Ity dia endrika iray amin'ny lahatsoratra orizinaly nivoaka amin'ny bilaogin'i Whose Knowledge? ary navoaka eto indray tamin'ny alalan'ny fiarahamiasa amin'i Whose Knowledge? no koa azo alaina araka ny lisansa CC BY-SA 4.0.
Faly i Whose Knowledge? hanolotra fitaovana feno amin'ny andiany “ny tantaranay ny fahalalanay”, izay mitondra miaraka ireo fizarana efatra: “Manaisotra ny fisainam-panjanahatany ny tantara sy ny fahalalanay”, “Fomba mampanova amin'ny fananganana ny fahalalam-piarahamonina”, “Manampy ny fahalalanay ao amin'ny Wikipedia” ary “Ahoana no hiarahan-dia sady ho mpivahiny tsara”.
“Ny tantaranay ny fahalalanay”: ny andiany manontolo
Ity andiam-pitaovana ity no manolotra ireo tsikaritra lehibe sasantsasany amin'ny rafirty ny fahefana izay noravainay sy ny tolona atrehinay amin'ny famondronana ny fahalalanay antserasera. Avy eo izy ity manolotra taranjam-pomba sy fitaovana ho an'ireo vondrom-piarahamonina voahilikilika miasa ao amin'ny famokaram-pahalalàna, mampahatsiahy antsika hikarakara antsika sy ny vodrom-piarahamonintsika araka izay ataonay. Ny loharanom-pitaovana fahatelo no izarànay izay nataonay sy nianaranay tamin'ny fitadiavam-panesorana ny fahalalàna ara-panjanahantany ao amin'ny Wikipedia. Farany, ny andiany fahaefatra manolotra ireo fikafika sy sosokevitra namboarina ho mety ho an'ireo mpiara-dia te-hanohana ireo vondrom-piarahamonina natao anjorom-bala amin'ny fikolokoloana sy ny fizaran-dry zareo ny fahalalàny.
Tsindrio ny sary na ato raha hitroka ny loharanom-baovao amin'ny endrika PDF
“Ny Tantaranay ny fahalalànay” dia niarahan'ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina vazimba amerikana avy ao Kumeyaay sy Shoshone, vondrompiarahamonina feminista Dalit avy ao India sy ireo any am-pielezana, vondrom-piarahamonina LGBTIQA avy ao Bosnia Herzegovina, ny ekipan'i Whose Knowledge? sy ireo mpiara-dia aminy.
Tianareo mpanoratra ireo ny hanohana anareo amin'ny fihaikana sy ny fandresena ireo sakana maro izay manelingelina ny famokarana, ny fikolokoloana ary ny fizaràna ny fahalalàn'ny vondrom-piarahamoninao, ary hitarika anao amin'ny fananganana firaisankina anaty fiaraha-miasa sy ireo tambajotram-piraisankina matanjaka hafa.