- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fankalazàna ireo Fetim-pirenena Roa an'i Koety

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Koety, Fanabeazana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fiteny, Foko sy Fiaviana, Haisoratra, Hehy, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Saripika, Tantara, Teratany, Tontolo_iainana, Zavakanto & Kolontsaina

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2008)

Fetim-pirenena roa no nankalazaina tao Koety tamin'ny herinandro lasa teo – ny iray tamin'ny 25 Febroary ary ny faharoa kosa ny 26 Febroary. Mailaka ireo bilaogera Koetiana nisikotra ny tantaran'ireo fankalazàna ireo.

Manoratra i LiL ALiEN [1] anatinà lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe معلومات وطنية للجيل الجديد (Fampahafantarana ny Firenena ho an'ny Taranaka Vaovao):

ماهو التاريخ الاساسي لإستقلال دولة الكويت؟

في 19 يونيو 1961 تم إلغاء معاهدة الحماية البريطانية التي وقعت في 23 يناير 1899 ، و إعلان استقلال دولة الكويت

Inona ny andro marina nahazoan'i Koety ny fahaleovantenany? Ny 19 Jona 1961, nofoanana ny fifanarahana maha-zanatany Anglisy azy ary nambara ny fahaleovantenan'i Koety. Nosoniavina ny 23 Janoary 1899 io fifanarahana io.

لماذا يحتفل الناس بالعيد الوطني لدولة الكويت بتاريخ 25 فبراير؟

لأنه اليوم الذي استلم فيه المرحوم الشيخ عبدالله السالم الصباح الحكم بتاريخ 25 فبراير 1950 بالإضافه أنه اول يوم بدأ فيه استخدام النشيد الوطني الحالي

Koa nahoana no mankalaza ny andro nahazoana fahaleovantena amin'ny 25 Febroary ny vahoaka raha izany?
Satria io no andro nahalasa Emir [2]an'i Sheikh Abdullah AlSalim AlSabbah tamin'ny 1950. (I Sheikh Abdullah no nanafoana ny fifanarahana tamin'ny Grande-Bretagne ary nanambara ny lalàmpanorenana) ary io ihany koa no fotoana voalohany nampiasàna ny hiram-pirenena vaovao sy ankehitriny.

ماذا يعني تاريخ 26 فبراير لدولة الكويت؟

26 فبراير 1991 هو يوم تحرير الكويت من الغزو الصدامي الغاشم الذي بدأ في 2 اغسطس 1990 ودام 7 أشهر، وساعد في تحرير الكويت 30 دولة بقيادة الولايات المتحدة وبتشريع من الأمم المتحدة

Mirakitra inona ny 26 Febroary ho an'i Koety?
Ny 26 Febroary no andro nahafaka an'i Koety tamin'ny fananiham-bohitra Irakiana izay nanomboka ny 2 Aogositra 1990, ary naharitra fito volana. Naherin'ny 30 rieo firenena nanampy tamin'ny fanafahana an'i Koety teo ambany fitarihan'i Etazonia sy ny didy navoakan'ny Firenena Mikambana.

Namorona rindrantsary i RADIANT GUY [3] ho fankalazàna ireo andro ireo.

Namorona ity rindrantsary ity (hita eto ambany) aho ho an'ireo andron'ny fahaleovantenan'i Koety sy ny fahafahany, nampiasàko sary nalaiko teo anelanelan'ny taona 2006 – 2008 taminà toerana maro

Decorations to mark KuwaitNanoratra tononkalo fohy i Forzaq8:

Mety ho resahintsika ho toy ny badrahodra izy
Na dia toa mira aotra aza ny habetsaky ny lojika
Indraindray voahodidina fifamotehana ianao
Izay hampanary lamba ka hahatonga anao hampangina
Saingy tsy misy afaka hampitony anao toy izany
Any am-parany, tsy babangoana amin'ny antsasany ny vera fa feno amin'ny antsasany

Mazava ho azy fa tsy ny rehetra no faly amin'ny zava-miseho mandritra ireo fankalazàna ireo.
Mitantara ny nanjo azy tamin'izy nivoaka i intlxpatr [4].

Omaly, namita tetikasa iray aho tokony teo amin'ny 6 ora teo ary nizotra ho any amin'ny fotoanako manaraka rehefa niodina tany amin'ny araben'ny Golfe. Hadisoana iray lavaka. Tokony “kopy” aho nahita ireo sakana miambina ny fidirana amin'ny ilany havian'ny araben'ny Golfe, kanefa satria aho nivily niankavanana,  tsy dia noraharahiako loatra.

Hadisoana goavana. Tampoka teo, tratry ny fitohanan'ny fifamoivoizana amin'ny ampahany aho, ary ilay endrika ratsy indrindra, fitohanan'ny fifamoivoizana miaraka aminà andian-jatovo mirenireny amin'ny làlan'ny mpandeha an-tongotra amin'ny lafiny roan'ny fiara, fitohanan'ny fifamoivoizana miaraka amin'ireo làlambe voabahana, fitohanan'ny fifamoivoizana miaraka amin'olona anaty fiara mifanila mifampitsifotra roatra be – toa lasa anaty nofy ratsy tampoka izany.

Manome torohevitra amin'ny atao mandritra ireo fankalazana ny Hala February, fetibe mirobaroba hanamarihana io fotoana io, i mpjs [5].

Aorian'ny taona iray niandrasana, nahatratra ny faratampony ny Fankalazàna ny Hala February androany. Miandry fatratra ny androany tokoa aho satria ho voatsifitra roatra rehefa mifanojo fijery amin'ireny ankizy ireny. Miandry fatratra ity andro ity aho isan-taona, miandry ilay bandy mpanatitra gazety ho tonga eo amin'ny tokonam-baravarako hametraka ny taratasy mba ahafahako mamaky ireo heloka vitan-dry zareo.

Tompon'ny sary : Yousef avy ao amin'ny somecontrast [6]