- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Voasakana tao Tiorkia ny Slide

Sokajy: Tiorkia, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
Silde

Nosakanan’ [1]ny fitsarana Tiorka ny fidirana amin'ny Slide [2], ilay mpamorona ny fafana ao amin'ny tambajotra sosialy, noho ny “fandefasana sary sy lahatsoratra izay heverina ho manevateva an'i Ataturk.” .

Nanambara ny Slide tao amin'ny fanamarihana ho an'ny mpisera Slide ao Tiorkia [3] fa nifandray tamin'ny governemanta Tiorka izy mba hamahana ilay olana :

If you use Slide in Turkey, you've probably noticed that you are no longer able to access the Slide website or our applications (you may not even be able to access this post). The Turkish government has accused Slide of “harboring pictures and articles that are considered to be insulting to Ataturk,” founder of the republic.

We have contacted the government of Turkey in an effort to resolve this situation and will keep you updated on any changes. In the meantime, we're trying our best to enable Turkish citizens to access our website and applications again.

Raha mampiasa ny Slide eto Tiorkia ianareo dia mety ho voamarikareo fa tsy afaka miditra intsony amin'ny tranokalan'ny Slide ianareo na ny fampiasanay (mety tsy ho afaka hiditra amin'ity lahatsoratra ity akory aza ianareo). Niampanga ny Slide ny governemanta Tiorka ho “nandefa sary sy lahatsoratra izay heverina ho manevateva an'i Ataturk,” mpanorina ny repoblika.

Nifandray tamin'ny governemantan'i Tiorkia izahay tamin'ny ezaka hamahana ity toe-draharaha ity ary omena anareo ny fanavaozam-baovao raha misy fiovana. Mandritra izany fotoana izany, miezaka araka izay tratra izahay mba hahafahan'ireo teratany Tiorka hiditra amin'ny tranokalanay sy ny fampiasanay indray.

Araka ireo antontanisan'ny Slide [4], notsidihan'ireo mpisera tsirairay maherin'ny 143 tapitrisa isam-bolana ny fafana Slide ao amin'ny firenena mihoatra ny 200 ao amin'ny tranonkala toy ny Facebook, MySpace, Hi5, Orkut, ary Blogger.