- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Manakana izay manova endrika ny Google

Sokajy: Shina, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2009)

Nakatona nandritra ny adiny roa tamin'ny alina lasa teo ny Google, ka anisan'izany ny mili-pikarohana google, ny gmail, ny dosie sy ny fampiharana, na dia efa naverin'ny mpanome tolotra aterineto sasany aza ny fahafahana miditra tao anatin'ny ora roa, nilaza ireo mpisera twitter sasany fa mbola voasakana any amin'ny faritra sasany ao Shina ny Google.

Nanonona an'i Xiao Qiang, mpanorina ny China Digital Times ny Guardian [1], fa “tena fampitandremana ho an'ny Google, ary koa ireo orinasa vahiny hafa izany.” Fampitandremana mafy ho an'ny mpiserasera Shinoa ihany koa izany. Mampiseho ny fahavononany hifehy ny aterineto ny governemanta.”

Tamin'izany fotoana izany ihany, nahita ny mpiserasera Shinoa fa raha ny marina dia avy amin'ny fanamboamboarana ny fampiraisana ny tati-baovao CCTV sy ny fikarohan-teny ao amin'ny Google amin'ny hoe “vetaveta sy tsy mendrika”.

Tamin'ny tatitry ny CCTV, rehefa mitendry ny teny hoe “zanaka lahy” ao amin'ny fikarohana Google ny mpiserasera, dia ireto no valiny telo voalohany lazaina fa mifandraika amin'ilay teny:

Fifandraisana tsy mendrika eo amin'ny zanakalahy sy ny reniny
Zanakalahy sy ny sipa(ny)
Zanakalahy sy reniny manao firaisana

google-son-search

Koa satria lisitry ny ankamaroan'ny teny karohina ao Shina ny teny nokarohina voalaza, dia somary hafahafa ihany ny mahita hoe “fifandraisana tsy mendrika” ho iray amin'ny teny malaza karohina (hafahafa amin'ny teny Sinoa ilay fiteny). Nijery [2] ny fikarohana matsilo ao amin'ny Google (Google insights for search) ny mpiserasera ary nahita fa ny 100% ny fikarohana “zanakalahy sy sakaiza” ary ny “fifandraisana tsy mendrika eo amin'ny zanakalahy sy ny reniny” dia avy any Beijing teo anelanelan'ny 10 sy 17 jona, ary navoaka ny 18 Jiona ny fandaharan'ny CCTV!

Ity ambany ity ny pikantsarin'ny Google insights for search tamin'ny fikarohana ny “zanakalahy sy sakaiza” ary ny “fifandraisana tsy mendrika eo amin'ny zanakalahy sy ny reniny”:

google-search1

googlesearch2

Ireto  [3]raha hijery bebe kokoa momba ny fanentanana manohitra ny Google ataon'ny sampan-draharahan'ny fampielezan-kevitr'i Beijing.