Global Voices Advocacy no nandresy tamin'ny fifaninanana bilaogy Zemanta

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2006)
80x80_bloggingforacause

Global Voices Advocacy no nahazo ny loka voalohany tamin'ny fifaninanana Blogging for a Cause an'ny Zemanta. Tranonkala isan-karazany maherin'ny 60 no voatendry, ary samy nahazo 1200 dolara ny dimy voalohany nahazo vato betsaka indrindra. Misaotra tamin'ny fanohanana rehetra!!

Ireo efatra hafa nandresy dia Goods for Good, iSurvive, Wokai, Yoga Bear.

Global Voices AdvocacyRaha tsy fantatrao, ny Global Voices Advocacy dia tetikasan'ny Global Voices mba hanangana tambajotram-bilaogera sy mpikatroka antserasera miady amin'ny sivana manerantany. Sami ben Gharbia, bilaogera Toniziana sady mpiaro ny fahalalaham-pitenena no taleny.

Zemanta dia bilaogy vaovao mahafinaritra sady fampiharana media sosialy azonao trohana toy ny itatry ny Firefox. Mandeha ao amin'ny Gmail ihany koa izy!

Anisan'ireo zavatra mahafinaritra sasany nolazain'ny olona tamin'ny fanohanan'izy ireo ny Global Voices Advocacy ny …

Tao amin'ny Sacred Beginnings, nanoratra ny bilaogera iray mitondra ny anarana hoe Moonstar Silverwolf:

I fully support what they do and hope they continue to have success in bringing to light how much censorship is out there and how badly it can get really quick. I also support their resources on how to guides and assistance for anonymous blogging so that freedom of speech is not suppressed in the online world like it might be in the real world. There are many countries and groups that will squash freedom of speech whenever they can, it is our job to help those who need to speak out and provide them the opportunity to do so without fear.

Manohana tanteraka ny zavatra ataon'izy ireo aho ary manantena fa hahita fahombiazana hatrany izy ireo amin'ny fampahatsiahivana ny habetsaky ny sivana sy ny mety hiparitahany haingana. Manohana ny fitaovan'izy ireo mikasika ny fomba fitarihana sy fanampiana ho an'ireo bilaogy tsy mitonona anarana ihany koa aho mba tsy hanakanana ny fahalalaham-pitenenana ao amin'ny tontolon'ny aterineto tahaka ny mety ho ao amin'ny tontolo tena izy. Firenena maro sy vondrona maro no hanohitra ny fahalalaham-pitenenana isaky ny afaka manao izany izy ireo, asantsika ny manampy ireo izay mila miteny ary manome azy ireo fahafahana hanao izany tsy misy tahotra.

Aparna Ray nanome ny vatony amin'ny maha-iray amin'i Newsmerick azy:

Today, I would just like to pause
And blog for my favorite cause
The project “Advox”
Is brilliant, it rocks!
It's work deserves heartfelt applause!

Androany, te-hiato kely aho
Ary hibilaogy ho an'ny zavatra tiako indrindra
Ny tetikasa “Advox”
Tena mamirapiratra tokoa izany!
Asa mendrika tehaka avy amin'ny fo!

Ao amin'ny bilaogy Media Re:Public, Persephone Miel nanoratra hoe:

Full disclosure: I’m friends with many of the people who make Global Voices what it is and I’m writing this today in response to an interesting challenge that could help bring some more money to Global Voices. But I’m not doing it to help my friends, I’m doing it because I know how hard they work, how many amazing new projects they’d like to do and how important they are to the project of bulding the cross-border connections that we all need to become global citizens.

Famoahana feno: Naman'ny ankamaroan'ny olona izay mahatonga ny Global Voices ho toy izao aho ary manoratra ity aho androany ho setrin'ny fanamby iray mahaliana izay mety hitondra vola bebe kokoa ho an'ny Global Voices. Saingy tsy manao izany aho mba hanampiana ireo namako, manao izany aho satria fantatro ny asa mafy ataon'izy ireo, ny hamaroan'ny tetikasa vaovao mahagaga tian'izy ireo hatao sy ny maha-zava-dehibe azy ireo amin'ny tetikasa fananganana fifandraisana miampita sisintany fa tokony ho olom-pirenena manerantany isika rehetra.

Mamerina ny fisaorana eram-po ho an'ny rehetra noho ny fanohanana lehibe. Raha misy olona mahatsapa ho voatosika hanao fanomezana, dia ho ekenay am-pifaliana. Saingy ny finamananao no vola ahafahantsika mahomby tokoa. Ia!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.