Shina: Fisoratana anarana tena izy

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2009)

Tamin'ny voalohandohan'ny volana Aogositra, nametraka fisoratana amin'ny tena anarana ireo tranonkala vavahadim-baovao lehibe. Ireo mpiserasera te-handefa fanehoan-kevitra antserasera dia tsy maintsy mameno taratasy fisoratana anarana izay manangona ny lahatahirin'ilay mpiserasera, ny laharan'ny karapanondro, ny laharana an-tariby sy ny adiresy. Nitatitra ny New York Times hoe:

But in early August, without notification of a change, news portals like Sina, Netease, Sohu and scores of other sites began asking unregistered users to sign in under their real names and identification numbers, said top editors at two of the major portals affected. A Sina staff member also confirmed the change.

The editors said the sites were putting into effect a confidential directive issued in late July by the State Council Information Office, one of the main government bodies responsible for supervising the Internet in China.

Tany am-piandohan'ny volana Aogositra, tsy nisy fampandrenesana momba ny fanovana, nanomboka nangataka tamin'ireo mpiserasera tsy voasoratra anarana mba hanome ny anarana tena izy sy ny laharana kara-panondro ireo vavahadin-tserasera toy ny Sina, Netease, Sohu ary tranonkala hafa, hoy ireo tonian-dahatsoratra ambony ao amin'ny vavahadin-tserasera lehibe roa voakasika. Nanamafy izany fanovana izany ihany koa ny mpiasa ao amin'ny Sina.

Nilaza ireo mpamoaka lahatsoratra fa nampihatra ny tari-dalana tsiambaratelo navoakan'ny Biraom-panjakana misahana ny Fampahalalam-baovao, iray amin'ireo sampan-draharaham-panjakana lehibe tompon'andraikitra amin'ny fanarahamaso ny aterineto ao Shina, tamin'ny faran'ny volana jolay ireo tranonkala.

Ity ambany ity ny endrika fisoratana anarana avy amin'ny pikantsary nalaina tao amin'ny iray amin'ireo vavahadim-baovao, Sohu.com (tao amin'ny bilaogy GFW):

sohu

Na dia afaka mamitaka ny rafitra amin'ny laharam-pamantarana sy anarana diso aza ny mpiserasera, dia mety hisy fiantraikany ratsy ny fisoratana anarana, araka ny nanamarihan'i Rebecca MacKinnon:

Even without real-name registration it's not so hard for the police to track somebody down if they really want to – as long as that person isn't using an anonymity tool like Tor and being extremely careful about their general online security. With growing numbers of Internet users being detained and prosecuted on charges of “spreading rumors” lately, even though the real-name registration system is far from thorough or perfect, it's likely to have a chilling effect.

Na dia tsy misy fisoratana anarana tena izy aza, dia tsy sarotra loatra ho an'ny polisy ny manaraka olona raha izay no tian'izy ireo atao – indrindra raha mbola tsy mampiasa fitaovana manafina anarana tahaka ny Tor sy mitandrina mafy momba ny fiarovana antserasera ankapobeny izany olona izany. Noho ny fitomboan'ny isan'ny mpiserasera aterineto voatazona am-ponja sy enjehina amin'ny fiampangana “fampielezana tsaho” vao haingana, ary na dia tsy lavorary aza ny rafitra fanoratana anarana tena izy, dia mety hisy fiantraikany mahatsiravina izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.