- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Nahazo ny loka NPC i Goudarzi, ilay bilaogera voafonja 

Sokajy: Iràna, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanambara [1] ny Klioban'ny Gazety Nasionaly (NPC) fa ilay bilaogera Iraniana Kouhyar Goudarzi [2], izay notanana tao amin'ny fonjan'i Evin tao Tehran, fonja malaza ratsy amin'ny fampijaliana ireo voafonja, no nahazo ny loka ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-gazety iraisam-pirenena John Aubuchon 2010.