- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mihahenjana ny adim-pahefana ao Venezoelà, voasakana ny aterineto sy voasivana ny fampitam-baovao

Sokajy: Amerika Latina, Venezoela, Mediam-bahoaka, Sivana, Solovava, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
[1]

Sarin'ny fanoharana nataon'ny mpanakanto Venezoeliana Eduardo Sanabria. Nalaina tao amin'ny pejiny Facebook ho an'ny daholobe ary nahazoana alalana.

Satria mbola mitohy ny fanjavozavoana [2] manoloana ny toe-draharaha politika any Venezoelà, ireo vondrona mpiaro zon'olombelona ao an-toerana [3] sy iraisam-pirenena [4] dia nitatitra ny fanakanana miverimberina amin'ny sehatry ny tambajotra sosialy samihafa – anisan'izany ny Twitter sy ny Instagram – sy ny trangan-tsivana amin'ny fampitam-baovao.

Nilaza ny tatitra fa nanomboka ny 21 Janoary ny fanakanana ary nihamafy nanomboka ny 23 Janoary 2019 izany, rehefa nampahatsiahy ny andininy amin'ny lalàm-panorenana tamin'ny taona 1999 ao amin'ny firenena mba hanala ny filoha Nicolás Maduro eo amin'ny fahefana, izay nitondra nanomboka tamin'ny taona 2013 i Juan Guaidó, filohan'ny Antenimieram-pirenena ao Venezoelà. Nihanitombo tsy nisy tahaka izany [2] ny fihetsiketsehana manohitra an'i Maduro tao an-drenivohitra, Caracas, ary tany amin'ny faritra maro hafa ao amin'ny firenena ihany koa.

Sarotra ny toe-draharaha lalovan'ny Venezoeliana ankehitriny satria naneho ny fanohanany an'i Guaidó ho filohan'i Venezoela vonjimaika ny ankamaroan'ny [5] vondrom-piarahamonina Amerikana Latina sy ireo mpiantsehatra iraisampirenena goavana maro- anisan'izany i Etazonia [6] . Ireo firenena isam-paritra izay tsy miombon-kevitra amin'izany kosa dia i Meksika, Orogoay, Bolivia ary Kiobà. Raha i Shina sy Rosia kosa no naneho ny fanohanany an'i Maduro eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena.

Toa hita fa eo ampelatanan'ny fifampiraharahana anatiny sy ny tsindry iraisam-pirenena ankehitriny ity tolom-pahefana lava sy mangidy ho an'ny fahefana ao Venezoela ity, izay nitarika ny fahasahiranambe ho an'ny ankamaroan'ny mponina .

Paikady henjana amin'ny fanakanana

Mandritra izany fotoana izany, lasa miha-mahery vaika isan'andro ny fanaraha-maso ny vaovao sy ny fifandraisana, fepetra izay niha-natanjaka tao anatin'ny taona vitsy lasa [7]. Araka ny voalazan'i Guaidó, dia voatery hanafoana ny antsafa maromaro tamin'ny fahitalavitra sy ny onjam-peo izy, satria nandrara ny fampahalalam-baovao tsy hanonona ny anarany [8] ny Vaomieram-pirenena momba ny Fifandraisan-davitra (Conatel).

Nanangona tatitra sy nanao andrana ny fikambanana eo an-toerana Internet Sin Filtro [9] ary nizara vaovao momba ny fomba hialana amin'ireo sakana ihany koa. Nitatitra momba ny sakana miverimberina amin'ny sehatry ny tambajotra sosialy samihafa- toy ny Instagram sy Twitter – izy ireo nanomboka ny 21 Janoary, tany amin'ny faritra maro ao amin'ny firenena.

Nanakana ny Twitter, YouTube sy instagram i Venezoelà tamin'ity maraina ity.

Nampiasa sivana SNI ny sakana, mitovy amin'ny fanakanana ny wikipedia vao haingana. Toa nesorina ny sakana, saingy mbola misy ihany koa ny sakana vao haingana miverimberina.

