Egypta: Bilaogera nodarohan'ny polisy mafy

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
demagh-img.jpg

Ny Zoma 16 Oktobra, ilay bilaogera Ejiptiana Demagh Mak sy ny rahalahiny dia nosakanana hanaovana fisavana “kara-panondro” tany Tanta (Faritany Ejiptiana) nataon'ny polisy iray antsoina hoe Mohamed El-Dahrawy.

Tsy nisy antony anefa dia nodarohan'ilay polisy tao an-damosiny ilay bilaogera Mak sady nitakiany kara-panondro. Ary rehefa niteny taminy i Mak mba hanaja azy ireo dia nanomboka nidaroka mafy an'i Mak sy ny rahalahiny ilay manampahefana sy ny miaramila ary ny mpilaza vaovao ho an'ny polisy miisa valo teo ho eo .

Nentina tany amin'ny paositry ny polisy i Mak sy ny rahalahiny, ary noafahana izy roalahy raha vantany vao tonga tao an-toerana. Ary tsy mazava ny antony nahatonga izany rehetra izany.

Nahavita nandefa hafatra (sioka) tao amin'ny tambajotra sosialy Twitter i Mak  talohan'ny nanakanana azy sy ny rahalahiny tsy hampiasa ny findainy ary nampahafantatra ny olona ny fisamborana.

Demagh_mak.jpg

Nosamborina sy nodarohana aho aty Tanata amin'izao fotoana izao.

Tetsy ankilany, nahazo antso an'i Mak tamin'ny finday ilay bilaogera Ejiptiana Hossam El-Hamalawy mba hanarahana ny zava-nitranga ary nandefa izany tao amin'ny twitter.

Hossam tweet

Navotsotra ankehitriny i Mak sy ny rahalahiny. Saingy nodarohan'ny polisy (Mohamed Khedr) mafy sy miaramila ary mpanome vaovao hafa miisa 6 na 7 teo ho eo farafahakeliny izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.