- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

“Ny tantaranay ny fahalalànay” na loharanombaovao feno avy amin'i Whose Knowledge?

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Ity dia endrika iray amin'ny lahatsoratra orizinaly [1] nivoaka amin'ny bilaogin'i Whose Knowledge? ary navoaka eto indray tamin'ny alalan'ny fiarahamiasa amin'i Whose Knowledge? no koa azo alaina araka ny lisansa CC BY-SA 4.0.

Faly i Whose Knowledge? [2] hanolotra fitaovana feno amin'ny andiany “ny tantaranay ny fahalalanay”, izay mitondra miaraka ireo fizarana efatra: “Manaisotra ny fisainam-panjanahatany ny tantara sy ny fahalalanay”, “Fomba mampanova amin'ny fananganana ny fahalalam-piarahamonina”, “Manampy ny fahalalanay ao amin'ny Wikipedia” ary “Ahoana no hiarahan-dia sady ho mpivahiny tsara”.

“Ny tantaranay ny fahalalanay”: ny andiany manontolo

[3]

Tsindrio raha hitroka ny fitaovana PDF

Ity andiam-pitaovana ity no manolotra ireo tsikaritra lehibe sasantsasany amin'ny rafirty ny fahefana izay noravainay sy ny tolona atrehinay amin'ny famondronana ny fahalalanay antserasera. Avy eo izy ity manolotra taranjam-pomba sy fitaovana ho an'ireo vondrom-piarahamonina voahilikilika miasa ao amin'ny famokaram-pahalalàna, mampahatsiahy antsika hikarakara antsika sy ny vodrom-piarahamonintsika araka izay ataonay. Ny loharanom-pitaovana fahatelo no izarànay izay nataonay sy nianaranay tamin'ny fitadiavam-panesorana ny fahalalàna ara-panjanahantany ao amin'ny Wikipedia. Farany, ny andiany fahaefatra manolotra ireo fikafika sy sosokevitra namboarina ho mety ho an'ireo mpiara-dia te-hanohana ireo vondrom-piarahamonina natao anjorom-bala amin'ny fikolokoloana sy ny fizaran-dry zareo ny fahalalàny.

Tsindrio ny sary na ato [3] raha hitroka ny loharanom-baovao amin'ny endrika PDF 

“Ny Tantaranay ny fahalalànay” dia niarahan'ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina vazimba amerikana avy ao Kumeyaay sy Shoshone, vondrompiarahamonina feminista Dalit avy ao India sy ireo any am-pielezana, vondrom-piarahamonina LGBTIQA avy ao Bosnia Herzegovina, ny ekipan'i Whose Knowledge? sy ireo mpiara-dia aminy.

Tianareo mpanoratra ireo ny hanohana anareo amin'ny fihaikana sy ny fandresena ireo sakana maro izay manelingelina ny famokarana, ny fikolokoloana ary ny fizaràna ny fahalalàn'ny vondrom-piarahamoninao, ary hitarika anao amin'ny fananganana firaisankina anaty fiaraha-miasa sy ireo tambajotram-piraisankina matanjaka hafa.