Hisy ny fanavaozam-baovao momba izany

Nizara ny fanadihadihana mikasika ny fomba hanarahan'ny paikady teknika toy izany ny vaovao sy ny fifandraisana amin'ny Aterineto amin'ny fitaovana miha-sarotra ampiasaina kokoa [19] i Carlos Guerra avy ao amin'ny Derechos Digitales [20]. Araka ny voalazan'i Guerra, tsy ny paikadin'ny fanakanana ihany no be pitsony sy sarotra ampiasaina fa sarotra resena ihany koa izany.

Nanazava ny fiantraikany sy ny fikasan'ny sakana ilay mpanao gazety Luis Carlos Díaz, izay mpandray anjara ato amin'ny Global Voices ihany koa:

Manana vaovao momba ny fanakanana ny Instagram ao Venezoela isika izao. Nikendry ny fampitàna mivantana ao amin'ny Instagram izay nahazoan'i Guaidó olona aman'hetsiny tamin'ny fomba haingana i Maduro sy ny Conatel [Vaomieram-pirenena misahana ny Fifandraisan-davitra], ary niaraka tamin'ny mpijery betsaka kokoa noho ireo fahitalavitra (voasivana).

Fanahiana momba ny volavolan-dalànan'ny fiarovana an-tserasera

It is important to emphasize that the blocks are taking place not simply amid the political crisis, but also in the context of grave concern over a proposed cybersecurity bill that would, according to a report by Access Now [24], “put the digital rights of Venezuelans — and the entire internet in the country — in jeopardy”.

Zava-dehibe ny manamafy fa tsy nitranga fotsiny teo anivon'ny krizy politika ihany ireo fanakanana ireo fa tao anatin'ny ahiahy manahirana lehibe momba ny volavolan-dalànan'ny fiarovana an-tserasera ihany koa, izay, araka ny tatitra nataon'ny Access Now [24] dia “nametraka ny zo nomerika ao Venezoela – ary ny aterineto iray manontolo ao amin'ny firenena – ho tandindonin-doza “.

Nanameloka ny mety ho fiantraikan'ity volavolan-dalàna ity ny fikambanana hafa miaro ny zo nomerika, toa ny Derechos Digitales [25]  Amérika Latina, ary nanambatra ny lisitr'ireo manam-pahaizana sy mpikaroka tao anatin'ny fanambarana manohitra izany:

Este nuevo instrumento legislativo, que expande e incrementa los poderes del Ejecutivo para la vigilancia sobre el internet, se convertiría así en una nueva herramienta de control que vendría a sumarse a más de una década de políticas públicas [26] de restricción del flujo de información y de la libertad de expresión en la web.

This new legislative tool, in which the powers of the Executive branch to surveil over the internet becomes bigger and more expansive, could become a new control implement that would join the public policies that have been taking place over a decade to restrict information flux and freedom of speech online.

Ity fitaovana vaovaon'ny fanaovan-dalàna ity, izay kendren'ny fahefana Mpanatanteraka hampivelatra sy hampitombo ny fanaraha-maso ny aterineto, dia mety ho lasa fametrahana fanarahamaso vaovao izay mety hanatevin-daharana ny politikam-panjakana efa nisy nandritra ny folo taona mahery mba hamerana ny andiam-baovao sy ny fahalalaham-pitenenana an-tserasera.

Fanafihana ny fampitam-baovao tsy miankina

Nanamarika ny tatitra avy amin'ny sehatra fampahalalam-baovao an-tserasera tsy miankina fa notapahana ny onjam-peo manerana ny firenena [27] sy ny fantsom-baovao Shiliana [28] “Noticias 24 horas” (vaovao 24 ora) ary nomena fampitandremana mba tsy hanao tatitra momba ny fihetsiketsehana na hilaza an'i Juan Guaidó ho filoha vonjimaika.

