahita izay zava-nitranga marina ny olona, noho ireo lahantsary sy ireo sary nalaina mivantana teo an-toerana.

Sioka : Notarihin’ireo mpiasan’ny fahasalamana ny filaharana omaly, izay nandà tsy hanaraka ny fampianarana ny teny Alema sy hanao ny Noely manaraka any an-tany lavitra. Te hijanona eto ihany ry zareo satria azy ireo sady firenentsika i Serbia.
Lahatsary : Hifankahita any Plato isika ny 12 Janoary 2019.

Farany, nanoratra ireo mpanao hetsi-panoherana tao anaty taratasy misokatra ho an’i M. Vučić [25], fa tsy matahotra ny fanamavoany azy ireo ry zareo.

Dobili ste mandat da budete predsednik svih građana, a ne da se obračunavate sa svima koji se usude da misle. Vi želite podanike, a ne građane. Zato danas imate kolone onih koji ne žele da žive u društvu koje stvarate.

Nofidianay ianao ho Filoham-pirenen’ny olom-pirenena rehetra, fa tsy hifanandrina amin’ireo rehetra izay sahy misaina amin’ny atidohany. Mitady mpanompo ianao fa tsy olom-pirenena. Izany no mahatonga anao ankehitriny manana andry [ olona] izay tsy te hiaina eo anivon’ny fiarahamonina noforoninao.