- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Nanomboka ny fitsarana ilay bilaogera sangany 

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nosamborina herinandro maromaro lasa izay noho ny fanoherana nipoaka tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena tamin'ny 12 jona i Mohammad Ali Abtahi , bilaogera sangany sady mpanao politika reformista. Iray amin'ireo mpanao politika reformista malaza izay nanomboka notsaraina [1] (androany) tao Teheran i Abtahi.