Nitatitra ihany koa ny Sendikà Nasionalin”ny Mpiasan'ny Gazety (SNTP amin'ny teny Espaniôla) fa naka ny foiben'ny fantsom-pahitalavitra GlobalTV any amin'ny faritra ny Tale Jeneralin'ny Tafika miady amin'ny Fitsikilovana (DGCIM) tao Maracaibo, any avaratra-atsinanan'ny firenena :

Loza Fanairana: #SNTP- Naka ny foiben'ny GlobalTV ary nanala ny fantsona ao amin'ny faritra ireo manampahefana miaramila miady amin'ny Fitsikilovana ao Maracaibo noho ny fandefasana ny kabarin'i Juan Guaidó. Nambaran'ny lehiben'ny vaomiera, izay tonga niaraka tamin'ny fiara miisa 15 [tao amin'ny foiben'ny GlobalTV ] izany .

Nitatitra ny baiko sy fampitandremana samihafa navoakan'ny Vaomieram-pirenena momba ny Fifandraisan-davitra (Conatel) ihany koa ny SNTP:

Loza Fanairana: #SNTP- Mandrahona ny hanala ny fahazoan-dàlana ho an'ny onjam-peo i Nicolás Maduro. Ny 24 Janoary teo,  voasivana tamin'ny fandaharany tao amin'ny onjam-peo, Circuito Exitos i César Miguel Rondón ka tsy nahafahany naneho hevitra momba ny hetsika tamin'ny 23 Janoary, izay nahasarika ny vaovao manerana izao tontolo izao.

Nandritra izany fotoana izany, nangatahana mba “hamerina hijery” ny fandaharany ary hanala ireo fandaharana sasantsasany ny vondrom-piarahamonin'ny onjam-peo Fe y Alegría, toy ny iray tontosain'ny fikambanana mpiaro zon'olombelona Provea [38]. Nizara ny vaovao tao amin'ny Twitter i Rafael Uzcátegui, talen'ny Provea :

Nandidy ny Radio Fe y Alegría i Conatel mba ‘hamerina hijery’ ny fandaharany ary hanafoana ny fandaharana ahitana fanehoan-kevitra tsy miankina toy ny ‘Ireo no Zo’ nataon'ny Provea

Raha mbola nitohy ny hetsi-panoherana ary nikabary i Guaidó dia mbola nanohy ny fandaharany mahazatra [40] ny ankamaroan'ireo zoro fampitam-baovao, araka ny notaterin'i Efecto Cocuyo:

Las manifestaciones en pleno apogeo y en Globovisión hablaban sobre obras de teatro a las 11:30 de la mañana. A la misma hora, en sus canales de Youtube, Televen y Venevisión tampoco transmitían lo que ocurría en Venezuela este 23 de enero.

Raha tao anatin'ny ora tena goavana indrindra ny hetsi-panoherana dia niresaka momba ny filalaovana teatira ry zareo tao amin'ny Globovisión tamin'ny 11:30 maraina. Nandritra izany fotoana izany, tsy nandefa ny zava-nitranga tany Venezoelà tamin'ny 23 Janoary tao amin'ny fantsona Youtube ny [fantsom-pahitalavitra] Televen sy Venevisión .

Nitranga tao anatin'ny tontolon'ny fampitam-baovao izay efa voafetra [7] ireo fanakanana sy ny fanaraha-maso ny fampahalalam-baovao ireo ka nanery ireo Venezoeliana hiankina amin'ny aterineto sy ny sehatra fampahalalam-baovao tsy miankina mba hahazoana vaovao lehibe. Raha nisafidy izay ho tohanany [6] ny vondrom-parahamonina iraisam-pirenena ary niha-henjana ny fifandirana dia azo inoana fa hitombo bebe kokoa ny fanaraha-maso amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra sy an-tserasera

Raha te hahafantatra misimisy kokoa momba ny fivoaran'ity toe-draharaha ity dia vakio ny pejin'ny fitantaranay manokana: Inona no mitranga ao Venezoela [41] .