- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

IGF2009: Tsy fahombiazan'ny Firenena Mikambana?

Sokajy: Shina, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Novambra 2009)
access-controlled_75 [1]
Nesorin'ny mpitandro filaminana avy ao amin'ny Internet Governance Forum ny afisy tsy dia lehibe, amin'ny teny Anglisy, mampiroborobo ny boky fizarana faha-2 “Access Controlled [1]”  an'ny ONI [2], noho ny fehezanteny tao milaza hoe:

The first generation of Internet controls consisted largely of building firewalls at key Internet gateways; China's famous “Great Firewall of China” is one of the first national Internet filtering systems.

Ny andiany voalohany amin'ny fanarahamaso ny aterineto dia natao indrindra hananganana rindrin'afo ao amin'ny vavahadiben'ny aterineto; Ilay “Rindrin'Afo Lehibe an'i Shina” malaza ao amin'ny firenena voatonona dia iray amin'ireo rafi-pirenena fanivanana aterineto voalohany

Araka ny hitanao eo amin'ny lahatsary, dia nangataka tamin'ireo mpanatrika ny polisy mba hanala ireo afisy, rehefa tsy nety nanala izany dia nesorin'ny polisy ny afisy ary nentin'izy ireo.

Tetikasa iraisampirenena avy amin'ny OpenNet Initiative (ONI), fiarahamiasa amin'ny Citizen Lab ao amin'ny Munk Centre for International Studies ao amin'ny Oniversiten'i Toronto, Foibe Berkman ho an'ny aterineto sy ny fiarahamonina ao Harvard (Berkman Center for Internet and Society), ary ny SecDev Group ny boky.

Nibilaogy momba ilay fehezanteny sy ny zava-nitranga i Jonathan Zittrain tao amin'ny lahatsorany hoe “Ny fehezan-teny tsy tian'ny Firenena Mikambana ho hitanao [3]

Its presence on a poster advertising the OpenNet Initiative’s academic book Access Controlled was enough to deem it prohibited by UN security forces at the Internet Governance Forum, who are shown in these videos removing the poster from the room over the objections of OpenNet colleagues Ron Deibert and Rafal Rohozinski.

Ny fisiany ao amin'ny afisy manao dokambarotra ho an'ny boky akademika “Access Controlled” an'ny OpenNet Initiative dia ampy hiheverena azy fa voaràran'ny mpitandro ny filaminan'ny Firenena Mikambana ao amin'ny Internet Governance Forum, izay asehon'ity horonantsary ity amin'ny fanesorana ny afisy ao amin'ny efitrano manoloana ny fanoheran'ireo mpiara-miasa ao amin'ny OpenNet, Ron Deibert sy Rafal Rohozinski.

ComputerWorld [4], Slashdot [5], BoingBoing [6] nitatitra ny zava-nitranga, izay hitan'ny ankamaroan'ny mpanatrika.

Ny Firenena Mikambana [7] dia fikambanana iraisampirenena natsangan'ny firenena miisa 51 tamin'ny taona 1945 taorian'ny Ady Lehibe Faharoa, firenena izay vonona hametraka filaminana sy fandriampahalemana iraisam-pirenena, mampandroso ny finamanana eo amin'ireo firenena ary mampiroborobo ny fandrosoana ara-tsosialy, ny fari-piainana tsara kokoa sy ny zon'olombelona. Mipaka any amin'ny faritra rehetra maneran-tany ny asan'ny Firenena Mikambana ahitana mpikambana miisa 192.

Ny iraky ny Internet Governance Forum dia ny mifanakalo hevitra [8] momba ny lohahevitra ara-politikam-panjakana mifandraika amin'ny sehatra manan-danja amin'ny fitantanana ny aterineto mba hanamafisana ny faharetana, ny tanjaka, ny filaminana, ny fahamarinan-toerana ary ny fampiroboroboana ny aterineto. Vatsiana amin'ny alàlan'ny vola ivelan'ny tetibola voafaritra ao amin'ny Tahirim-bola Atokisan'ireo mpanome marobe [9] tantanin'ny sampan-draharaha misahana ny Raharaha ara-toekarena sy ara-tsosialy ao amin'ny Firenena Mikambana (UNDESA) ny asa eo amin'ny fitantanana ny FGI..

Ny lohahevitra resahina ao amin'ny boky “Access Controlled” dia momba ny fanivanana aterineto, fibahanana votoaty amin'ny tranonkala, ary ny fanarahamaso antserasera sy ny fitomboany amin'ny habe, toerana sy ny fahasoratany manerana izao tontolo izao, adihevitra mendrika hotanterahina mandritra ny IGF2009.

Ity manaraka ity ny fanambaran'i Ronald Deibert sy Rafal Rohozinski taorian'ny nanesoran'ny sampam-piarovan'ny Firenena Mikambana ny afisin'ny “Access Controlled” tao amin'ny IGF09. Narakitr'i Sami Ben Gharbia [10], Talen'ny Global Voices Advocacy ny lahatsary.