- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Atahorana ny ain'ilay bilaogera 

Sokajy: Iràna, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2011 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

 Hrana , sampam-baovaon'ny mpikatroka mpandala ny zon'olombelona no mitatitra [1] fa atahorana ny ain'i Hossein Maleki Ronaghi ary mila fitsaboana maika izy any am-ponja. Voasazy higadra 15 taona an-tranomaizina [2] i Hossein Maleki Ronaghi. Iray amin'ireo mpikatroka an-tserasera lehibe ao ambadiky ny hetsika manohitra ny fanivànana tranonkala Iran Proxy i Hussein Rongah Melki (fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe “Babak Khoramdin”). Nibilaogy momba ny zon'olombelona sy ny fiarahamonim-pirenena izy.