- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Tsy misy tsikera manohitra ny Green Dam intsony!

Sokajy: Malezia, Shina, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny taona 2009)

Vaovao farany: 16 Jona – “tsy voatery hampiharina intsony” ny rindrambaiko fanivanana Green Dam – tao amin'ny China Daily [1].

Ny 10 jona, namoaka fanambarana mampahatsiahy ny fampitam-baovao rehetra mba hitatitra amin'ny lafiny tsara momba ny Green Dam, Youth Escort,  rindrambaiko fanivanana sy fitsikilovana apetraka amin'ny solosaina rehetra amidy ao Shina  [2]ny sampan-draharahan'ny fampielezan-kevitra.

Mandritra izany, manohy manadihady ireo fahadisoana rehetra ao amin'ny rindrambaiko sy ny ao an-tokotany ambadiky ny orinasa [3]ireo mpiondana aterineto; ireo mpikatroka vaovao sy fikambanana isan-karazany kosa etsy andaniny nanangona antontan-taratasy sy tatitra maromaro momba ny “Green Dam”. (jereo ny lisitra ao amin'ny bilaogin'i [4] Rebecca MacKinnon).

Noho ny fanamarihan'ny sampan-draharahan'ny fampielezan-kevitra, gaga ny olona nahita fa namorona pejy manokana (efa voafafa)  [5]ny seha-pifaneraserana nasionalista “firenena matanjaka” people.com.cn an'ny mpitondratenin'ny governemanta ary nanakiana ny Minisiteran'ny Indostrian'ny Fampahalalam-baovao sy ny Teknôlojia noho ny fanapaha-keviny tsy mba naka ny hevitry ny vahoaka. Ankoatra izany, nampiseho ny fitsapan-kevitra iray tao amin'ny forum fa maherin'ny 80% amin'ireo mpiserasera no manohitra ny fampidirana ny sivana tsy maintsy atao amin'ny solosainan'izy ireo.

Na izany aza, hitao an-tserasera nandritra ny roa andro ny pejy manokana momba ny lohahevitra, nesorina izy androany (15 Jona), miaraka amin'ilay fitsapan-kevitra. Ity ambany ity ny sarin'ny pejy sy ny fitsapan-kevitra:

peopledaily

1100

Ankehitriny satria mifanaraka tsara ny fanakianana goavana, namorona olon-tantara an-tsary ny taranaka taorian'ny taona 80, tovovavy green dam, ho an'ny mpanjifa ary manohitra ny fanafihan'ny Green Dam. Ahoana? Azonao jerena ity iray ity:
greencustom

Mbola maro no avy amin'ny DANWEI [6] sy heciatou [7].